127

Malagasy - Church Triumphnt

Embed Size (px)

DESCRIPTION

Ny Fiangonana Mpandresy Tarafina amin’ny bokin’ny Asan’ny ApostolyA.L. & J. Gill

Citation preview

  • Ny Fiangonana Mpandresy Tarafina aminny bokinny

    Asanny Apostoly

    A.L. & J. Gill

    Qqq.gillministries.com

  • Ireo boky ao aminity Sokajy ity Ny Fahefanny Mpino

    Ahoana no handresena ka tsy ho resy intsony Ny Fiangonana Mpandresy

    Tarafina aminny Bokinny Asanny Apostoly Ny FamatsinAndriamanitra ho aminny Fanasitranana

    Mandray sy Mizara Ny Herinny FanasitrananAndriamanitra

    Ireo fanomezam-pahasoavana ao aminny Asa Fanompoana Apostoly, Mpaminany, evanjelistra,Mpitandrina, mpampianatra

    Fiderana sy Fiankohofana Tonga Mpidera anAndriamanitra

    Fahagaganny Filazantsara Ny DrafitrAndriamanitra Hanatrarana Izao Tontolo Izao

    Modeli-piainana Ao aminny Testamenta Taloha

    Endriky ny Olom-baovao Mahafantatra hoe Iza mo ianao ao amini Kristy

    Ny Fiainana tsy takatry ny saina Aminny Alalanireo Fanomezanny Fanahy Masina

  • Ireo Mpanoratra

    A.L. sy Joyce Gill dia fanta-daza maneran-tany aminny maha Mpandaha-teny sy Mpampianatra Baiboly azy. Ny Asa Fanompoana Apostolikani A.L. dia nitondra azy tany amina firenena maherinny dimampolo maneran-tany, nitory teny mivantana tamina vahoaka iray hetsy mahery sy tamina vahoaka antapitrisany maro taminny alalanny Haino Aman-jery. Maherinny roa tapitrisa ireo Boky sy Asa Sorany lafo any Etazonia. Ampiasaina any amina Sekoly Ara Baiboly sy Seminera maneran-tany ireo bokiny izay voadika amina Fitenim-pirenena maro.

    Ny Fahamarinanny TeninAndriamanitra izay manova fiainana dia tonga any aminny fiainanny hafa aminny alalanny toriteny, fampianarana, asa soratra , horonan-tsary ary horonam-peo. Ny fanehoana ny voninahitra sy ny herinAndriamanitra mahatalanjona ao aminireo seminera ataony aminny alalanny fiderana sy fiankohofana rehefa takatry ny mpino ny fomba hananana fifandraisana akaiky sy fiankohofana marina miaraka aminny Tompo. Maro ireo nahita seha-pandresena vaovao sy faharisihana taminny alalanny lesona mombanny fahefanny Mpino. I Gill mivady dia nanofana kristiana maro hiditra ao aminny asa fanompoana mahatalanjona avy aminAndriamanitra miaraka aminny herinny FanasitrananAndriamanitra manasitrana aminny alalanny tnany. Maro ireo nianatra ny tsy handeha araka ny lalnny natiora rehefa afaka ka hiasa ao aminireo fanomezam-pahasovana sivinny Fanahy Masina any aminny asa fanompoany sy ny fiainany an-davanandro. I A.L sy Joyce dia samy manana marim-pahaizana maitrise aminny Teknolojia. I A.L ihany koa dia manana doctorat aminny Filozofia Teolojika tao aminny Visiona Christian University. Ny Asa fanompoanizy ireo dia manana fototra mafy eo aboninny TeninAndriamanitra, mifantoka amini Jesosy, matanjaka aminny finoana, ary ampianarinny Herinny Fanahy Masina. Ny Asa fanompoany dia fanehoana ny Fitiavana ao am-ponAndriamanitra. Ny toriteniny sy ny fampianarany dia arahanny hosotra mahery, famantarana, fahagaganny HerinAndriamanitra. Ireo izay manatrika ny fivoriana ataony dia mahatsapa fifohazam-panahy anisanizany ny hosotry ny fifaliana, fitomaniana eo anatrehanny Tompo ary ny asa lehibenny hery sy ny voninahitrAndriamanitra .

  • Teny Ho anireo Mpampianatra sy ireo Mpianatra

    Hoy Jesosy : Haoriko ny fiangonako, ary ny vavahadinny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Ity fandalinana ny bokinny Asanny Apostoly ity dia maneho io Fiangonana io miasa ho modely ho anny fiainantsika sy ny asa fanompoantsika ankehitriny. Izy ity dia hanetsika ny mpianatra ka hitarika azy ho aminny seha-piainana mahatalanjona, aminny alalanny famantarana sy fahagagana mitranga eo aminny fiainany andavanandro. Mialohanny ampianarano ity lesona ity, izahay dia manoro anao mba hamaky tsara ny bokinny Asanny Apostoly ambara-pahavonto tsara ny fanahinao. Ilaina koa ireo mpampianatra mba hianatra ireo Epistily ao aminny Testamenta Vaovao satria misy ifandraisanizy ireo amina tranga, toerana, olona, sy fahamarinana hita ao aminny bokinny Asanny Apostoly. Arakaraky ny hafantaranao ireo fahamarinana sy fomba fiainana, ary ny modelinny asa fanompoana ampitainny bokinny Asanny Apostoly no hifindranizany fahamarinana izany ho ao aminny fanahinao. Noho izany ity boky ity dia hanome anao ny drafitra harahana hampitana izany fahamarinana izany aminny hafa. Tsy misaraka aminny mpampianatra mahomby ny fijoroana vavolombelona. Tsy nijoro vavolombelona ny mpanoratra mba hafahanny mpampianatra manovo fanoharana avy aminny traikefany manokana, na avy aminireo olon-kafa izay azonny mpianatra alain-tahaka. Tsy azo adinoina velively fa ny Fanahy Masina no tonga mampianatra antsika ny zavatra rehetra, ka rehefa mianatra isika , na mampianatra, dia mila hatrany mahazo fahafahana sy tari-dlana avy aminny Fanahy Masina. Ity boky ity dia natao ho anny fianarana manokana na iarahana, ireo Sekily ara-Baiboly, sekoly Alahady ary ny vondrom-bavaka ao an-tokatrano. Ilaina manana ity boky ity ny mpampianatra sy ny mpianatra mandritra ny fianarana. Ny boky misy fanamarihana, fehezanteny voatsipika izay nosaintsainina sy notadidina tsara no tsara indrindra. Misy toerana navela ho anareo mba hanaovanareo fanamarihana manokana. Nasina fanoroam-pejy koa ny boky mba hitadiavanareo haingana ny andinin-tsoratra Masina. Io endriny manokana io dia afahanny olona rehetra izay nianatra ity boky ity mampianatra ny hafa. Hoy Paoly tamini Timoty: Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehanny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoly, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. 2 Tim 2:2 Ity fampianarana ity dia natao toy ny fampiharana mivantana ao aminny fampianarana ara-baiboly ao aminny Minisiteranny Asa Fampandrosoana,fomba manokana natao ho any fampianarana voarindra. Io dia voatokana hanatsarana ny fiainana, ny asa fanompana, ary ny fampianaranireo mpianatra aminny ho avy. Aminny alalanity boky ity, afaka mampianatra ny hafa mora foana ireo mpianatra teo aloha.

