4
2 Filoha Rajoelina Mampalahelo ny mahita azy mitsena entana eny Ivato 4 Niampy 4 ny namoy ny ainy, 103 ny marary mafy VAlAnAretinA coronAVirus 4 Alakamisy 13 aogositra 2020 Laharana 1054 [email protected] www.gvalosoa.com facebook : gazety valosoa rakoto Vidiny : 400 Ar Daka kely Mailaka ery ialahy ry Boaikely hiantso pika nefa ny vahoaka miharitra trefla a ! Fiainam-pirenena 3 Tsy amehana ara-pahasalama no mihatra fa amehana ara-politika Fetison Andrianirina 2 Manolotra sosokevitra ho vahaolana amin’ny fitaterana ankehitriny Angôvo 4 Tsy mahavaha mihitsy ny olan’ny mpanjifa ny JIRAMA 2 2 ny tsy fahombiazany Raharaha MBS Anodinan’ny fitondrana ny mpandraharaha Malagasy Ben’ny tanàna Vazahabe Tsy te-hahalala Tranombarotra Baolai 4 Tsy ampy ny « test » vita, tsy mahagaga raha lazaina fa tratra ny « pic » Valanaretina coronavirus Manavao ny tolotra omeny ny mpanjifa

nympandraharahaMalagasy ny tsy fahombiazany · miasa ny bus. Tsy mahazo alevina any am-pasandrazana ny maty. Mitaraina milaza mahantra daholo ny olona, mitaingina 4x4 tsara be daholo

  • Upload
    others

  • View
    3

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: nympandraharahaMalagasy ny tsy fahombiazany · miasa ny bus. Tsy mahazo alevina any am-pasandrazana ny maty. Mitaraina milaza mahantra daholo ny olona, mitaingina 4x4 tsara be daholo

2

Filoha Rajoelina

Mampalahelo ny mahita azymitsena entana eny Ivato

4

Niampy 4 ny namoy ny ainy, 103 ny marary mafy

VAlAnAretinA coronAVirus 4

Alakamisy 13 aogositra 2020 Laharana 1054

[email protected]

www.gvalosoa.com

facebook : gazety valosoa rakotoVidiny : 400 Ar

Daka kely

Mailaka ery ialahy ry Boaikely hiantso pika

nefa ny vahoaka miharitra trefla a !

Fiainam-pirenena 3

Tsy amehana ara-pahasalama nomihatra fa amehana ara-politika

Fetison Andrianirina 2

Manolotra sosokevitra ho vahaolanaamin’ny fitaterana ankehitriny

Angôvo 4

Tsy mahavaha mihitsy nyolan’ny mpanjifa ny JIRAMA

2

2

ny tsy fahombiazany

Raharaha MBS

Anodinan’ny fitondrana ny mpandraharaha Malagasy

Ben’ny tanàna Vazahabe

Tsy te-hahalala

Tranombarotra Baolai 4

Tsy ampy ny « test » vita, tsy mahagaga raha lazaina fa tratra ny « pic »Valanaretina coronavirus

Manavao ny tolotraomeny ny mpanjifa

Page 2: nympandraharahaMalagasy ny tsy fahombiazany · miasa ny bus. Tsy mahazo alevina any am-pasandrazana ny maty. Mitaraina milaza mahantra daholo ny olona, mitaingina 4x4 tsara be daholo

2Lah 1054 Alakamisy 13 aogositra 2020Politikawww.gvalosoa.com

Ben’ny tanàna Vazahabe

Tsy te-hahalala ny

mpandraharaha Malagasy

Ny Valosoa sy fakafakaFeTison AndriAnirinA

Manolotra sosokevitra ho vahaolana amin’ny fitaterana

ankehitriny

Ho firindran’ny fepe-tra ara-pahasala-mana dia namoaka

fehinkevitra tsy mora ka-nefa hirosoana miandala-na, amin’ny fialàna mian-dalana amin’ny fihiboanaeto Madagasikara, NyRoso ho amin’ny Demo-krasia : RDS. Ny RDS diamijoro hatrany amin’ny fi-tondràna hevitra tsy mi-sorona ary tsy hijerenaharona an-tava, mba ha-natsaràna ny fiainam-ba-hoaka sy ny soa iombo-nana satria ”Madagasi-kara toy ny lakana tsy mi-fidy andriana, ka tsy men-drika lena avokoa“. Mano-loana ny fahasahiranana

mahazo ny Malagasyamin’ny fanatanterahanaireo fepetra tsy maintsyhajaina mandritra ny 15ANDRO manaraka indraydia miantso ny tompon’andraikitra ny RDS, tari-hin’ny filohany FetisonRakoto Andrianirina: 1 / Hamaha ireo mpitatitraolona isaky ny renivohi-paritany sy ny manodidinaazy ireo, hiverina hiasa,ho fitsinjovana ny mpan-jifa sy ny asan’izy ireo . Aoanatin’izany ny fampia-sana ny aro-vava sy nyorona. Ao anatin’izany nytsy fampiasàna ireo sezafanampiny. Ambonin’izanyny famendrahana fana-

fody matetika ny fiara , nyfampitaovana hanadiova-na ny Tanàna. Ho fitsinjo-vana anefa dia mila hape-traka ny ‘vonjy Vola’ izayhanomezana fanampianavola isaky ny andro hia-sàna . - 24000 ariary hoan’ny fiara mahazaka 32toerana.- 15000 ariary hoan’ny fiara mahazaka 27toerana.- 12000 ariary hoan’ny fiara mahazaka 14toerana. 600000 dolara no volamety hilaina amin’izany,izay tokony hiantsorohan’ny fanjakàna tanteraka .

