View
531
Download
18
Category
Preview:
DESCRIPTION
Vintana Malagasy
Citation preview
Arahaba indrindra tonga soa, samy ho tahian’Ilay Ray Mpahary amin’ny Fahasoavany sarobidy. Manasa anao
handray anjara amin’ny fandovana ny fanjakan’Ilay Mpahary izao tontolo izao. Amporisihina fatratra ianao
hampiely izao diary fanambarana manaraka izao arak’izay tratra, mampahery anao amin’ny fahazotoana
manao asa masina. Mankasitraka !
Meilleures salutations, que la Divine Bénédiction du Créateur soit sur nous tous. Votre jonction à l’héritage
céleste n’est certainement pas une vaine chose. Vous êtes ardemment encouragé (e) à une fervente promulgation du
présent diary. D’augustes initiatives recouvriront certainement leurs mérites.
Merci !
AAuutteeuurr :: MM ÉÉ NN AA
TToouuss ddrrooiittss rréésseerrvvééss
DDééppôôtt llééggaall NNoo 0022//33//1111
- 2 -
- 3 -
Teny fanolorana
Faly miarahaba antsika zanak’ity nosy tanindrazana sy lovantsika ity noho
ny volana Adimizana, volana fahafito Malagasy.
Mirary fahasalamana, fahombiazana ary fiainana aombam-pahasoavana
avy amin’ANDRIANANAHARY, Zanahary izay nahary izao tontolo izao, ho
antsika mianakavy.
Eto am-panombohana dia tsy hay ny tsy hankasitraka sy hankatelina ireo
izay liana tamin’ireo boky diary fanisana andro telo voalohany, dia ny diarin’ny
volana voalohany sy faharoa (Alahamady sy Adaoro), fahatelo sy fahefatra
(Adizaoza sy Asorontany), ary fahadimy sy fahenina (Alahasaty sy Asombola) .
Noho ny fampahafantarana maro izay entin’izao fanisana andro izao dia indro
haverina hatrany ny fomba nitondrana izany fanisana andro izany, izay marihina fa
mifanaraka tsara amin’ny toetr’andro maoderina, ary indrindra indrindra
manamarina ny mampitombona ny fomba fijerin’ireo razamben-tsika taloha izay
namela lova sarobidy ho antsika taranaka fara mandimby. Noho izany dia hiezaka
hatrany ny mpanoratra haneho izay azo ho tolorana antsika, ary manantena fa
ahaliana antsika hatrany izany. Noho ny maha tolo-Janahary izao fampianarana
izao, ary araky ny efa voalaza teo aloha, dia mety hahatalanjona izay voarakitra
ato, saingy ny rariny sy ny hitsiny dia ezahina ampiharina hatrany hiverenan’ny
hasina amin’ny laoniny, ato anatin’izao Diary izao ary no hamaliana ireo
fanontaniana maro napetrakareo mpamaky hajaina momban’ny “Diarin’i MENA”
sy izay voarakitra ato anatiny.
Ny fipoiran’ny volana izay tononina hoe tsinam-bolana, no manamarika
ny fiatombohan’ny volana iray izay maharitra efatra herinandro mahery. Satria
tsinan’Asombola (volana fahenina) ny teo aloha, dia mazava ho azy fa miditra
amin’ny volana fahafito isika amin’ity tsinam-bolana manaraka manomboka ny
Md. 04 Martsa 2011 ity, dia ny volana Adimizana izany.
Fankasitrahana lehibe no atolotra antsika maniry ny hanandratra avo ny
haren-tsaina nentim-paharazana tsy ho voavingavinga intsony, ka ho firenena
vanona no ho vantanin’ny taranaka fara mandimby.
Masina ny Tanindrazana
Maro ny haren-tsaina mahakasika ny tetik’asa toy izao, ialàna tsiny
indrindra ny tsy fahampiana na fifanandrifiana izay mety mitranga satria misy
fomba amam-panao avy amin’ny lovan-tsofina samihafa ihany koa no tanterina
etoana. Manentana antsika izay manan-kambara sy maniry hitondra fanampim-
pahalalàna haneho izany amim-pihavanana amin’ny alàlan’ny imailaka
mena.manankasina@gmail.com, na koa SMS ao amin’ny 034 07 868 97, na an-
taratasy ao amin’ny BP 9104 Andranonahoatra Antananarivo 102 -
MADAGASIKARA
Mazotoa indrindra! Ména
`
- 4 -
Le mot de l’auteur
Je suis enchanté de vous saluer, tous enfants et héritiers de la nation, à
l’occasion de l’avènement du volana ADIMIZANA, septième mois Malagasy.
Je vous souhaite mes meilleurs vœux de santé et de réussite, par la grâce
d’ANDRIANANAHARY, Zanahary Créateur de toute chose.