  • Famoroam-pejy Lesona 1 7

    Ny fiandohan'ny Fiangonana Lesona 2 144

    Ny Fampanantenana ny hery 14 Lesona 3 22

    Ny fahatongavanny Fanahy Masina Lesona 4 288

    Ady noho ny Anarani Jesosy 28 Lesona 5 377

    Ny Planini Jesosy ho anny FiangonanaError! Bookmark not defined. Lesona 6 511

    Ohatra ho anny vanim-potoana ankehitriny Lesona 7 59

    Petera Zozoro Lesona 8 70 Petera Vato Lesona 9 800

    Ny Fahafatesana no hahazoako tombony 80 Lesona 10 88

    Evanjelsira Filipo Leson a 11 944

    Ny fiovam-poni Saoly Lesona 12 1033

    Ny Asa fanompoana sy ny fahafatesani Paoly Lesona 13 1177

    Isika no Fiangonana Mpandresy Tsy misy Famaranana 126

    Dikan-tenini Jacqeline Harrison(Lesona 1,2,6-13) sy Christine Stiff (lesona 3-5)

  • FIZARANA I

    NY FAHATERAHANNY FIANGONANA

  • ~ 7 ~

    Lesona 1

    Ny Fiandohanny Fiangonana

    FAMPIDIRANA AO AMINNY BOKINNY ASANNY APOSTOLY

    Ny Fiandohanny Fiangonana dia voafaritra ao aminny Bokinny Asanny Apostoly. Izay no mahatonga ity lesona ity mifantoka aminny fianarana io boky io. Io boky io dia azo omena anarana hoe; Asanny Apostoly taminny alalanny herinny Fanahy Masina. Na koa, Ny Asanny Fanahy Masina taminny alalanireo Apostoly. Tsy ho vita ny hianatra ny fiandohanny Fiangonana na ny bokinny Asanny Apostoly raha tsy fantatra aloha hoe Iza ny Fanahy Masina. Ny bokinny Asanny Apostoly dia tsy tokony hianarana toy ny boky tantara tsotra, fa boky mirakitra ny planina sy ny tanjonAndriamanitra ho anny Fiangonana ankehitriny. Tsara ny mampahatsiahy fa i Paoly dia nitory ny Filazantsarani Jesosy Kristy taminny Efesiana. Tsara ihany koa ny mahatakatra ny fomba nampahafantarany izany, satria io dia modelinny Fitoriana Filazantsara ankehitriny. Tsy niova modely na fomba fiasa Andriamanitra. Mila mitady fomba hanatrarana ireo manodidina antsika sy izao tontolo izao isika toy ny nataonireo Mpianatra voalohany. Mitovy ny hery azontsika sy ny nomena ireo Mpino voalohany.

    Fizarana roa Azo zaraina roa ny bokinny Asanny Apostoly. Toko 1 ka hatraminny 12 Petera sy ny Asa Fanompoany. Petera Apostolinny Jiosy Toko 13 ka hatraminny 28 Paoly sy ny Asa Fanompoany Paoly Apostolinny Jentilisa.

    Ireo Apostoly Voalohany Maro ireo voalaza ao aminny Bokinny Asanny Apostoly izay hianarantsika sy halaintsika tahaka mba hanaovantsika ny asa fanompoantsika ankehitriny: Petera Stefana

  • ~ 8 ~

    Filipo Paoly

    TANTARANNY BOKINNY ASANNY APOSTOLY

    Fiangonana Fito Lehibe Ireo Fiangonana fito lehibe voalaza ao aminny bokinny Asanny Apostoly dia tany aminny faritri Turquie aminizao fotoana izao. Ivelanio faritra io no nisy ny fiangonani Jerosalema sy Antiokia.

    Lioka , Mpanoratra I Lioka no nanoratra ny bokinny Asanny Apostoly, Mpitsabo Grika avy any Antiokia. Izy no hany Jentilisa nanoratra boky ao aminny Testamenta Vaovao. Arakizany, ny asa sorany dia vokatry ny fikarohana mikasika ireo tantara, am-bava na an-tsoratra momba anI Jesosy. Toa I Lioka no Mpahay Tantaranny Fiangonana voalohany indrindra. Lioka 1: 1- 4 Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny aminny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatraminny voalohany: dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatraminny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.

    Tsy nanoratra mikasika azy manokana i Lioka. Fantatsika fa niaraka tamini Paoly taminny llana sasany nalehany i Lioka, ary taminizany no nanoratany ny bokinny Asanny Apostoly ka izany no nahatonga azy hiteny hoe izahay Asanny Apostoly 16 : 10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka taminizay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny Filazantsara aminny olona any.

    Fantatsika fa Mpitsabo i Lioka:

    Kolosiana 4: 14 Manao veloma anareo Lioka malala, Mpanao fanafody, sy Demasy.

    Nisy fotoana i Lioka irery sisa no niaraka tamini Paoly fa niala avokoa ny hafa rehetra. 2 Tim 4: 11a Lioka ihany no ato amiko.

  • ~ 9 ~

    Ny Fotoana Nanoratana Ny bokinny Asanny Apostoly dia nosoratana manodidina ny 63-65 A.D, ary mirakitra asa fanompoana nandritra ny 30 taona. Ity fianarana ity dia tsy manome fampianarana feno sy mahafapo ny bokinny Asanny Apostoly, fa izy dia mifantoka aminny fiadohanny Fiangonana sy ny fampianarana azontsika sintonina ho anny Fiangonana ankehitriny.

    NY NITENENANA VOALOHANY NY TENY HOE FIANGONANA

    Ny teny hoe Fiangonana dia hita voalohany indrindra ao aminny baiboly fony Jesosy niresaka taminireo Mpianany tany Kaisaria-filipo. Matio 16: 18 Ary izao milaza aminao koa: Ianao no Petera, ary amboninity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadinny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Vao avy nanao ny fanekem-pinoany Petera: Ianao no Kristy, ZanakAndriamanitra Velona. Avy eo Jesosy niteny hoe aminny fahamarinana, eo amboninio vatolampy io no hanorenany ny Fiangonany. Jesosy dia tsy niresaka Fiangonana voalohany avy eo Fiangonana manaraka, fa Fiangonana iray ihany. Zavatra roa no noamafisiny momba izany. Voalohany indrindra, Izy Tenany no hanorina azy. Haoriko ny fiangonako. Faha roa : Ny vavahadinny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Ny vavahadinny helo izay nambarani Jesosy dia ireo fanapahani satana. Hoy Jesosy hoe haoriny ny Fiangonany ary satana tsy hahavita hamotika izany. Ny Fiangonana izay haorinI Jesosy dia Fiangonana matanjaka sy mpandresy.