Mampanahy tanteraka ny fisehoan’ny zava-misyamin’ny fitantanam-pirenena amin’izao fotoana izao,ho an’ny mpamakafaka. Mihazakazaka miseho en-drika amin’ny lafiny herisetra ara-politika ny tompo-nandraiki-panjakana. Voalohany amin’izany nyhetraketraka natao an’ireo mpivarotra amin’ny fan-drodanana ny toeram-pivarotan’izy ireo ; manampyizany ny fandravana ny fifanarahana nifanaovan’nykaomina Antananarivo renivohitra amin’ireo mpivaro-tra eny amin’ny Esplanade ; ary vao andro vitsymonja izao no nahafantarana fa hotapahin’ny fiadi-diana ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny fifana-rahana tamin’ny haino aman-jery MBS eny Anosi-patrana. Fifanarahana izay mbola maharitra an-tao-nany maro, ary mazava ny fifanarahana kanefa tsymiraharaha izany ny ao amin’ny fiadidiana ny tanà-nan’Antananarivo renivohitra fa hotapahina izany.Mpandraharaha Malagasy avokoa ireo. Toa midika fatsy te-hahalala sy tsy tia mpandraharaha Malagasymihitsy ny ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriangt-sitohaina. Raha tsy hilaza afa-tsy ireo fotsiny dia hita mihariharyfa ankoatra ny fomba fiasa tsy mifanaraka velivelyamin’izao vanim-potoana izao, dia manao politikaamin’ny fandravana ny tompon’andraiki-panjakana.Iray kitapo ihany ny mpiandraikitra ny tanànan’Anta-nanarivo renivohitra sy ny eo anivon’ny fitondrana mia-raka amin’i Andry Rajoelina. Politika iray ihany ny azyireo, ka tsy afa-misaraka. Izany hoe, raha manao itypolitikan’ny fandravana ity ny ao amin’ny CUA, dia po-litikan’ny fitondrana iray manontolo izany. Izany anefadia tena maneho ny tsy fahamatorana ara-politika mi-hitsy, ary tsy fahaizana mitondra firenena. Politika ma-napotika fa tsy manatsara ary tsy amim-pahendrenamihitsy, satria hita ho lasa lavitra ny fomba fiheveranaamin’ny fanaovan-javatra na fandraisana fanapahan-kevitra. Zary mampahatsiahy ny zava-nitranga tanyamin’ny taona 2009 – 2010, ary nandritry ny teteza-mita ihany koa ity mitranga ankehitriny ity. Tena laharam-pahamehana tokony horaisina ve ireofanapahan-kevitra ireo? Tsia, fa zavatra na asa marobe no mbola tokony hotanterahina sy andrasan’nymponina amin’ny tomponandraikitra amin’ny fiadi-diana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Be ny asatsy vita kanefa tena ilain’ny mponina maika eoamin’ny fiainany andavanandro: ny làlana tsy vita nyfanatsaràna, fa arabe maro no feno lavaka sy potikaamin’izao fotoana izao ary misy fiantraikany amin’nyfiainam-bahoaka izany; ny fanadiovana tanàna tsytontosa antsakany sy andavany, kanefa niseho ha-havita izany tany am-piandohana; ny tsy fandriampa-halemana mbola tsy mampitony ny mponina ary tsyhita izay paik’ady mazava amin’izany; maro ireo toe-javatra tsy manara-dalàna toa tazanina fotsiny; ny fa-narenana ny fiainam-piarahamonina tsy misy ary tsyho hainy velively. Marina fa eo ny krizy sy ny hamehana ara-pahasala-mana noho ity valanaretina nosokafam-baravaranaity. Ampahany iray ihany amin’ny asa sy andraikitraandrasan’ny vahoaka amin’ny tomponandraikitry nyfiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra izanyraha miatrika izany izy, fa ny nilokalokana mbolamaro no tsy vita. Ny hita aza dia toa tsy mahay nyasany izy raha ny nambaran’ny filohan’ny mpanohitraRMDM, Marc Ravalomanana, manoloana ny zava-misy sy ny zavatra ataony. Ho sarotra ihany ny hihe-vitra fa hisy fiovàna goavana amin’ny fihatsaràna nytanànan’Antananarivo renivohitra sy ny fiainan’nymponina ao aminy raha ny fahitana ny zava-misy symitranga ankehitriny. Toa fandravana ny zava-misynapetraka teo aloha mantsy no mahamaika, fa tsyahitana mihitsy zava-baovao atao am-piheveranatsara sy amim-pahendrena ary tena ilain’ny vahoaka.Ny fitantanana sy famitàna asa atao eto Antananarivorenivohitra koa anefa no taratry ny hiseho maneranaan’i Madagasikara. Momba ity raharaha fanenjehanampandraharaha Malagasy ataon’ny ben’ny tanànaNaina Andriantsitohaina ity, tafapetraka omaly tenyanivon’ny Fitsarana ny fitoriana azy, nataon’ireo mpi-varotra tadiaviny hoesorina eo amin’ny EsplanadeAnalakely, nanotrona azy ireo nametraka izany fito-riana izany ireo mpanolotsaina ao anivon’ny tanàna,sy ny mpisolovava Me Eloi. Ho hita eo ny tohiny.