Pour débuter, je tiens à témoigner ma reconnaissance envers ceux qui ont
été intéressé par les précédents livres agendas d’Alahamady à Asombola,
respectivement premier et sixième « volana ». Cette attention m’encourage à aller
de l’avant. Au vu de l’importance et de la valeur des connaissances apportées par
les « Diarin’i MENA », je reprendrai ici encore les instructions permettant
d’utiliser ce calendrier qui tient encore plus sa place en ces temps modernes ;
et surtout, justifiant les principes de son utilisation par nos Ancêtres qui nous ont
dédiés un inestimable héritage. Ceux qui nous ont précédés sur cette île
possédaient un grand savoir provenant d’une réelle concession divine.
C’est la raison pour laquelle je m’efforcerai autant que possible de vous
transmettre mes connaissances qui, j’espère, vous intéresseront. Annoncées
antérieurement, les révélations apportées par cette série de « diary » peuvent être
surprenantes : la logique et la justice doivent primer afin de remettre la sacralité
dans son droit.
La lunaison dite « tsinam-bolana » marque le début du « volana » qui dure
un peu plus de quatre semaines. Le septième « volana » : Adimizana, que nous
entamons, débute ce Md. 04 Mars 2011.
J’apprécie très particulièrement ceux qui projettent de rehausser les
valeurs folkloriques et qui parviendront, finalement, à valoriser la nation pour
l’héritage de nos descendants. Afin de ne pas altérer les valeurs intrinsèques de
certains mots, j’ai préféré garder certains termes que voici :
- Volana : c’est le mois lunaire combiné à son destin
- Andro : c’est le jour lunaire combiné à son destin
- Vintana : c’est le destin
Masina ny Tanindrazana
Nombreux sont les thèmes en rapport avec cette étude, en conséquence,
veuillez je vous prie, excuser les similitudes ou autres omissions puisque c’est la
tradition qui est ici aussi rapportée. J’encourage ainsi ceux qui souhaitent
s’exprimer ou apporter leur soutien aimablement à l’adresse e-mail :
mena.manankasina@gmail.com ou par SMS au 034 07 868 97, ou aussi par lettre
au BP 9104 Andranonahoatra Antananarivo 102 - MADAGASIKARA.
Bonne continuation ! Ména
- 5 -
Izao no voalazan’ny Soratra Masina mikasika ny volana fahafito:
A-FANAVOTANA:
“...Mitenena ny amin’ny fotoam-pivavahana voatendrin’Andriananahary,
izay antsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy... Ny andro voalohany
amin’ny tsinam-bolana dia fivoriana masina, dia tena andro fitsaharana, toy ny
andro sabata... Enina andro (henemana) no hanaovana raharaha; fa ny andro
fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina, aza manao raharaha akory
ianareo fa Sabata (=sabotsy) ho an’Andriananahary eny amin’izay fonenanareo
rehetra izany... Ny andro voalohany(*) amin’ny volana fahafito dia ho andro
fitsaharana ho anareo, dia ampatsiahivina mafy , ho fivoriana masina. Dia mitsofa
anjomara avo feo amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito; dia amin’ny
andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ny taninareo. Aza manao tao-
zavatra akory ianareo, fa manatera fanatitra...Ary amin’ny andro fahafolo
amin’izany volana fahafito izany [ dia ny andro fanavotana], hisy fivoriana masina
ho anareo, ary hampahory ny tenanareo ianareo (fifadian-kanina), ka hanatitra
fanatitra...Ary aza manao raharaha akory amin’izany andro izany, fa andro
fanavotana izany,hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’Andriananahary
Andriamanitrareo. Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin’izany andro izany
dia ho fongorana tsy ho amin’ny fireneny. Ary ny olona rehetra izay manao
raharaha akory amin’izany andro izany dia ho fongorako tsy ho amin’ny fireneny.
Aza manao raharaha akory, ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo
hatramin’ny fara mandimby izany eny amin’izay rehetra honenanareo. Ho tena
andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo hianareo (=mifady
hanina) -manomboka ny fiafaran’ny andro fahasivy amin’ny volana mandra-
pahatapitry ny andro fahafolo- no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo”.
(*)Ny andro voalohany amin’ny Volana fahafito no Taom-baovao Masina ao
amin’ny Soratra Masina.
B- AMPAHAFOLO-KARENA:
“...Mitenena hoe: amin’ny andro faha dimy ambin’ny folo (15e) amin’ny
volana fahafito izany no hiatombohan’ny andro firavoravoana...amin’ny andro
voalohany dia hisy fivoriana masina, aza manao tao-zavatra akory. Hafitoana no
hanateranareo fanatitra, ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho
anareo koa; fara fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory... Ary amin’ny
andro faha dimy ambin’ny folo amin’ny volana fahafito, raha manangona ny
vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho
an’Andriananahary ianareo: ny andro voalohany dia andro fitsaharana , ary ny
andro fahavalo dia andro fitsaharana koa…[Ary ny ampahafolon’ny vokatra
rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny tanim-bary, na avy amin’ny saha, dia
an’Andriananahary, masina ho an’Andriananahary izany]… Ary tandremo izany
ho andro firavoravoana ho an’Andriananahary hafitoana (= fito andro) isan-taona.
Ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izany;
amin’ny volana fahafito no hitandremanareo azy.”
- 6 -
Voici ce qu’affirment les Saintes Ecritures sur le septième mois:
A- EXPIATION :
« … et dis leur: les solennités que vous publierez, seront de saintes
convocations… Le premier jour de chaque nouvelle lune, vous aurez une sainte
convocation , ce sera pour vous un jour férié, comme un sabbat... On travaillera six
jours, mais le septième jour est le sabbat, le jour férié, jour du repos : il y aura une
sainte convocation, vous ne ferez aucun ouvrage : c’est le sabbat
d’Andriananahary, partout où vous habiterez… Le dixième jour du septième mois,
tu feras retentir les sons éclatants de la trompette, le jour des expiations, vous
sonnerez de la trompette dans tout le pays. Le septième mois, le premier du mois,
vous aurez un jour de férié(*), rappelé par une clameur : c’est une sainte
convocation. Vous ne ferez aucun ouvrage servile, et vous offrirez à
Andriananahary des sacrifices… le 10e jour de ce septième mois, ce sera le jour
des expiations, vous aurez une sainte convocation, vous humilierez vos âmes
(jeûne) et vous offrirez à Andriananahary des sacrifices. Vous ne ferez aucun
ouvrage ce jour-là, car c’est le jour des expiations, où doit être faite pour vous
l’expiation devant Andriananahary votre Dieu. Toute personne qui ne s’humiliera
pas ce jour-là sera retranchée de son peuple. Toute personne qui fera ce jour-là un
ouvrage quelconque, je la ferai périr du milieu de son peuple. Vous ne ferez aucun
ouvrage. C’est une prescription perpétuelle pour chaque génération partout où vous
habiterez. Ce sera pour vous un sabbat, un jour férié, et vous humilierez vos âmes,
de la fin du 9e jour à la fin du 10
e jour.
(*)Le premier jour du septième mois est le jour du Nouvel An selon les Saintes
Ecritures.
B- DIME :
« … et dis leur : le quinzième jour de ce septième mois, ce sera la fête des
huttes en l’honneur de Andriananahary, pendant sept jours. Le premier jour, il y
aura une sainte convocation : vous ne ferez aucun ouvrage servile. Pendant sept
jours, vous offrirez à Andriananahary des sacrifices. Le huitième jour, vous aurez
une sainte convocation et vous offrirez à Andriananahary des sacrifices… Le
quinzième jour du septième mois, quand vous récolterez les produits du pays, vous
célébrerez donc une fête à Andriananahary : le premier jour sera un jour férié, et le
huitième jour sera un jour férié…[Toute dîme de la terre, soit des récoltes de la
terre, soit du fruit des arbres, appartient à Andriananahary ; c’est une chose
consacrée à Andriananahary]... vous vous réjouirez devant Andriananahary votre
Dieu, pendant sept jours… Vous célébrerez chaque année cette fête à
Andriananahary, pendant sept jours. C’est une prescription perpétuelle pour toutes
vos générations. Vous la célébrerez le septième mois. »
- 7 -
Ny volana sy ny andro Taranak’ireo mpihavy avy any amin’ny faritr’i Asia sy Afrika, niray tamin’ireo
teto an-toerana nantsoina hoe Vazimba, no nivondrona ho firenena tokana teto
amin’izao nosy izao. Maro noho izany ireo kolon-tsaina nifangaro ka tonga fomba
tokana iraisan’ny teratany. Voalohany indrindra amin’izany ny teny izay nihataka
tsikelikely tamin’ny endrika fototra niaviany, ka niova hanana endrika miavaka ka
lasa tenim-pirenena. Na dia izany aza dia nisy ireo teny izay nanana ny lanjany
manokana ka tsy nisy fiovana firy teo amin’ny fanononana, toy ny fiantsoana ny
Mpahary, ny andro, ny volana, ny fiarahabàna sy ny sisa, ka mampisongadina ny
fototra sy ny soatoavina.
Roa ambin’ny folo isa ny volana ary hafitoana ny faharetan’ny herinandro.