    Tantaranny Fiangonana Ireo toko 28 ao aminny Bokinny Asanny Apostoly dia mitantara tranga maro teo anivonny Fiangonana izay nolazaini Jesosy fa haoriny, mikasika ny Fanahy Masina. Ny sori-dlany Ny Tanjany Ny Toerany Ny Tanjony (hafahanny mpino manatontosa ny

    Iraka Lehibeni Jesosy )

    Matio 28:19 Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho aminny Anarani Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy Masina.

  • ~ 10 ~

    NY IRAKA LEHIBE Tsy nampianatra ny mpianatra zavatra tsy ho vitany Jesosy. Mialohanny nandaozany ity tany ity, Jesosy dia nanome azy ireo ny toromarika farany izay antsoina hoe Iraka Lehibe ao aminity lesona ity. Marka 16: 15 ary hoy Izy taminy: mandehana any aminizao tontolo izao, ka mitoria ny Filazantsara aminny olombelona rehetra. Ary Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia aminny Anarako izy; hiteny aminny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tnana aminny marary izy, dia ho sitrana ireny.

    Jesosy nampianatra ny mpino mba handeha ho any aminizao tontolo izao hitory ny Filazantsara. Niteny Jesosy fa izay mino ny Anarany dia harahinny famantarana izay manamarina ny teniny. Marka 16:20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitoriteny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny taminny famantarana izay nomba azy.

    Tsy niova ny planinny Tompo. Ankehitriny koa izy dia mbola mangataka antsika mba handeha ho any aminizao tontolo izao hitory ny FilazantsaranI Jesosy Kristy aminny olombelona rehetra. Mila mino isika fa hanaraka antsika ihany koa ireo famantarana sy fahagagana ireo noho ny Anarany.

    Ny ZAVATRA REHETRA ho anny fandresentsika Matio 28: 18-20 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra manao batisa azy ho aminny anarani ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary indro; Izaho homba anareo mandrakariva ambara-pahatonganny fahataperanizao tontolo izao.

    Manana ny fahefana rehetra Jesosy Aminny alalanizany fahefana izany, isika dia

    nantsoina hanao mpianatra ny firenena rehetra Mila ampitaintsika aminy izay rehetra nampianarina

    antsika Mombatsika hatrany Jesosy, aminny toerana

    rehetra, ankehitriny ambara-pahatoganny fahataperanizao tontolo izao.

    Miaraka aminny tanjona hanambara ny Filazantsara aminny olombelona rehetra eto amboninny tany.

  • ~ 11 ~

    NY FAMPAHAFANTARANA NY FANAHY MASINA Jesosy dia hanorina Fiangonana matanjaka izay tsy ho resini satana ka izany no antony maha zava-dehibe ny tokony halalana tsara ny modelinny fiandohanny Fiangonana. Mba hatakarana ny fivelaranny Fiangonana, dia ilaina ny mahafantatra ny antony mahatonga ny Fanahy Masina ho ety an-tany ankehitriny.

    Mpanolo-tsaina Nilaza Jesosy fa tsara ny fialany mba hatongavanny Fanahy Masina: Jaona 16:7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho; dia hirahiko ho aty aminareo Izy.

    Ilay Mpandresy Lahatra Jaona 16 : 8-11 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana : ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ; ny fahamarinana, satria mankany aminny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo ; ny fitsarana, satria ny andriananizao tontolo izao dia efa voatsara.

    Ilaina eo aminny fiainantsika Jesosy dia niteny mba hiandry ny filatsahanny herinny Fanahy Masina eo amintsika mba ho vavolombelony isika eo an-tnanatsika, ny manodidina antsika, ary hatrany am-paranny tany. Asanny Apostoly 1 : 4, 5,8 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala ani Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasanny ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy ; fa jaona nanao batisa taminny rano ; fa ianareo kosa hatao batisa aminny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. Fa hahazo hery ianareo aminny hilatsahanny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy erani Jodia sy Samaria ary hatraminny faranny tany.

    Fanehona ny Telo Izay Iray Mampianatra antsika momba anAndriamanitra Ray ny Testamenta Taloha. Aminny fianarana ny Testamenta Vaovao, isika dia mahita ny asanny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Ao aminireo Filazantsara dia naseho tamintsika ny olona faha roa aminny Trinite: Jesosy; Ilay Zanaka Lahy Jesosy Ilay zanaka Lahy dia naneho ialy olona faha telo: Ny Fanahy Masina. Ny fianarana ny bokinny Asanny Apostoly dia mitarika antsika hahalala bebe kokoa ny Fanahy Masina.

    IREO ASANNY FANAHY MASINA Mitarika

    Jaona 16:13, 14,15 fa raha tonga ny fanahinny fahamarinana, dia izy no hitari-dlana anareo ho aminny marina rehetra ; fa tsy hiteny ho azy

  • ~ 12 ~

    Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa ; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izay rehetra anananny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy aminny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

    Hanome voninahitra ani Jesosy Jaona 16: 14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy aminny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

    Mampianatra sy Mibaiko Asanny Apostoly 1:2 hatraminny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidianny taminny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny.

    Asanny Apostoly 8:29 Dia hoy ny Fanahy tamini Filipo: Andeha manatona ka mankanesa aminio kalesy io.

    Asanny Apostoly 10:19 fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao

    Asanny Apostoly 10:20 fa mitsangana ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala fa Izaho no naniraka azy.

    Asanny Apostoly 10:21 Ary Petera nidina tany aminireo olona ireo ka nanao hoe : inty aho izay tadiavinareo ; inona no antonny ahatongavanareo aty ?

    ;

    Manavaka sy Maneho Asanny Apostoly 13:2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho anny Tompo sy nifady hanina ire, dia hoy ny Fanahy Masina: atokany ho ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.

    Mampahery sy Mampirisika Asanny Apostoly 9:31 dia nanam-piadanana ny Fiangonana erani Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nadeha taminny fahatahorana ny Tompo sy fampirisihanny Fanahy ka niahamaro.

    Manome Hery Mba ho vavolombelona

    Asanny Apostoly 1:8 fa hahazo hery ianareo aminny hilatsahanny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloka any Jerosalema sy erani Jodia sy Samaria ary hatraminny faranny tany

    Mba hiteny aminny fiteny tsy fantatra Asanny Apostoly 2:4 ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny taminny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenanny Fanahy Masina azy.

    Mba hahazona nofy sy fahitana Asanny Apostoly 2:17 Ary aminny andro farany, hoy Andriamanitra no handatsahako ny Fanahiko aminny nofo rehetra; ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana ary ny lahiantitrareo hanonofy.