Sôh’son

2/ Sokafana arahana fe-petra ny fitateram-bahoa-ka an-tanety sy an’haba-kabaka mampifandray nyfaritra na dia amin’ireomisy valan’aretina COVID19 toa ny faritra Anala-manga . Na izany aza diamila misoratra anarana 4andro mialohan’ny hiain-gana hanaovana fitiliana, ka izay tsy mitondra nyvalan’aretina no mahazomandeha. Izany rehetra izany diaazo atao mandritra ny fihi-boana 15 ANDRO izao,hanalàna ampahany bet-saka amin’ny fahasahira-nana mahazo ny mponina.

Helisoa

Raharaha MBS

Anodinan’ny fitondrana ny tsy fahombiazany

Mitana ny sain’ny maroindray amin’izao fotoanany raharahan’ny hainoaman-jery MBS, afaka 6volana dia tokony hiala aoAnosipatrana ity hainoaman-jery tsy miankinaity, araka ny navoakan’nyKaominina AntananarivoRenivohitra, tarihan’nyben’ny tanàna Vazahabe :Naina Andriantsitohaina.Raha ny fahitan’ny mpa-nara-baovao azy dia aho-din’ny fitondrana any nysain’ny vahoaka, anafe-nany ny tsy fahombiaza-ny, sy ireny famorimba-hoaka tsy manara-dalànaireny, sy ny fahantrana la-lina iainan’ny vahoakaamin'izao fotoana, nohony ataon’ny fitondranaRajoelina ihany. Mombaity raharaha ity, tsy rariny

ny fanafoanana fifanara-hana efa vita tany aloha,raha toy izany, tokony ho-jerena avokoa ireny an-tsoina hoe : « contrat debail » ireny, ka raha sahin’ny CUA sy ny fitondranany manafoana ny fifana-rahana tamin’ny vahinymomba azy ireny dia tsy

misy ny fanavakavahana,fa raha tsy izany, dia nympandraharaha Malaga-sy ihany izany no tian’izyireo anaovana antsojay.Ankoatra izany momba nyMBS, adiny roa raha beindrindra dia potika symay tanteraka ny MBSteny Anosipatrana nanao-

van’ny mpanongam-pan-jakana notarihan’i AndryRajoelina azy tamin'nytaona 2009, tanàna ravano teny nandritra ny tete-zamita, rindrina milokomolaly no hany sisa ta-vela nandritra ny taonamaro. Dia rehefa tafodyny mpanangana, nanam-batra ny tapaporohanasisa tsy may, niezaka na-merina tamin'ny laoninyilay haino aman-jery hotena harifomba tao ana-tin'ny fotoana fohy dia avy indray ny mpiara-diaamin’izao fitondrana mpa-ndrava izao hamotika,sao mba tsy rariny, misyvady aman-janaka Mala-gasy madinika miasa ao.Mbola ho tantara mitohyity raharaha ity.

Niaina

Taratasin’ny mpamaky

IZAY AHO VAO MINO NY TENIN’NY FILOHA RJOELINA HOE HO HITANAREO AMIN’ITY FITONDRANA

ITY IZAY TSY HITANAREO NANDRITRA NY 60TAONA :

Mihiboka 6 volana d mahazo vary 1 gony, na tokony ho 6 gony aza no azo. Miasa ny mpiasa fa tsy mahazo

miasa ny bus. Tsy mahazo alevina any am-pasandrazana ny maty. Mitaraina milaza mahantra daholo ny

olona, mitaingina 4x4 tsara be daholo anefa ny mpitondra, dia ny vahoaka mandeha an-tongotra miala @

4maraina andeha hiasa dia mody ao an-trano @ 7 ora hariva raha haingana indrindra, efa valaky ny dia an-

tongotra . Sns... Soa ihany ny filoha fa manimbahoaka dia manaiky daholo ny olona. Fa misy fetrany koa

aloha ny fandeferan’ny vahoaka, misy farany ny zava-drehetra.

MIAKY AHO IZAY.

Razafimandrato Nirina

Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao

Tsy ampy ny test na ny fi-tiliana vita mahakasika nyvalanaretina coronaviruseto Madagasikara, tsymahagaga noho izanyraha lazaina fa tratra nypic, ny tendrony amin’ityvalanaretina ity. Raha nytarehi-marika azo dia ny0,25% ny vahoaka Mala-gasy fotsiny hatreto novita fitiliana. Ny fahavitana

fitiliana maro anefa no ha-hafahana mifehy haingaity valanaretina ity, nam-baran’ny mpitondra fa tsymafy noho ny pesta sycholera kanefa nampihi-boka an’izao tontolo izao,tsy teto amintsika ihany.Raha ny tarehi-marika,dimy alina fotsiny hatretono isan'ny olona nataotest coronavirus mane-

rana an’i Madagasikara,nanomboka tamin'ny vo-lana martsa, ka hatramin'izao... Ny isan'ny mpo-nina eto Antananarivo re-nivohitra anefa mihoatrany iray tapitrisa... Rahaatao test coronavirus da-holo ireo iray tapitrisa ireodia farafahakeliny dimyhetsy no voan'ny corona-virus amin'izao.

Ny isan'ny olona vitsy diavitsy atao test no mampi-hena ny isan'ny trangavaovao fa tsy hoe ny co-ronavirus no mihena.Araka ny vaovao azo, nynampihena ny tarehi-ma-rika tany Toamasina diasatria nihena ny fitiliananatao tany an-toerana.