Ny volana:
Ny fipoiran’ny volana (astre) mifanandrify amin’antokon-kitana teny
an’habakabaka no nanomezana anarana ny volana (mois) tany aloha fahagola tany,
izany no tsy mampisaraka ny tetiandro Malagasy amin’ny vintana (vintana dia avy
amin’ny teny hoe kintana). Ireto avy ireo:
Lah. Arabo Malagasy Latin Français
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Al-h’mal
Ath-thaur
Al-dzauza
As-sarat’an
Al-asad
As-sumbula
Al mizan
Al-’aqrab
Al-qaus
Al-djadi
Al-dalu
Al-h’ut
Alahamady
Adaoro
Adizaoza
Asorontany
Alahasaty
Asombola
Adimizana
Alakarabo
Alakaosy
Adijady
Adalo
Alohotsy
Aries
Taurus
Gemini
Cancer
Leo
Virgo
Libra
Scorpio
Sagittarius
Capricornis
Aquarius
Pisces
Bélier
Taureau
Gémeaux
Cancer
Lion
Vierge
Balance
Scorpion
Sagittaire
Capricorne
Verseau
Poissons
*Tsy novaina ny teny vahiny mba hahatsotra ny fikirakirana sy fikarohana
NB : “Diarin’i MENA” dia mitazona ny anaram-bolana Alahamady>Alohotsy
Misy ireo antokon-kitana hita any amin’ny ilabola-tany avaratra tsy
miseho aty amin’ny ilabola-tany atsimo, nefa noho ny sera dia niampita teto ny
fanononana ny anaram-bolana tavaratra ka tonga ho marika fandrefesana ny
tetiandro Malagasy izany. Na dia teny arabo aza no fototra dia hafa mihintsy ny
anaram-bolana silamo. Tsikaritra fa eo amin-drizareo monina ao anatin’ny faritry
ny ila-bola tany avaratra, dia mitoetra hatrany manodidina ny tapatapaky ny volana
Martsa ny fiatombohan’ny lohataona, mandritra io fotoana io kosa (ny volana
Martsa ihany io), dia fotoanan’ny Fararano no hiainan-tsika izay ao anatin’ny
faritry ny ilabola-tany atsimo, izany hoe mifanipaka tanteraka amin’ny toetr’andro
izay miseho any amin’ny faritry ny ilabola-tany avaratra (lohataona) ny
toetr’andro eto amintsika (fararano), mandritra io volana Martsa io: eo amin’ny
taranja jeografia no mampianatra ny momba izany.
- 8 -
Volana et Andro
Issus du métissage des autochtones Vazimba et des immigrés d’origine
asiatique et africaine, les habitants de la Grande Ile ont constitué une nation.
Nombreuses sont alors les cultures qui se sont mixées pour ne former finalement
qu’une seule civilisation gouvernant tous les Malagasy, la langue nationale s’est
ainsi organisée.
Certains mots à valeurs particulières n’ont pas observé de changements
ou mutations, tels que l’appellation du Créateur, le jour, le mois, les salutations,
etc. et qui ont permis de préserver les valeurs essentielles des origines :
le « soatoavina ».
Volana :
Une lunaison apparue dans le cadre d’une constellation a permis
d’indiquer le mois dans les temps anciens. C’est la raison pour laquelle
le calendrier Malagasy ne pourrait être folkloriquement dissociée de la valeur de la
destinée : « Vintana » ou destin vient de « kintana » (étoiles). Volana en tant que
mois lunaire, symbolise directement le destin. Voici donc les 12 volana et
leurs équivalences : Rang Arabe Malagasy Latin Français
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Al-h’mal
Ath-thaur
Al-dzauza
As-sarat’an
Al-asad
As-sumbula
Al mizan
Al-’aqrab
Al-qaus
Al-djadi
Al-dalu
Al-h’ut
Alahamady
Adaoro
Adizaoza
Asorontany
Alahasaty
Asombola
Adimizana
Alakarabo
Alakaosy
Adijady
Adalo
Alohotsy
Aries
Taurus
Gemini
Cancer
Leo
Virgo
Libra
Scorpio
Sagittarius
Capricornis
Aquarius
Pisces
Bélier
Taureau
Gémeaux
Cancer
Lion
Vierge
Balance
Scorpion
Sagittaire
Capricorne
Verseau
Poissons
NB : « Diarin’i MENA » retient les nominations Alahamady > Alohotsy
Certaines constellations ne sont visibles que dans l’hémisphère Nord,
mais les traditions rapportées ont constitué l’ensemble du calendrier. Le nom
des volana, bien que d’origine arabe, diffère des noms de mois musulmans.
Nous remarquons que le signe zodiacal du Bélier qui marque le début du printemps
dans l’hémisphère Nord s’y situe toujours vers la mi-Mars, or dans
la zone ou se trouve notre île, cette période est celle du « Fararano » (équivalent de
l’Automne) : c'est dire que les saisons sont diamétralement opposées.