  • ~ 13 ~

    Mba haminany Asanny Apostoly 2:18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handatsahako ny fanahiko aminizany andro izany, ka dia haminany izy.

    FANONTANIANA HO VALIANA 1. Inona no lesona tsara ho tadidina indrindra ao aminny bokinny Asanny Apostoly. Ahoana

    no fomba tokony hianarana azy ?

    2.Midika inona ny hoe Iraka Lehibe ? Tanisao ireo zavatra ilaina tadidina

    3.

    Manomeza anjara asanny Fanahy Masina eo aminny fiainanny mpino, telo fara fahakeliny

  • ~ 14 ~

    Lesona 2

    Ny Fampanantenana ny Hery

    HERY INONA ? Feno ny Fanahy Masina Jesosy ary izy nampanantena io Hery io ho anireo mpino. Jaona 16:7 Fa Izaho mialaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo izy.

    Asanny Apostoly 1:8 fa hahazo hery ianareo aminny hilatsahanny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloka any Jerosalema sy erani Jodia sy Samaria ary hatraminny faranny tany

    Ny loharanonizany hery izany Jeosy dia nampanantena fa handefa io Fanahy Masina io, izay loharanonny heriny, nandritra ny fandalovany tety amboninny tany.

    Romana 8:11 Ary raha ny Fanahinizay nanangana ani Jesosy taminny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana ani Kristy Jeosy taminny maty no hamelona ny tenananreo mety maty aminny fanahiny; Izay mitoetra ao anatinareo.

    Nampanantena Jesosy fa handray izany hery izany koa isika ka ho afaka ny hanao zavatra mitovy aminny nataony: Jaona 14:12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany azany aza izy, satria Izaho mankany aminny Ray.

    Ny Hery Mampandresy Ny mpino tsirairay avy dia tonga singa iray manandanja ao aminny Fiangonany, ary aminny maha mpikambana azy ao, izy dia mila fenoina ny Herinny Fanahy Masina mampandresy. Matio 16: 18 Ary Izaho milaza aminao koa: Ianao no Petera, ary eo amboninity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadinny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy.

    Ny Herinny Fanahy Masina Raha te handresy eo aminny fiainana tahaka ani Jesosy koa isika, dia mila mand tsy hiaina araka ny herintsika manokana. Jesosy namepetra mafy ny mpianany mba hiandry ny Herinny Fanahy Masina. Asanny Apostoly 1:4 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala ani Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasanny Ray, izay efa renareo tamiko.

  • ~ 15 ~

    Izany Hery Izany ihany Nanontany ireo mpino tao Efesosy i Paoly raha toa ka efa noraisinizy ireo ny herinny Fanahy Masina taminny fotoana nanekeny ani Jesosy Kristy ho mpamonjy azy ireo, na nanomboka taminizay fotoana izay. Io hery io ihany no ambara eto. Asanny Apostoly 19: 2,6 Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo ? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.

    Ary rehefa nametrahanI Paoly tnana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina ary niteny taminny teny tsy fantatra izy sady naminany.

    Mila ny Herinny Fanahy Masina avokoa ny mpino rehetra. Jesosy sy ireo mpino voalohany dia nila izany Hery izany. Isika ihany koa dia mila ny Herinny Fanahy Masina eo aminny fiainantsika ankehitriny.

    JESOSY NO MODELY HO ANTSIKA Mila fantarina ny fomba niasanny Fanahy Masina taminny alalani Jesosy mba hafantarana ny fomba fiasany taminny alalanireo olonny Testamenta Vaovao, sy ny fomba tiany hiasana aminny alalantsika ankehitriny. .

    Nohosoran ny Fanahy Masina Asanny Apostoly 10: 38 izay nohosoranAndriamanitra taminny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azonny herinny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.

    Jesosy dia modely ho anny mpino eo aminny sedra rehetra. Izy no modelintsika aminny: mpampianatra Ny batisanny rano mpanompo Ny fakampanahy mpitarika Ireo fifandraisana manokana mpiandry tsara fandrindrana ny laharam-

    pahamehana mpanasitrana ireo fijoroana vavolombelona mpitantana Ny fanekena ny fahefana ny fanenjehana ny fahafatesanny tena ny fanetre-tena ny fangoraham-po ny fitiavana ny fahatezerana ara-drariny ny fampifalifaliana ny alahelo

  • ~ 16 ~

    Jesosy no modelintsika aminny sehatra rehetra ary isika dia nohosoranny Fanahy Masina tahaka Azy.

    Mba hitory sy hanasitrana Lioka 4:18,19 Ny Fanahini jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly aminny malahelo Izy ; Naniraka Ahy hitory fandefasana aminny mpifatotra Izy,sy fampahiratana aminny jamba, hanafaka izay nampahoriana, hitory ny taona ankasitrahani Jehovah.

    Tahaka ani Jesosy, isika dia mila miasa miaraka aminny Herinny Fanahy Masina. Jesosy dia modely ho anireo mpianany taminny nihetsehany niaraka taminizany Hery izany. Talohanny nianaranizy ireo avy taminny fampianarany dia nianatra avy taminny asany aloha izy. Asanny Apostoly 1:1 Ry Teolofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny aminizay nataoni Jesosy sy nampianariny.

    Ohatra tonga lafatra ho antsika Jesosy, satria olombelona Izy no nanao ireo asa ireo teny an-tany fa tsy taminny maha Andriamanitra Azy. Tena olombelona nofo aman-dra Izy no sady Andriamanitra ihany koa.

    NofohananAndriamanitra ny Tenany Filipyna 2 : 5-7 Aoka ho ao aminareo izao saina izao izay tao amini Kristy Jesosy koa, izay, na dia nanana ny endrikAndriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana aminAndriamanitra, fa nofohanany ny tenany taminny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana aminny olona.

    Ny Fahefana, fanapahana sy fanjakana rehetra misy eto an-tany dia nomena ny lehilahy sy ny vehivavy fony Andriamanitra namorona ani Adama sy Eva. HazoninAndriamanitra ny fahefany sy ny fanjakany aminny voary rehetra. Fa kosa, nomeny fahefana feno eto an-tany i Adama sy Eva. Genesisy 1 :26 ;28 Ary Andriamanitra nanao hoe : andeha Isika hamorona olona tahaka ny endrintsika ,araka ny tarehintsika ;ary aoka izy hanjaka aminny hazandrano ao aminny ranomasina sy ny voromanidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka aminny tany.Ary Andriamanitra nitsodrano azy hoe :Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany ,ka mampanompoa azy ;ary manjaka aminny hazandrano ao aminny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika amboninny tany.

    Raha toa ny anton-diani Jesosy ka haka izany fahefana izany, izay nangalarini satana, ka hamerina azy indray aminny olona ; dia tsy maintsy manao ny asany aminny maha olona azy Izy fa tsy aminny maha Andriamanitra Azy.Noho izay antony izay, sy mba hafahany misolo tena antsika marina, dia tonga teto an-tany ho olona Izy, Ilay Adama Farany.