Stefa

Valanaretina coronavirus

Tsy ampy ny « test » vita, tsy mahagaga raha lazaina fa tratra ny « pic »

Page 3: nympandraharahaMalagasy ny tsy fahombiazany · miasa ny bus. Tsy mahazo alevina any am-pasandrazana ny maty. Mitaraina milaza mahantra daholo ny olona, mitaingina 4x4 tsara be daholo

Sahiran-tsaina ny vahoaka Malagasy amin’izaofotoana izao satria ankoatry ny fahasahirananaara-pihariana sy ara-pivelomana dia mampa-

nahy be tokoa ny hoavin’ny taranaka eo amin’ny lafinyfanabeazana. Tsy ny ao amin’ny ambaratonga voalo-hany sy faharoa ihany fa hatrany amin’ny ambara-tonga ambony mihitsy. Tsy mbola azo antoka nyfiafaran’izao fiparitahan’ny valanaretina covid-19 izaodia efa mandray fanapahankevitra ny mpitondra, fa tsymaintsy hisy ny fanadinana amin’ny volana septambraho an’ny mpanala Cepe sy Bepc ary ny volana oktobrakosa ny bakalorea. Ny eny amin’ny Anjerimanontolokosa dia any amin’ny volana martsa 2021 vao hanom-boka ny taom-pianarana kanefa efa tamin’ny volananovambra 2019 no vita ny fanadinana ary tsy mbolafantatra ny vokatr”izany fanadinana izany. Arak’izanydia hihara-hiditra ao amin’ny taona voalohany ireoafaka bakalorea ny taona 2019 sy 2020. Niaraha- na-halala koa ny haavo lentan’ny bakalorea ny taona2019 iny noho ny tranga fiparitahan’ny adina mialo-han’ny vaninandrom-panadinana. Mbola hanahiranaihany koa ny amin’ity taona ity satria dia efa am-bolanamaro no tsy nianatra ny mpianatra noho ity hamehanaity. Raha tena vonona niatrika izao, araka ny fanam-baran’ny filohan’ny Repoblika tany am-boalohany, diatsy ho toy izao ny toe-draharaha. Roa taona izany nysehatry ny fanabeazana dia nijotso amin’ny farany am-bany. Entina hampandriana adrisa etsy an-kilanyanefa dia nanambara ny filohan’ny Repoblika, fa ha-norina efitra fianarana “manara-penitra amin’arivony”.Dehaka loatra koa izao kanefa raha tena mahafehy nyvalanaretina dia tsy manao fivorian’ny filankevitry nyminisitra amin’ny alàlan’ny “visioconférence” ambo-nin’izany, azo inoana fa efa nisotro cvo daholo izy ireo,ka tsy tokony hisy hatahotra hamindra na hifindran’nyotrikaretina intsony satria sady fanefitra io no fanafana.Araka ny fanambarana tamin’ny alahady ihany dia mi-verina miasa daholo ny mpiasam-panjakana nanom-

boka ny alatsinainy lasa teo kanefa dia tsy fantatry nympitondra angamba, fa tsy manodidina ny minisiteraiasany avokoa ny mpiasa rehetra ao, fa misy any Ava-radrano, any Atsimondrano, sns… kanefa tsy misy fi-tateram-bahoaka mahazo miasa, .ankoatry ny fiarakaretsaka ary tsy misy minisitera manana fiara fiton-drana mpiasa izany. Ho an’ny mpiasa any amin’ny ori-nasa sy mpampianatra tsy miankina dia asainamindram-bola, karama iray volana, ao amin’ny Cnapsizy ireo. Na tiana anefa na tsy tiana dia efa mahazatraantsika ny makatahaka izay ataon’ny firenena any ive-lany amin’ny lafinjavatra sy toe-javatra rehetra kanefany any dia nanokana vola tsy toko tsy forohana na-nampiana ny orinasa tsy miankina sy ny mpiasa tsymandray karama. “Hahazo ireny fanampiana “tosito-sika” isan-karazany ireny hono na ny manana karnem-pokontany, na ny tsy manana koa aza, hoy ny filohan’ny Repoblika ary nirotsaka nanao fanisana ny olonaisa-tokatrano hatramin’ny minisitra mihitsy aza, ary to-kony ny talata teo no natomboka ny fizarana kanefadia tsy mbola tanteraka izany. Tsapa fa fanapahan-ke-vitra ara-politika noho ny hamehana sy ny fitiavanamiseho ho tena mandray andraikitra sy mitsinjo ny va-hoaka tokoa no ataon’izao fitondrana izao, kanefa natiana na tsy tiana dia fanararaotam-pahefana tsotraizao satria tsy mifandanja velively ny fanapahan-kevi-tra sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny vahoaka entina.Amin’ny fotoanan’ ny hamehana tahaka izao tokoamantsy dia manana ny fahefana rehetra hanao izaytiany atao ny mpitondra ary amin’ny alàlan’ny famoa-hana didim-panjakana (ordonnance) izany. Tsy nite-raka firaisankina sy fihavanana ho an’ny vahoakaMalagasy velively ity valanaretina ity, fa mety fifanka-halana sy fifandrafiana kosa satria mibahana sy man-jaka loatra ny paikady politika eo amin’izay rehetraaroso ho tsy maintsy hajaina sy ankatoavina ary tan-terahin’ny olompirenena.