- 9 -
Ho tsapatsika miandalana eny ihany ny lanjan’ny fametrahana ireo fandaharana
ireo amin’ny hitsiny. Ny mpanjaka Andrianampoinimerina no nampihàtra ny
fanononana ampiasaina ankehitriny. Misy ihany koa fanononana hafa ka mety
hifanandrify toy izao:
Lah. Merina Sakalava Antemoro
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Alahamady
Adaoro
Adizaoza
Asorontany
Alahasaty
Asombola
Adimizana
Alakarabo
Alakaosy
Adijady
Adalo
Alohotsy
Asara be
Vatravatra
Manjoloko
Hatsihia
Biray
Via bikiky
Tihihia
Sakave
Antsotry
Viabe
Fanjava mantsaka
Asara maimbo
Asara be
Vatravatra
Asotry
Hatsihia
Volasira
Fosa
Maka
Hiahia
Fisakamasay
Fisakavy
Volambita
Asara masay
Noho ny fitombon’ny fahalalàna sy ny fivoaran’ny fitaovam-pandrefesana dia tsy
manahirana intsony ny hamantarana ny ora marina hipoiran’ny volana, ka
hisongadina izany ato anatin’izao diary izao.
Ny andro:
Mitovy amin’ny anaram-bolana ihany dia niavy mivantana avy amin’ny teny arabo
ny anaran’ny andro Malagasy. Ny Sabotsy, amin’ny teny hebreo hoe: “sheh’-bah,”
dia mitovy dika : Fahafito.
Lah. Arabo Malagasy Dikany
1
2
3
4
5
6
7
El-ahad
El-ithin
Thalata
El-arbaa
El-khamis
Djummat
Es-sebt
“She’-bah” (hebreo)
Alahady
Alatsinainy
Talata
Alarobia
Alakamisy
Zoma
Sabotsy
Voalohany
Faharoa
Fahatelo
Fahefatra
Fahadimy
Fivoriana
Fahafito
Ny dikan’ireo teny ireo kosa no tsy misy hifandraisany amin’ny dikan’ny anaran’
ny andro avy amin’ny teny latin: ohatra, ny an’ ireo frantsay sy anglisy nanjanaka
antsika fotoana maharitra, izay nampifanandrifiana kapo-be manta tamin’ny
anaran’andro teto an-toerana, ka nanova tanteraka ny soatoavina: a)-ny fanisana
andro nentim-paharazana Malagasy manaraka ny volana manaja ny rindra amin’ny
tontolo iainana sy manome lanja ny sehatra ara-panahy; b)-ny fanisana andro
gregoriana miankina amin’ny masoandro sy ny planeta: siantifika sy ekonomika.
- 10 -
Nous constaterons au fur et à mesure l’importance tant matérielle que
spirituelle de l’ordonnancement adéquat de ces volana que le roi
Andrianampoinimerina avait instauré. Voici quelques équivalences régionales :
Rang Merina Sakalava Antemoro
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Alahamady
Adaoro
Adizaoza
Asorontany
Alahasaty
Asombola
Adimizana
Alakarabo
Alakaosy
Adijady
Adalo
Alohotsy
Asara be
Vatravatra
Manjoloko
Hatsihia
Biray
Via bikiky
Tihihia
Sakave
Antsotry
Viabe
Fanjava mantsaka
Asara maimbo
Asara be
Vatravatra
Asotry
Hatsihia
Volasira
Fosa
Maka
Hiahia
Fisakamasay
Fisakavy
Volambita
Asara masay
L’essor de la connaissance et des progrès technologiques permettent aujourd’hui
de déterminer précisément l’heure de la lunaison sur une zone donnée.
Cette connaissance aura son importance dans cette série de livres agendas
« Diarin’i MENA ».
Andro:
Comme la nomination des volana, celle des andro provient aussi de la
langue arabe. Les andro arborent les destinées des volana. Sabotsy, nom du
septième andro, dérive aussi de l’hébreux « she’-bah » qui signifie Septième.
Rang Arabe Malagasy Signification
1
2
3
4
5
6
7
El-ahad
El-ithin
Thalata
El-arbaa
El-khamis
Djummat
Es-sebt
“She’-bah” (hébreux)
Alahady
Alatsinainy
Talata
Alarobia
Alakamisy
Zoma
Sabotsy
le Premier
le Deuxième
le Troisième
le Quatrième
le Cinquième
la Réunion
le Septième
La signification de ces noms n’a aucun rapport avec la signification des noms des
jours d’origine latine, d’où l’erreur de l’imposition arbitraire d’une concordance
qui a profondément entamé la valeur sacrée de l’andro et indubitablement détérioré
le soatoavina.