  • ~ 17 ~

    Tonga Adama farany sy zanakolombelona Izy 1 Korintiana 15:45 Ary arakizany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manana aina; Adama farany, natao fanahy mahavelona.

    Jesosy dia nanana fahefana tety ambonny tany satria Izy dia zanakolona Jaona 5:25-27 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesanny maty ny feonny ZanakAndriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy; ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanakolona.

    Taminny maha zanakolona Azy, ilay Adama Farany ary satria koa natao ho olona Izy ka namoy ny zony sy ireo tombontsoany rehetra aminny maha Andriamanitra Azy, dia tonga ohatra tonga lafatra Jesosy. Tsara ny manamarika fa tsy nisy fahagagana nitranga teo aminny fiainani Jesosy olombelona talohanny nandraisany ny Herinny Fanahy Masina. Arakizany, Jesosy, ilay modely tsara indrindra, dia nila izany Hery izany. Tena mila mandray izany Hery izany eo aminny fiainantsika isika.

    Tsy nanao na inona na inona ho Azy Jesosy Nilaza Jesosy fa tsy afaka nanao zavatra taminny alalanny tenany manokana Izy. Jaona 5:19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe; Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, Ny Zanaka dia tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataonny Ray; fa na inona na inona no atonny Ray dia toy izany koa no ataonny Zanaka.

    Nohosoranny Fanahy Masina Nohosoranny Fanahy Masina Jesosy mba hamita ny sitraponAndriamanitra: Lioka 4:18 Ny Fanahini Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly aminny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana aminny mpifatotra Izy,sy fampahiratana aminny jamba, hanafaka izay nampahoriana, hitory ny taona ankasitrahani Jehovah.

    Asanny Apostoly 10:38 Izay nohosoranAndriamanitra taminny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehadeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azonny herinny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.

    Ny Fanahy Masina, Mpanao fahagagana Tsy voatery ho hita maso eo Jesosy vao afaka ny hanao fahagagana. Io Fanahy Masina izay nanosorana ani Jesosy io dia eo amintsika koa ankehitriny mba hanome fahefana feno ny mpino.

  • ~ 18 ~

    Jaona 14:12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany aminny Ray.

    Jesosy dia nampanantena ireo izay mino Azy fa, rehefa mankany aminny Ray Izy, dia handefa ny Fanahy Masina ho anizy ireo. Izy ihany koa dia niteny fa rehefa mahazo ny Fanahy Masina izy ireo, dia ho tonga vavolombelony, hanao asa mitovy aminizay nataony tao aminny Herinny Fanahy Masina.

    Jesosy voafetranny tsy fahampianny finoanireo Marka 6:1-5 Ary niala teo Izy ka tonga tany aminny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany. Ary rehefa tong any sabata, dia nampianatra ato aminny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: taiza no nazahoanilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataonny tnany izao? Tsy ilay mpandrafitra zanakI Maria, ary ny rahalahinI Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy ety amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy Iizy. Fa hoy Jesosy taminy, tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo aminny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany. Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tnany taminny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.

    Vahoaka maro no nanatrika teo, maro ireo izay nila fanasitranana. Nefa vistyy foana no nositraninI Jesosy. Inona no antony? Vokatry ny tsy finoana. Miasa aminny alalanny Finoana ny Fanahy Masina! Noho izany Izy dia notarihinny Fanahy Masina hankany aminny olona izay nanana finoana. Maro ankehitriny no tsy mahomby aminny famitana ny asani Jesosy. Tsy nandray ny Herinny fanasitranana izay nanananI Jesosy izy ireo vokatry ny tsy fahampianny finoany.

    BOKINNY ASANNY APOSTOLY TOKO VOALOHANY

    Teny fikasana Voalohany Ao aminny Bokinny Asanny Apostoly toko voalohany dia misy teny fikasana roa. Ny iray voalohany dia mikasika ny fahatongavanny herinny Fanahy Masina. Tsara ny manamarika fa i Lioka dia nanomboka ny bokinny Asanny Apostoly taminny fihafaranny asa fanompoani Jesosy tety amboninny tany. Ny Filazantsarani Lioka dia mifarana aminny tenini Jesosy: Lioka 24:49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasanny Raiko ho anareo; fa mitoer eto an-tnana mandra-panafy anareo hery avy any aminny avo.

  • ~ 19 ~

    Manomboka aminio teny io koa ny bokinny Asanny Apostoly. Asanny Apostoly1 :4,5 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra Azy tsy hiala ani Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasanny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy ; fa Jaona nanao batisa taminny rano ; fa ianareo kosa hatao batisa aminny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy.

    Dia notohizany: Asanny Apostoly 1 :8 Fa hahazo hery ianareo aminny hilatsahanny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy erani Jodia sy Samaria ary hatraminny faranny tany.

    Teny Fikasana faha roa Ny teny fikasana faha roa dia mikasika ny fiverenani Jesosy ety an-tany. Nandritra ny vanim-potoanny Fiangonana, ny mpino dia niandry sy nanantena ny fiverenani Jesosy tety amboninny tany. Asanny Apostoly 1:10, 11 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo taminny nandehanani Jesosy, indreo nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe: ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.

    Ao aminio toko voalohany io ihany, eo aminny andininy faha 8, Jesosy dia nampanantena antsika ny herinny Fanahy Masina mba ho vavolombelona mandresy ety an-tany isika. Ao aminny andininy faha 2, isika dia nampaherezina aminny fampanantenana ny aminny fiverenanI Jesosy.

    Ny Fihafarani Jodasy Raha teo ampiandrasana ny fahatongavanny Fanahy Masina ny mpino, Petera dia niresaka ny amini Jodasy mba hanaporofo ny fahatanterahanny faminaniana hatraminny fahafatesany.

    .

    Asanny Apostoly 1:20 Fa voasoratra ao aminny bokinny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, ary aoka tsy hisy olona honina ao.

    Ny Fiangonana voalohany dia tsy nandefitra na niray petsapetsa tamina fahotana. Tokony ho toy izany koa isika ankehitriny. Tsy nilana fepetra ara-pitsipi-pifehezana ny zavatra nataoni Jodasy sady izy rahateo dia efa nitsara ny tenany. Tohinny famakiana ny faminaniani Davida, nankatoa ny Teny ny rehetra ka nisy Apostoly iray hafa nofidina hisolo ani Jodasy. Andriamanitra irery no afaka mifidy Apostoly. Izany no nahatonga ny safidy ho olona roa taminny voalohany, ary nangataka taminAndriamanitra izy ireo mba hifidy izay tena izy marina raha nanao ny filokana.