Andry Tsiavalona

3Lah 1054 Alakamisy 13 aogositra 2020Politika

Tsy amehana ara-pahasalama no mihatra fa

amehana ara-politika

Ny Valosoa sy hadihady

www.gvalosoa.com

Tsy fahaiza-MiTanTan’ny MpiTondra

asa nandanian’andro sy volabe

teo aloha, toy ny tsy misy aminy

Tsy adala na zaza ny va-hoaka fa mahalala nyzava-misy amin’izao fo-toana izao eo amin’ny po-litika apetraky ny fitondra-na. Didy jadona no misyna dia ezahina sarontsa-ronan’ny mpitondra azany ataony ao anatin’izany.Eo ny “requisition”, izayrantsana iray lehibe amin’ny politika fanaovan’ny fi-tondrana didy jadona iza-ny. Tetika an-kolaka iraylehibe efa nampiasainahatrany amin’ny andron-dry Lénine tany amin’nyFiraisana Sôvietika tamin’ny fotoan’andro izany, ta-min’ny ady an-trano na-trehiny rehefa nirodana nyfitondrana kapitalista, kateo amin’ny fitondrana izy.Fialokalofana tsy hisehohiharihary avy hatrany famanao didy jadona ny fitondrana. Dia iaraha-mahita ny zava-misy etoamin’ny firenena ato ana-tin’izao hamehana ara-pahasalamana izao: tsymaintsy mamoaka nyvaovaon’ny fitondranaisaky ny atoandro nyhaino aman-jery rehetramanerana ny Nosy, faraha tsy izany dia hahazosazy. Ny fifehezana nyhaino aman-jery toy izanydia endrika didy jadona.An-tery no atao fa tsyfiangaviana fiaraha-mia-

sa. Niaraha-nahalala tsarany nanaovana ireo hainoaman-jery tsy nanarakaizany tany am-piandoha-na. Ankoatra izany, dia eo ha-trany ny fampiasana mpi-tandro filaminana isaky nymihetsika. Vao misy soka-jin’olona na vondron’olo-na na fikambanana, sns…mikasa hanao hetsika an-kalamanjana dia indrenytonga mialoha ny “emmo-reg” miaraka amin’ny fi-taovam-piadiana sy fiaramaro. Na dia hetsika tenatokony ho zon’ilay manaohetsika aza dia andefa-sana mpitandro filami-nana hatrany. Iray lehibeamin’izany ny hetsiky nysendikàn’ny mpiasa amin’ny orinasa tsy miankinahankeny amin’ny CnapsAmpefiloha, hametrakasonian’ny mpiasa fotsiny,fa manana zo amin’izayhanaovana ny volany aoizy ireo. Izay fotsiny dianandefasana “emmoreg”,inona no olana amin’iza-ny, f’angaha tsy volan’ireompiasa ireo no napetrakaao ? Voatery nankenyamin’ny primatiora indrayizy ireo fa voasakana tenysy tsy noraisina tenyamin’ny Cnaps. Avona-vona indray sy tsy niva-kiana loha izy ireo fa tsymba nandray. Fitondrana

inona izany, moa tsy fi-tondrana manao didy ja-dona? Vao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity indray,nanaitra ny saina ny na-hita ireo mpitandro filami-nana marobe tonga tenyBel’air nanoloana ny va-vahady misy ny foiben’nyantoko Tim sy ny foiben’ny Rodoben’ny Mpanohi-tra RMDM, izay nanatan-teraka ny fikaonandoham-pirenena sy fanamarihanany tsingerin-taona voalo-hany nijoroany. Ao amin’ny trano foibe misy azyizy ireo no mivory kanefadia andefasana “emmo-reg”. Inona no atahoranasy anaovana karazanaendrika ramatahora toyireny? Fa moa tsy zon’nyRMDM ny mivory toyizany ao amin’ny foibeny?Izay nanaraka ny fepetraara-pahasalamana. Faizany toe-javatra izanytena endrika fanaovanadidy jadona tanteraka. Ny dikan’izany rehetraizany, tsy misy mahazomihetsika mahery eo, faeo am-pelatanan’ny fiton-drana ny fahefana rehe-tra. Tsy misy mahazomaneho hevitra mitsikerasy manohintohina ny fi-tondrana, fa mety hiafaraany am-ponja. Saika fenofatahorana izany ny va-

hoaka Malagasy ary mia-hotra amin’ny fanehoan-kevitra. Rehefa tonga symitoetra ao anatin’izanyny toe-tsaim-bahoaka diamanao didy jadona izanyilay fitondrana. Voahosi-hosy ny demôkrasia an-kehitriny fa tsy misy fa-halalahana izany eto. Soafa eo ny vovonan’ny mpa-nohitra RMDM mitarika nymaro mba ho sahy fa fire-nena iombonana ity Ma-dagasikara ity ary tsyavela hisoka any amin’nyfahapotehana toy izany.Ny mpitondra rahateonampindramin’ny vahoa-ka fahefana fa tsy tom-pony akory. Tsy nisy mafytoy ny FRS tamin’ny Re-poblika voalohany, fa re-sin’ny hetsi-bahoaka iha-ny. Tsy nisy mafy toy nyRESEP tamin’ny Repo-blika faha-2, fa naon-gan’ny vahoaka ihany nyAmiraly Ratsiraka. Ka tsyRajoelina sy ny forongonyakory no ho ela fanapa-hana eto, fa rehefa tongany fetra, rehefa tofoka nyvahoaka, mety handositraany ivelany ihany ity mpa-nongam-panjakana ity syny mpiara-dia aminy, anyrahateo no tompoiny sylalainy, fa tsy ny vahoakaMalagasy velively.