- 11 -
Lah. Français Latin Dikany English
1
2
3
4
5
6
7
Lundi
Mardi
Mercredi
Jeudi
Vendredi
Samedi
Dimanche
Lunae dies
Martis dies
Mercurii dies
Jovis dies
Veneris dies
Saturnales dies
Sabbati dies
Di Manes
(Romains)
Dies dominicus
Andron’ny Volana
Andron’i Mars
Andron’i Mercure
Andron’i Jupiter
Andron’i Vénus
Andron’i Saturne
Andro Sabata
Andron’ireo razana
lasan-ko zanahary
Andron’ny Tompo
Monday
Tuesday
Wednesday
Thursday
Friday
Saturday
Sunday
Tsy hiditra lalina amin’ny fanazavana ny dikan’ny teny vahiny isika eto,
saingy tsetsatsetsa tsy aritra ihany no hanazavana izao:
- Ny “SAMEDI” mivantana avy amin’ny “latin” no midika hoe “andron’i
Saturne”. Teo amin-drizareo romana dia misy dika roa ny teny hoe “Saturne”, ireto
avy izany:
a)- Saturne dia planeta manaraka an’i Jupiter amin’ny fahalavirana amin’ny
Masoandro.
b)- Saturne dia andriamanitra “italique” sy “romain” mitovy laharana amin’i
“Cronos” grika. Rehefa noroahan’i Jupiter hiala tany an-danitra hono i Saturne
dia tonga nialokaloka tao “Latium” izay nataony niroborobo fatratra ka tojo
teo amin’ny fara-tampon’ny fahombiazana. “Saturnales” no lanonana enti-
mankalaza an’i “Saturne”.
- Niavian’ny “DIMANCHE” ny “Di Manes”.
“Di”: azo adika hoe andriamanitra (dei) na koa andro (die)
“Manes”:(frantsay:“mânes”) teny manondro ny avelon’ireo nodimandry
- Ny “die”: (englisy:“day”) enti-manambara ny andro dia mazàna nafangaro
amin’ny “dei” izay midika hoe andriamanitra. Ny andro dia “diunum" no filaza
azy.
Arak’izao dia tsy mety ary tsy tokony ho hampitoviana mihintsy ny
tetiandro tena Malagasy manaraka ny Volana, izay manana ny lanjany ara-panahy,
sy ny an’ny vahiny miantehatra manontolo amin’ny Masoandro. Manana ny hasiny
manokana ny tetiandro tena Malagasy.
Ohatra : -ny Vendredi(1) 04 Martsa 2011, andro(2) voalohany(3) tsinana(4) Adimizana(5) dia
ambara hoe :
- V.(1) 04 Martsa 2011 : Alahady(3) vava adimizana(2), tsinana(4) Adimizana(5)
Ny fahalalàna dia enti-misoroka ny fahadisoana tsy mitondra voka-tsoa.
Amin-tsika Malagasy dia “ny fanahy no maha olona”.
- 12 -
Rang Français Latin Signification English
1
2
3
4
5
6
7
Lundi
Mardi
Mercredi
Jeudi
Vendredi
Samedi
Dimanche
Lunae dies
Martis dies
Mercurii dies
Jovis dies
Veneris dies
Saturnales dies
Sabbati dies
Di Manes
(Romains)
Dies dominicus
Jour de la Lune
Jour de Mars
Jour de Mercure
Jour de Jupiter
Jour de Vénus
Jour de Saturne
Jour du Sabbat
Dieux Mânes
Jour dominical
Monday
Tuesday
Wednesday
Thursday
Friday
Saturday
Sunday
Sans verser dans une explication nébuleuse, voici une remarque que je
tiens à souligner :
Samedi provient du latin « Saturnales dies » qui signifie littéralement
« jour de Saturne ». Pour les romains, Saturne possède deux significations :
- a) Saturne est une planète du système solaire.
- b) Saturne est un dieu « italique » et « romain » correspondant à
« Cronos », dieu grec. Selon la légende, après que Jupiter ait chassé Saturne des
cieux, ce dernier trouva refuge à Latium qu’il rendit par la suite très prospère. Les
festivités tendant à honorer le dieu Saturne sont les « saturnales ».
Dimanche provient du latin « Di Manes » :
- « Di » peut signifier jour (« day » en anglais) ou comme dans le cas
présent peut être assimilé à dieu. L’utilisation du terme « Di » est souvent rendue
floue, car de même qu’il a le sens de « jour » (latin dies), ce terme est supposé
indiquer dieu (latin « dei ») ; ce qui engage une confusion volontairement désirée.
- « Manes », en français « mânes », indique l’esprit des outrepassés.
Dimanche peut donc avoir le sens initial de Jour des mânes ou aussi Dieux mânes.
Nous constatons qu’en analysant la signification originelle de ces noms de
jour, la juxtaposition des noms de jour d’origine latine et des noms de jour
Malagasy est une manœuvre quasiment insensée. « Andro » pour le Malagasy
possède ses propres valeurs sacrales tout comme son calendrier lunaire.