  • ~ 20 ~

    Voafidy i Matia Asanny Apostoly 1:23-26 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia. Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Ianao, Tompo , izay mahalala ny fonny olona rehetra, asehoy izay nofidinao aminizy roa lahy ireto, mba hahazoany anjara aminizao fanompoana sy ny maha-Apostoly izao, izay nialani Jodasy hankanesany any aminny fitoerany. Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamini Matia ny filokana ary izy no lany ho isanny Apostoly iraika ambinny folo lahy.

    NY ANTONNY NAHATONGAVANNY FANAHY MASINA

    Hanao batisa Ny Fanahy Masina dia manao batisa antsika amina fofonaina iray mba ho tonga tena iray: ny tenani Kristy. 1 Korintiana 12 :13 fa fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray,na Jiosy na Jentilisa,na andevo na tsy andevo ;ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.

    Tonga mba hanao ny fanahinny mpino tsirairay ho fonenany Izy. 1 Korintiana 6:19-20 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolinny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo taminAndriamanitra? Ka tsy tomponny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalaz anAndriamanitra aminny tenanareo.

    Hanome Fahefana feno Tonga hanome fahefana feno ho anny mpino Izy: Asanny Apostoly 1:8 Fa hahazo hery ianareo aminny hilatsahanny Fanahy Masina aminareo; ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy erani Jodia sy Samaria ary hatraminny faranny tany.

    Mpanazava Manazava ny masonny fonny mpino Izy. Efesiana 1: 17-23 Mba homenAndriamanitri Jesosy Kristy Tompontsika, Rainny voninahitra, ho anareo ny fanahinny fahendrena sy ny fanambarana aminny fahalalana Azy tsara, ary mba hampahiratana ny masonny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy aminny fiantsoany sy izay harenanny voninahitry ny lovany eo aminny olona masina, ary ny fihoaranny halehibenny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiasanny herinny faherezany,.

    Manangana aminny maty Izay nataony tao amini Kristy taminny nananganany Azy taminny maty sy ny nampitoerany Azy eo aminny tnany an-kavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy aminizao fiainana izao ihany , fa aminny ho avy koa, dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambaninny tongony Izy ka nanao azy ho

  • ~ 21 ~

    lohany manapaka ny zavatra rehetra ho anny Fiangonana, izay tenany dia ny fahafenoanizay mameno izao zavatra rehetra izao aminny rehetra.

    FANONTANIANA HO VALIANA 1. Inona avy ireo teny fikasana roa lehibe voalaza ao aminny Asanny Apostoly toko

    voalohany ?

    2. Mba hamitana karazana asa toa inona no nandraisanny mpino fahefana feno aminizao androntsika izao ?

    3. . . . Milaza zavatra efatra izay ataonny Fanahy Masina eo aminny mpino.

  • ~ 22 ~

    Lesona 3

    Ny Fahatongavanny Fanahy Masina

    NY BATISANNY FANAHY MASINA

    Asanny Apostoly 2:1-4 Ary nony tonga ny andro pantekosta, dia teo aminny fitierana iary izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra-toy ny rivotra mahery nifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehinafo niseho taminy izay nizarazara; ary nipetraka taminizy rehetra isanolona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny taminny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenanny Fanahy Masina azy.

    .

    Fiteny tsy fantatra Ny fiteny tsy fanatatra dia famantarana fa nandray ny Fanahy Masina ny olona iray. Araka izay voalazani Lioka, feno ny Fanahy Masina vokoa izay rehetra nanatrika teo ka nanomboka niteny taminny fiteny maro samihafa. Nomenny Fanahy Masina azy ireo izany fanomezam-pahasoavana izany. Ny fitenenana aminny fiteny tsy fantatra dia mariky ny batisanny Fanahy Masina, ary manambara ny Soratra Masina fa nahazo izany avokoa izy rehetra. Marka 16:17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino : hamoaka demonia aminny Anarako izy ; hiteny aminny fiteny izay tsy mbola hainy izy.

    FanomezanAndriamanitra Ny fanomezam-pahasoavanny fiteny tsy fantatra dia iray aminireo fanomezanAndriamanitra ho anny Fiangonana. Misy maromaro afaka miteny amina fiteny maro samihafa mba hampandrosona ny tena, ny Fiangonana.

    1 Korintiana 14:2, 4, 14 fa izay miteny aminny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny aminolona fa aminAndriamanitra. Fa aminny Fanahy no itenenany zava-mihafina, ka tsy misy olona mahalala. Izay miteny aminny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa dia mampandroso ny Fiangonana. Fa raha mivavaka aminny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.

    AminAndriamanitra mivantana. Ny fiteny tsy fantatra dia natao hivavahana sy hanompoana, izay mivantana avy ao aminny fanahintsika ho aminAndriamanitra. Rehefa mivavaka aminny fiteny tsy fantatra isika, dia miresaka aminAndriamanitra fa tsy aminny olona. Tsy takatry ny olona izany fiteny izany.

  • ~ 23 ~

    Fiteninny lanitra hiresahanny fanahintsika aminAndriamanitra izany.

    Mampandroso antsika Rehefa mivavaka aminny fiteny tsy fantatra isika, dia manampy ny tenatsika hitombo ara-panahy. Mila mivavaka isika mba ho afaka hamantatra ny hevitry ny fiteny tsy fantatra ampiasaintsika mandritra ny vavaka. 1 Korintiana 14: 13, 14 Koa aoka izay miteny aminny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. Fa raha mivavaka aminny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.

    Famantarana hoa nireo tsy mpino 1 Korintiana 14 :22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana aminny tsy mino, fa tsy aminny mino ; fa ny faminaniana kosa dia aminny mino, fa tsy aminny tsy mino.

    Fanomezanny Fanahy Rehefa miseho ao anatinny fivoarianny be sy ny maro ny fanomezam-pahasoavana miteny aminny fiteny tsy fantatra, dia tokony hisy hatrany fandikan-teny mba ho fampandrosona ny Fiangonana. 1Korintiana 14:26-28 Ahoana ary no izy, ry rahalahy? raha miangona ianareo, misy ta hanao hira ianareo, misy ta hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosona. Raha misy miteny aminny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny. Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo aminny Fiangonana; fa aoka hiteny aminny tenany sy aminAndriamanitra ihany izy.

    Rehefa misy hafatra aminny fiteny tsy fantatra, dia tys ny olona intsony no miresaka aminAndriamanitra, fa Andriamanitra nomiresaka aminny olona. Noho izany io hafatra io dia tokony hiarak aminny fanomezam-pahasoavanny fandikan-teny hatrany.

    Fanomezam-pahasoavana voalohany Ny fiteny tsy fantatra no fanomezam-pahasoavanny Fanahy Masina azontsika rehefa nandray ny Fanahy Masina isika. Ny vavaka aminny Fiteninny lanitra izay ataontsika aminny ray dia hanokatra ny fanahintsika mba handray ireo fanomezana valo hafa.

    Eny, manakana ny fitenenana aminny fiteny tsy fantatra satana. Raha vitany ny manakana kristiana tsy ampiasa io fanomezam-pahasoavana io, dia azony atao koa ny manakana ireo fanomezam-pahasoavana hafa.