Sôh’son

Fitantanam-pirenena

Mampiasa ny politikan’ny didy jadona ny fitondrana

Ny fa

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara ?Izany foana ange no eto raha jerena ny tantara !Atao ny fizaràna vary , ho an`olom-bitsy, ho fidedahana.Avy eo vao :”iza ireo marefo ?”, izay ilay endri-pamitahana !

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara ?Izany foana ve no fomba mahazatra ny mapara ?`ndeha jereo ireo tetikasa izay natao nipoapoaka.Efa miainga , izay vao hoe: “andeha hierana ny vahoaka”.

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara ?Izany ve no hitantanana an`i Madagasikara ?`Ndeha jereo ny colisée, natsangana mangina tao.Tsy nisy izay mba fankatoavana ka miakatra ny hoe:”ravao”!

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara ?Izay ilay sarin-damasinina misosa tsy mandalo gara ?Ny bontolo hatrany hatrany , izay no masaka ao an-doha,Na efa tena tazana aza izatsy fasana mivoha !

Ny sarety indray no aloha fa ny omby atao eroa afara ?Mba mihevera dia ilaozy ilay “toe-tsaina maramara”.Ratsy be ny “dia mianòtra” izay fanaon`ny fozaorana,Ka diniho, mba tsy hanenenana, ny lala-mendrika hizorana.

Dadan’i Zina (11-08-20)

NY SARETY NO NY SARETY NO

EO ALOHAN`NY OMBY ?EO ALOHAN`NY OMBY ?

TONONKALO

Volabe no lany tamin’ny nanatanterahana ny fanisam-bahoaka niandreketan’ny Ivotoeram-pirenena misa-hana ny antontan’isa, na INSTAT taona vitsy lasa izay.Tsy fanisana fotsiny no natao tamin’izany fa niditra ta-min’ny antsipiriany tamin’ny fiainan’ny isan-tokantranoantsipiriany mihitsy ary nisy aza ny nahasorena nymaro tao anatin’izany. Nambara avy eo fa eo ny isan’nyvahoaka Malagasy. Nisy ihany koa ny fanadihadiananataon’ny teo anivon’ny FID, izay hizara ny vola fa-nampiana ho an’ny mponina lazaina ho marefo tenyanivon’ny fokontany rehetra. Misy araka izany ny faha-fantarana ny momba ilay vahoaka. Mbola nikorontanaihany anefa ny fanampiana ara-tsakafo na ara-bola ilayvahoaka tao anatin’ny fizarana satria tsy nisy ny laminamazava tsara rindra. Ankehitriny nanatanteraka fani-sana sy fanadihadiana tokantrano indray ny fitondranaary nampiasaina avokoa ireo mpiasam-panjakana re-hetra ary natao an-tery mihitsy ny fanetsehana azyireo. Ny antony, tsy mahafapo ny vokatra azo tamin’nyfanisana samihafa rehetra natao tsy ahafahana miasamanatanteraka tsara sy mampizotra ara-dalàna ny fa-nampiana ireo vahoaka sahirana ara-pivelomana. Mi-dika mazava loatra izany, fa very fotsiny ny volabenampiasaina teo aloha rehetra, fa tsy ahafahana ma-natanteraka asa ara-tsosialy ara-dalàna goavana toyny amin’izao fotoana izao. Na ihany koa tsy nivakian’nyfitondrana loha na tsy fantany ny fisiany, na tsy hainymihitsy ny mampiasa izany vokatra efa nataon’ny INS-TAT sy ny FID izany. Amin’ny lafiny iray dia misy tsy mifandray na mifampi-tohy ny fomba fiasa eo anivon’ny fanjakana. Mananaantontan’isa ny Instat, toy izany koa ny eny anivon’nykaomina sy fokontany. Toy ny tsy misy anefa izany hoan’ny fitondrana satria miverina mijery ifotony ny isa syny zava-misy izy amin’izao fotoana izao. Fotoana lanyizany satria tsy mahay miainga amin’ny antontan’isafototra efa misy. Efa misy fahataràny koa sy tsy fa-haiza-miàsa izany satria tokony vao mandray fiton-drana any am-piandohana dia tokony ho efa eoam-pelatanana avokoa izany rehetra izany. Ny firenenasy ny vahoaka mila vola indrindra amin’izao fotoanaizao. Vola tokony ho amin’izany lasa mankany amin-javatra hafa indray, izay nisy fanombohana na va-vaasa, fa tsy hoe vao mamaky lay. Midika ho tsyfahaiza-manaon’ity fitondrana ity izany ary lesoka hitaeo aminy. Mampisaina koa izany fa mbola hisy toe-ja-vatra hafa mitovitovy amin’izao any amin’ny sehatrahafa efa nandanian’andro sy nandaniam-bola be, ka-nefa hodinganin’ity fitondrana Rajoelina ity fotsiny izao.

Sôh’son

Page 4: nympandraharahaMalagasy ny tsy fahombiazany · miasa ny bus. Tsy mahazo alevina any am-pasandrazana ny maty. Mitaraina milaza mahantra daholo ny olona, mitaingina 4x4 tsara be daholo

4Lah 1054 Alakamisy 13 aogositra 2020Samihafawww.gvalosoa.com

Entana maro samy hafa, hita aamin’ny Tranombarotra Baolai.