En exemple : -le Vendredi(1) 04 Mars 2011, premier(2) jour(3) de la lunaison(4)
Adimizana(5) sera interprétée :
- V.(1) 04 Mars 2011 : Alahady(2) vava adimizana(3), tsinana(4)
Adimizana(5)
En conclusion, la connaissance permet de corriger les erreurs néfastes.
Pour nous Malagasy, « ny fanahy no maha olona » , littéralement : c’est l’esprit
qui fait l’Homme.
- 13 -
Efa hatry ny ela no tsikaritry ny olombelona fa misy fiantraikany eo amin’ny zava-
boahary ny herin’ny masoandro, volana sy kintana. Manana ny toerany izany
fandinihana izany any am-pitan-dranomasina. Tsy latsa-danja amin’izany ny
fandalinana nataon’ireo izay nivelona teto amin’ity nosy mamintsika ity ka
nampita ny vokatrin’ny fahalalàny tamin-tsika taranaka fara mandimby. Ireo
kolon-tsaina tena nentim-paharazana ireo no ezahina ho tanterina ato anatin’izao
Diarin’i MENA izao, satria ny volana, ny andro ary ny ora tsirairay dia samy
manana ny lanjany avokoa eo amin’ny tetiandro Malagasy, noho izany, tsara ny
mamantatra ny fotoana mety anaovan-javatra. Ny olombelona no mpanjakan’ny
zava-manan’aina ary nomen’ny Mpahary fahefana hifehy ny voahary manontolo.
Tsy ny fanararaotana be fahatany izany fahefana izany anefa no hahitana
fahombiazana, fa ny ezaka atao hisian’ny firindrana eo amin’ny tontolo iainana sy
ny fiaraha-monina. Ilay Nahary ny zava-drehetra no efa nametraka ny rindran-
damina sahaza hatrany am-boalohany satria manana ny hasiny ny voahary tsirairay
ka mitahiry hery miafina.
Fanisana andro mifandraika amin’ny tany Malagasy no
hampianarina antsika ato anatin’ny Diarin’i MENA, fitaovana tokana an-
tany sy tsy manan-tsahala, ary indrindra hitondra ho amin’ny fampahalalàna
ny tsiambaratelon’ny faminaniana maro ao amin’ny Soratra Masina.
Hiteraka vokatra soa indrindra ny fanarahan-tsika izany.
Tsy fotoana raikitra toy ny fanisana gregoriana no fiatombohan’ny volana
malagasy fa miovaova araky ny fahatsinan’ny Volana. Miankina amin’ny
fizaran’ny taona kosa no famaritana ny fiandohan’ny volana voalohany, dia eo
amin’ny lohataona izany. Fanaontsika ny mampizara efatra ny taona iray: ny
Lohataona, manaraka ny Fahavaratra, ny Fararano ary ny Ririnina.
- 29 andro sy 12 ora sy 44 minitra sy 2,8 segondra hatrany no
elanelan’ny tsinam-bolana. Ireto avy ireo volana roambinifolo mandrafitra ity
taona Malagasy 2010-2011 ity:
Lah. Volana Daty ny tsinam-bolana Ora
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Alahamady
Adaoro
Adizaoza
Asorontany
Alahasaty
Asombola
Adimizana
Alakarabo
Alakaosy
Adijady
Adalo
Alohotsy
Mercredi 08 Septambra 2010
Jeudi 07 Oktobra 2010
Samedi 06 Novambra 2010
Dimanche 05 Desambra 2010
Mardi 04 Janoary 2011
Jeudi 03 Febroary 2011
Vendredi 04 Martsa 2011
Dimanche 03 Aprily 2011
Mardi 03 May 2011
Jeudi 02 Jona 2011
Vendredi 01 Jolay 2011
Samedi 30 Jolay 2011
13 h 40 mn
21 h 55 mn
08 h 02 mn
20 h 47 mn
12 h 14 mn
05 h 42 mn
23 h 57 mn
17 h 43 mn
10 h 01 mn
00 h 13 mn
12 h 04 mn
21 h 49 mn
- 14 -
Depuis les anciens temps, les humains ont constatés les effets induits par le soleil,
la lune et les astres sur toute la nature, par rapport à la position de notre globe.
Ailleurs, des études très poussées ont été et sont encore entreprises pour percer
nombre de mystères. A Madagasikara, le constat de faits étalés sur une très longue
période (plusieurs générations), a permis aux Anciens de décrire avec certitude
tous les aspects relatifs à chaque période, ce qui leur permettait de composer
efficacement et harmonieusement avec la nature qui constitue la base de son
environnement. Ces savoirs qui ont été transmis très souvent oralement et
généralement par attribution de dons, de génération en génération, font dans ce
diary , non seulement l’objet de rapports théoriques, mais surtout un entraînement
pratique des différentes combinaisons qui s’avère logique, efficace et
nécessaire. Le Créateur a assigné la domination de l’humain sur toute créature
terrestre, pouvoir que l’on est amené à utiliser efficacement si l’on veut bénéfique.