  • ~ 24 ~

    Bien sr satan sest attaqu au parler en langues. Sil parvient empcher un chrtien dutiliser ce don de lEsprit, alors il pourra lui interdire laccs aux autres dons. Tsy miresaka mihitsy ny Soratra Masina hoe nitsahatra ny fitenenana aminny fiteny tsy fantatra sy ny fanomezam-pahasoavanny fandikan-teny. Tsy misy porofo manamarina izany. Hitsahatra ny fanomezam-pahasoavanny fiteny tsy fantatra rehefa tonga ilay tanteraka, Jesosy, ka ho iray ihany ny fitenintsika rehetra.

    Aza sakanana izy Ny fiteny tsy fantatra ihany no fanomezam-pahasoavana tokana nambara fa tsy azo rarana.1 1 Korintiana 14:39 Koa aminizany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny aminny fiteny tsy fantatra.

    NY TANJONANDRIAMANITRA AMINNY FITENY TSY FANTATRA Iray fiteny ny olona tany ampiandohana.

    Fiombonana Genesisy 11:1-6 Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany aminny tany Sinara izy ka nonina teo. Ary niresadresaka hoe izy: andeha isika hanao biriky ka handoro azy tsara. Ary ny biriky nataony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra? Ary hoy izy: andeha isika hanao tanna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hhazoantsika laza, fandrao hiely eny amboninny tany rehetra isika. Dia nidina Jehovah hizaha ny tanna sy ny tilikambo, izay nataonny zanakolonbelona. Ary hoy Jehovah: Indro iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohanny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.

    Tsy fifankahazona Hoy Jehovaha hoe raha iray fiteny ny olona dia tsy misy na inona na inona tsy ho vitany, na toy inona na toy inona habenny tanjony. Nanomboka taminny fahalavonny olombelona, dia ny fahotana no nampiray azy ireo. Izany no antony nahatonga ani Jehovah nitondra fifanjevona teo aminny taminny nanovany ny fiteninireo. Genesisy 11:7,8 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahalala teny izy. Dia tao no nampielezanI Jehovah azy hiala ho eny amboninny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanna intsony izy.

    1 Ho fandalinana ireo fanomezam-pahasoavana sivy, dia jereo ny boky

    fiainana tsy takatry ny saina aminny alalanny fanomezam-pahasoavanny Fanahy Masina nosoratani A.L & J. Gill.

  • ~ 25 ~

    Lasa tsy nifankahazo resaka intsony izy ary nifarana teo ny firaisankinany, vokatrizany dia nitsahatra ny fikasany hanangana tanna. Ny endriky ny firaisankina izay nampiombona azy dia asanI satana tao aminny sehatry ny fanahy. Izany no nahatonga anAndriamanitra nampitsahatra azy ka nasiny ny tsy fifankazahona

    Fiombonana eo ambaninny fitarihanny Fanahy Rehefa mivavaka aminny fiteny tsy fantatra ny mpino, dia mihetsika ao aminny fiombonana, sy ny fifanarahana aminAndriamanitra. Mitsaoka anAndriamanitra ny fanahiny. Rehefa miara mivavaka aminny fiteny tsy fantatra ny mpino, dia miditra aminny fiombonam-panahy amna mpino hafa izy. Ao aminizany fiombonana izany sy aminny alalanny hetsiky ny Fanahy Masina, ny mpino dia manangana Fiangonana vaovao eo ambany fitarihanAndriamanitra.

    NY FANAHY MASINA REHETRA NORAISINA NANDRITRY NY BOKINNY ASANNY APOSTOLY

    AO aminny bokinny Asanny Apostoly, dia hita fa nisy olona novonjena, nadray ny Fanahy Masina, ary niteny taminny fiteny tsy fantatra.

    Voalohany indrindra ho anny Jiosy Namepetra ny mpino Jesosy mba hiandry ny fahafenonny Fanahy Masina mialohanny hanomboanizy ireo ny asa fanompoana. Taminny andro Pantekosta, dia tafangona tao aminny efitrano ambony izy rehetra raha tonga voalohany ny batisanny Fanahy Masina. Asanny Apostoly 2:4 Ary samy feno ny Fanahy Masin aizy rehetra, ka dia niteny taminny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenanny Fanahy Masina azy.

    Manaraka ny Samaritana Filipo, ilay diakona, dia nidina tany aminny Samaritana. Nino anI Jesosy izy ireo ka dia novonjena. Dia tonga ireo Apostoly avy tany Jerosalema ka nametra-tnana taminizy ireo ka dia feno ny Fanahy Masin izy. Asanny Apostoly 8:15-17 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho anny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza, fa natao batisa taminny anaranI Jesosy Tompo ihany izy. Ary izy roa lahy nametra-tnana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.

    Taminny fahavalony Saoly, ilay lehibenny mpanenjika ny Fiangonana, dia teny an-dlana hankany Damasy mba hisambotra ny kristiana no nahita fahazavana nanelatselatra nanodidina azy ka lavo taminny tany izy. Nifanena tamini Jesosy izy. NirahinAndriamanitra ho azy i Ananiasy, izay nametra-

  • ~ 26 ~

    tnana taminy ka dia nandray ny batisanny Fanahy Masina i Saoly. Asanny Apostoly ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tnana taminy ka nanao hoe : Ry saoly rahalahy, ny Tompo dia Jesosy Izay niseho taminao teo aminny llana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratanny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.

    Taminny Jentilisa In-telo misesy i Petera no nahita fahitana narahina baiko hoe Izay efa nodiovinAndriamanitra dia aza ataonao ho fady. NirahinAndriamanitra hankany aminny ankohonani Kornelio, kapiteninny miaramila Romana izy. Asanny Apostoly 10:44-46 raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka taminizay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. Ary talanjona ny mino isanny voafora izay niaraka tamini Petera, satria nilatsaka taminny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Fa nandre azy niteny taminny fiteny tsy fantatra sy nankalaza anAndriamanitra izy.

    Matetika dia ampianarina fa ny batisanny Fanahy Masina tonga aminny fotoanny famonjena ary tsy asan Andriamanitra miavaka izany. Nambara koa fa ny fanomezam-pahasoavana miteny aminny fiteny tsy fantatra dia taminny andronny Pantekosta ihany. Nefa, ny batisanny Fanahy Masina sy ny fiteny tsy fantatra tany Kaisaria dia tranga izay niseho folo taona tao aorianny Pantekosta.

    Tany Efesosy Nandray ny Fanahy Masina sy nataony batisa ny mpino tao aminny fiangonani Efesosy tao aorianny patekosta izay fotoana voalohany nidinanny Fanahy Masina. Asanny Apostoly 19:2-6 Ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? fa ireo nanao taminy hoe : tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. Ary hoy i Paoly: ho amininona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho aminny batisanI Jaona. Fa hoy I Paoly: Jaona nanao ny batisanny fibebahana ka nilaza taminny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho aminny anaranI Jesosy Tompo. Ary rehefa nametrahanI Paoly tnana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny taminny fiteny tsy fantatra izy sady naminany.