Tv sy télé Led ato aminayizay misy 19" hatramin' ny75" ( misy antoka 1 tao-na). Ao koa ny réfrigéra-teur, Smartphone, fourmicro-onde, synthétiseur,

panneaux solaires monosy polychristalline, sub-woofer, table de mixage,fer à lisser ( volo ) … Arymbola misy hatrany ny «service de livraison ». Nyantsipirian' izany rehetraizany dia ho hita ao amin'ny pejy facebook « Baolai» (033 37 968 88 amin'ny ora fiasana) ». Izanyrehetra izany dia ho hitaao Bazar be Toamasina,Soarano ary Analakely »hoy ny tompon' andraiki-tra. Dia ho maro loko to-koa ny tohin' ity volanaAogositra ity, miarakaamin' ny entana tsara ka-litao hita ao amin' ny Tra-nombarotra « Baolai ».

Aly

Taorian' izay fiatoana na-haritra, noho ny fihanakyny valanaretina coronavi-rus izay, dia efa miverinatsikelikely ny eo amin' nysehatra ara toe-karenaeto Madagasikara. Aoanatin' izany indrindra diamanavao ny tolotra ome-ny ny Tranombarotra«Baolai ». « Maro be nyentana lohalaharanaamin' ny kalitao vao tongaato aminay, izay mifanan-drify hatrany amin' ny fi-lana sy ny fahefa-mividin’ny daholobe. Ary noho nyzava-misy eto amintsikaamin' izao fotoana izao,ny fisokafan' ny magazay« Baolai » rehetra dia aoanatin' ny fanajana tante-

raka ny fihetsika fiarovanaamin'ny valanaretina co-vid 19 : toy ny fanaovanany maska, ny fanajana nyelanelana 1 metatra …Maro ny karazana Smart

Tranombarotra Baolai

Manavao ny tolotra omeny ny mpanjifa

Mampalahelo ny mahita ny Filoha Rajoelina mitsena entana eny Ivato

Patrick Raharimanana : filoha mitsena entana tenyIvato: nalahelo azy aho. Nandinika ity sarin'ny Filo-ham-pirenena nitsena ireo fitaovana nafarana avyany ivelany entina hitsaboana marary dia tena nala-helo. Tsy asan’ny filoham-pirenena ny toy izany, misyministra ao, misy CCO ao. Rehefa eny an-kianja mi-zara ireo fitaovana tonga vao tsara raha miatrikaizany ny Filoha Rajoelina.

njak Bentsar : ampsainana lalina tokoa, mitsabakany andraikitra tokony ho sahanin’ny hafa hatrany nyFiloha Rajoelina, eny an-kianja amin’ny fizaranaireny tokoa izy vao tokony hiseho, fa ity dia tena fi-loha kely asa mihitsy ilay mitsena entana eny Ivato.

Marie Ange Renee Valson : ny fahalalako azy tsyhoe tsy miasa ny sasany fa izy no miteny hoe aleoataoko daholo sao takona izy, na ny asany lehibeanyfokontany aza tiany atao daholo. Tiany atao daholony asan’ny olon-drehetra, nefa tsy misy zavatrahain’ny Andry Rajoelina ny momba ireny, tena filohatsy misy leadership. Tokony manome toromarika fot-siny ny filoha, dia manatantearaka ny tompon’an-draikitra sahaza ilay asa.

Jo Rhary : tsy maintsy voatery naka sary devant-n'ireo matériel reo ngaha i V, tena filoha V marina,filoha kely asa. Io dia mitsabaka amin’ny asan’ny mi-nistry ny fahasalamana indray tokoa izy.

Ma Iriàna : mba mitovy hevitra @nao aho eto an, tsytokony hitsena entana izany tokoa ny asan’ny filo-ham-pirenena, ratsy mpanolotsaina sy serasera veRajoelina, sa izy mihitsy no be di-doha te-hitsena en-tana eny Ivato?

Miandrisoa Razafindravonjy : tena marina ny voa-lazanao. Betsak loatra le mpisolelaka sy mpandoka-doka nohon'ny ataony ts fantatra. Mamitaka anefazany. Tena fitahin’ny manodidina azy tokoa ny filohaRajoelina.

Bastaraims Atoms : sarotra aminy le manova toe-tra, mbola tena filoha tsy matotra mihitsy.

Jean Gilex : tsy any ny debat apetraka, ts mitondrafampandrosoana izany. Ny tokony hapetraka diahoe: ahoana ny hiraisana hina ka tena handresenamarina ity coronavirus ity, aretina izay mbola tsy resyfa mbola tena mamono, na lazaina fa efa tratra azany pic.

Vladimir cosma : RECORD DU MONDE @ WE-RAWERA Rajoelina, fa ny zava-bita, tsy misy, mi-zesta amin’ny vola notrosaina.

charles Rakotomalala : sady mifofotra no mivelyvy. Tokony ho mpitarika fotsiny Rajoelina, fa tsy izyno manao io zavatra rehetra io.

norosoa Ravelojaona : sady mankatsy no man-kary, sady filoha tsy manaja ny lalàna izay apetrany.Tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 50, nefaianao mamory olona efa efa an’arivony maro.

John Rakotoson : tena marina ny voalazanao. Fa-naon'ny mpanao politika sasany moa io, hanaovanapropaganda, tsy any amin’ny fitsenana anefa no to-kony hanaovana propaganda, fa tokony rehefa anyamin’ny fizarana. Izao lasa lazain’ny olona hoe: fi-loha kely asa, mitsabaka amin’ny andraikitry nyhafa,... Ho hitantsika eo ny efficacité.

nomena Mihary : kkkkk. Zavatra kely ireo dia tse-naina. Tena kely asa marina. Ary ireo fitaovana ireo,vao nanomboka ny valanaretina no tokony ho efanafarana, fa tsy izao efa lazaina hifarana izao.