ANDRIANANAHARY, Seigneur Créateur de toute chose a planifié cette
harmonie dès le commencement puisque chaque créature possède son énergie
spécifique.
L’agenda « Diarin’i MENA » est un outil exceptionnel, efficace pour
la pratique de décompte des « andro Malagasy », et, surtout fait unique au
monde, nous révèlera l’interprétation de nombreuses prophéties issues des
Saintes Ecritures.
Le « volana » Malagasy, et à partir de là, les « andro » qui le constituent,
jusqu'à chacune des 24 heures qui composent le « andro » possèdent leurs propres
valeurs et énergies. Chaque lunaison se produit à une intervalle régulière de :
- 29 jours 12 heures 44 minutes et 2,8 secondes.
Le premier « volana » nommé ALAHAMADY, à la tête de tous les suivants, se
situe logiquement dans la période de Lohataona (équivalent du printemps), et
témoigne du recommencement du cycle saisonnier qui pour le Malagasy, comporte
quatre divisions :
Lohataona {littéralement : tête de l’année}, Fahavaratra (équivalent de l’été),
Fararano (équivalent de l’automne), et Ririnina (équivalent de l’hiver).
Les 12 volana qui constituent l’année Malagasy 2010-2011 :
Rang Volana Date de lunaison Heure
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Alahamady
Adaoro
Adizaoza
Asorontany
Alahasaty
Asombola
Adimizana
Alakarabo
Alakaosy
Adijady
Adalo
Alohotsy
Mercredi 08 Septembre 2010
Jeudi 07 Octobre 2010
Samedi 06 Novembre 2010
Dimanche 05 Décembre 2010
Mardi 04 Janvier 2011
Jeudi 03 Février 2011
Vendredi 04 Mars 2011
Dimanche 03 Avril 2011
Mardi 03 Mai 2011
Jeudi 02 Juin 2011
Vendredi 01 Juillet 2011
Samedi 30 Juillet 2011
13 h 40 mn
21 h 55 mn
08 h 02 mn
20 h 47 mn
12 h 14 mn
05 h 42 mn
23 h 57 mn
17 h 43 mn
10 h 01 mn
00 h 13 mn
12 h 04 mn
21 h 49 mn
- 15 -
Teo amin’ny Ntaolo dia manana ny toetrany sy sahany avy ny volana tsirairay, dia
ny Afo, ny Tany, ny Rano ary ny Rivotra, ka miantraika eo amin’ireo andro entiny
izany. Mifamono ny afo sy ny rano, mifandratra ihany koa ny tany sy ny rivotra,
misafotofoto raha miaraka ny rivotra sy ny rano. Mifamelona kosa ny afo sy ny
rivotra, ny tany sy ny rano; tsy mifanoto ny tany sy ny afo.
Eo ihany koa ny vintana lahy sy vavy ka voalaza fa mifanambina raha vintana
sahala no tafaraka.
Hahamora ny fijerena ireo izay mifanaraka sy mifanipaka dia aseho kisary toy
izao ny fandaharana ireo volana ireo:
10-Adijady
vavy
tany
11-Adalo
lahy/vavy
rano
12-Alohotsy
vavy
rivotra
1-Alahamady
lahy
afo
9-Alakaosy
lahy
afo
2-Adaoro
vavy
tany
8-Alakarabo
vavy
rivotra
3-Adizaoza
lahy/vavy
rano
7-Adimizana
lahy/vavy
rano
6-Asombola
vavy
tany
5-Alahasaty
lahy
afo
4-Asorontany
vavy
rivotra
Ny vintana mifanipaka no atao hoe tetezan-tsy efa.
Napetraky ny Malagasy manaraka ny lafin-drindrina efatra amin’ny trano
fonenany ireo volana ireo. Ny eny amin’ny zorony efatra, mitrotro andro telo
(vavany “vv”, vontony “vt”, vodiny “vd”) no ahitana ny:
- Avaratra-Atsinanana: ALAHAMADY
- Atsimo-Atsinanana: ASORONTANY
- Atsimo-Andrefana: ADIMIZANA
- Avaratra-Andrefana: ADIJADY
- Ireo volana valo ambiny kosa dia mitrotro andro roa avy (vavany”vv”;
vodiny”vd”).
- Atsinanana: ADAORO , ADIZAOZA
- Atsimo: ALAHASATY , ASOMBOLA
- Andrefana: ALAKARABO , ALAKAOSY
- Avaratra: ADALO , ALOHOTSY
Recommended