Ricky Andriamanjaka : amiko aloha tsy itako loatraNY maharatsy an’ izany fa tsy voatery maka tahakany fitondrana any ampita foana ,izy koa mba respon-sible NY entana nafarany hamonjena antsika, MBAte hahita voalohany izy e!

Ricky Andriamanjaka : mila zaraina ny asa. Tsymaintsy mandray andraikitra daholo daholo ny rehe-tra, fa tsy ianao daholo no misahana ity rehetra re-hetra ity.

soa Kely : mba jerena ihany le "image" e! fa tsy izayzavatra rehetra tonga io dia tsenaina avokoa.Asan’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny CCOizany, izay ny ministry ny intérieur no filohany. Rahany marina izany dia tokony ho ny ministry ny inté-rieur sy ny ministry ny fahasalamana no nitsenaireny entana sy fitaovana ireny, fa tsy ny filoha Ra-joelina Rainidedaka.

Ny tarehi-marika avy eny amin’ny CCO covid 19 omaly.

VAlAnAReTInA coRonAVIRus

niampy 4 ny namoy ny ainy, 103 ny marary mafy

Araka ny tarehi-mari-ka navoakan’ny tenyanivon’ny CCO covid

19 teny Ivato omaly, niam-py 4 ireo olona lavon’nyvalanaretina coronavirusteto Madagasikara, ha-treto izany 156 no matyvokatry ny tsimokaretinacorona. Niampy 80 nytranga vaovao, arak’izanymahatratra 13397 ny olo-na nitondra sy mitondrany tsimokaretina eto Ma-dagasikara hatramin’nynidiran’ity valanaretina ityteto amintsika ny 21 mar-tsa lasa teo. 253 ny si-trana vaovao omaly, arak’izany, 11529 no sitrana ta-

min’ity vlanaretina ity tetoamintsika hatreto. Rah

any marary mafy, n anyantsoina hoe: forms gra-

ves kosa indray, niampy 5izy ireo, hatreto, 103 ireomarary mafy manarakafitsaboana. Raha ny fi-tambaran’ny fitiliana na nytest vita, eo amin’ny 5alina eo izany amin’izaofotoana, amin’ny mponina25 tapitrisa eto Madagasi-kara, azo lazaina ho bitikaihany no vita fitiliana nohoizany. Ny fanaovana fiti-liana betsaka, hahafanta-rana ireo rehetra marayanefa no mora hifeheza-na haingana ity valanare-tina miparitaka maneran-tany ity.

Stefa

Angôvo

Tsy mahavaha mihitsy ny olan’ny mpanjifa ny JIRAMA

Vao niditra tamin’izao ha-mehana ara-pahasalama-na izao ny firenena dianiseho nanome vahao-lana amin’ny fitsinjovanany mpanjifa ny tomponan-draikitry ny orinasa Jira-ma, tamin’ny alalan’nyminisitra misahana ny angôvo. Tamin’izany dia noheverina fa handehaamin’ny laoniny tokoa nysaram-pandaniana sy nyfandoavan’ny mpanjifaizany. Nisy kajikajy no-men’ny minisitra tompo-nandraikitra tamin’nyhaino aman-jery sy sera-sera rehetra nampitànyizany. Nisy ny fitarainananataon’ny mpanjifa tanyamin’ny volana aprily symey tany. Dia namaly iza-ny sy ny vahaolana ataonyny Jirama tamin’ny alalan’ny ministra ihany. Man-draka ankehitriny anefa,dimy volana aty aorianaao anatin’ny hamehana

ara-pahasalamana, tsymivaha ihany ny olan’nympanjifa. Eo ohatra, nyfahatongavan’ny faktiorain-droa isam-bolana, misyefa tsy mampiasa herin’aratra sy kaontera mbolatongavan’ny faktiora iha-ny ary mbola eo ny lazai-na ho fandaniana, misy

tsy mifanaraka amin’nyherin’aratra lany no mbolaanaovana kajy ao anatyfaktiora, misy vola efavoaloa kanefa mbola hitasoritra ao anaty faktioraihany, misy efa anaovanafitarainana kanefa mbolamipoitra ao anaty faktio-ran-jiro ihany, sns... Izany

hoe, n’inona n’inona fita-rainana sy olan’ny mpan-jifa, dia ny eo ihany no eo,ny ataon’ny Jirama ihanyno ataony. Leo sy rerakaaraka izany ny mpanjifaary dia maro no tsy manaofitarainana intsony, tsy ma-ndeha mankany amin’ nyfoiben’ny Jirama toy ny enyAndavamamba, ohatra. Raha jerena izany, dia tsy mahavaha ny olan’nympanjifa velively ny ori-nasa Jirama hatreto. Tsylavina, mety misy voava-hany ihany saingy ampa-hany kely dia kely izany,fa ny maro tsy misy afa-po avokoa. Maro ireo olo-na mpanjifa no mbolamanana olana amin’izaofotoana izao, ary tsy mbo-la hivaha ato ho ato izanyolan’izy ireo izany. Midikaho tsy fahaizan-draha-raha ihany koa izany.

Radafy

Ny foiben-toeran’ny orinasa JIRAMA eny Ambohijatovo.

"Koa amin'izany aza matahotra azy hianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay

tsy ho fantatra."

Matio 10:26

Ny TeNy FiaiNaNa