  • ~ 27 ~

    ENDRIKA ISEHOAN NY FANAHY MASINA

    Voromailala Nisy voromailala nidina teo ambonini Jesosy rehefa nataoni Jaona batisa tao aminny onini Jordana Izy. Lioka 3:22 Ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka naka endriny tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ianao no zanako malalako; ianao no sitrako.

    Rivotra Taminny andronny pantekosta, dia tonga taminny alalanny ny rivotra mahery mifofofofo Ny Fanahy Masina. Asanny Apostoly 2:2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.

    Afo Taminny andro Pantekosta, izy ireo dia nandre ilay rivotra sy nahita lela maro mitarehinafo. Asanny Apostoly 2:3 Ary nisy lela maro mitarehinafo niseho taminy; izay nizarazara; ary nipetraka taminizy rehetra isanolona izany.

    Ny diloilo dia endrika anehona ny Fanahy Masina. Ao aminny epistily ho anny Hebreo dia misy ny Diloilo fifaliana. Hebreo1:9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia efa naoso-diloilo fifaliana Anao.

    Rano Ny Fanahy Masina dia nambara fa oninny rano velona. Jaona 7:38,39 Izay mino Ahy, dia hisy oninny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazanny soratra Masina. Ary ny fanahy, Izay efa horaisinny mino Azy, no nolazainy taminizany; fa ny fanay tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra taminny voninahiny.

    FANONTANIANA HO VALIANA 1.... Omeo ny famaritanao ny fanomezam-pahasoavana miteny aminny fiteny tsy fantatra.

    2.....Manomeza ohatra roa ny aminny fahatongavanny Fanahy Masina tamina vondrinny mpino hita ao aminny bokinny Asanny Apostoly.

  • ~ 28 ~

    Lesona 4

    Ny ady ho anny Anarani Jesosy

    FANTATRI SATANA NY ZAVA-MIHAFINA Hitani satana ny zava-mihafinny maha zava-dehibe ny mpino. Misy fanafihana lehibe ataoni satana hanohitra ny herinny Fanahy Masina sy ny fahefanny anarani Jesosy rehefa ampiasainny Kristiana izany.

    Ny Herinny Fanahy Masina Nandray ny herinny Fanahy Masina ny mpino. Ampiasainy ety an-tany izany hery izany nefa koa izy tsy maintsy manana ny fahefanny Anarani Jesosy.

    Ny Fahefanny Anarani Jesosy Tsy ny herinny Fanahy Masina ihany no atahorani satana, fa ny fahefanny Anarani Jesosy eo aminny fiainanny mpino ihany koa. Marka16:17,18 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino : hamoaka demonia aminny anarako izy, hiteny aminny fiteny izay tsy mbola hainy izy ; handray menarana izy ; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany ; hametra-tnana aminny marary izy, dia ho sitrana ireny.

    Raha niteny taminizy ireo Jesosy hoe hamoaka demonia, hiteny aminny fiteny izay tsy mbola hainy, hametra-tnana aminny marary dia hahasitrana azy, ary na ny menarana na ny zavatra mahafaty aza tsy hampaninon azy, Izy dia nampianatra ireo mba hanao izany rehetra izany aminny Anarany: aminny anarako. Tokony ary mila mihetsika miaraka aminny herinny Fanahy Masina sy ny fahefanny Anarani Jesosy ny Fiangonana. Tokony ho tadidintsika fa ny planinAndriamanitra dia tsy niova. Manao izay tratrany satana hanelingelenana ny kristiana sy hitazonana azy ireo tsy fahafantarana ny hery sy ny fahefana ananany.

    FANASITRANANA ILAY LEHILAHY NALEMY TONGOTRA Mila misintona lesona hatrany avy aminireo tantara isika Asanny Apostoly 3:1-8 Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjanny tempoly taminny ora fahasivy fotoam-pivavahana. Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kimbon-dreniny, izay napetrany isanandro teo anoloanny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana aminizay niditra teo an-kianjanny tempoly; nony nahita anI Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjanny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. Dia nibanjina

  • ~ 29 ~

    azy roa lahy tsar aizy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. Fa hoy Petera: tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Aminny anaranI Jesosy kristy avy any Nazareta, mitsangatsangna. Ary noraisiny taminny tnany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka taminizay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ary niantsambotra ka nijoro, dia nitsangatsangana ary naira-niditra taminy ho eo an-kianjanny tempoly, nitsangatsangana sy niantsambotsambotra sady nidera anAndriamanitra.

    Lesona ho anizao vaninandro izao Teny an-dlana

    Niakatra ho eo an-kianjanny tempoly taminny ora fivavahana i Petera sy Jaona. Teny an-dlana handeha hankany aminny toerana fivavahana izy ireo no nitranga io fahagagana io. Araka ny fantatra, izy ireo dia tsy hoe efa niomana tamim-bavaka. Raha ny tantara, ny ora fivavahana dia fotoana natokana ho anny vavaka manokana, ary eo aminny telo ora hariva eo ho eo izany. Ny fahagagana dia tsy azo aminny hamaronny vavaka na ny fiomanana am-bavaka. Izany dia tsy fialan-tsiny ho anireo kristiana ka hanaovany atsirambina ny fiainam-bavakany.

    Teo ivelanny Tempoly Teo ivelanny tempoly no nitranga io fahagagana io. Teny an-dlana izay nizoranny olona no nisy izany. Isika no tenani Kristy, isika no Fiangonana. Na aiza na aiza misy antsika dia misy Fiangonana. Afaka ny hisy fahagagana hatrany any aminny toerana rehetra misy mino ani Jesosy. Zava-dehibe ny nitranganny fahagagana teny ivelanny tempoly satria eny mihintsy no mila hamarinina ny teninAndriamanitra. .

    Niandry ny Tempoly nataonAndriamanitra Jesosy. Niteny Jesosy fa izay zavatra hitany ataonny Ray ihany no ataony. Niandry ny tempoly nataonAndriamanitra Izy. Isanandro io lehilahy io dia napetraka teo aminny vavahadinny tempoly. Nandalo io vavahady io matetika Jesosy, ary matetika teo anoloany, enfa tsy nositranini Jesosy izy.

    Notarihinny Fanahy Impiry moa ireo mpianatra no nandalo teo anoloanio lehilahy io? Hafa taminity indray mandeha ity, nibanjina azy Petera sy Jaona ka nanaitra azy. Nous devons tre sensibles la direction et au moment indiqus par le Saint-Esprit si nous dsirons voir nos mains oprer des miracles.

  • ~ 30 ~

    Nanantena zavatra Nanantena zavatra ralehilahy. Tamina fanambarana feno fahasahiana no nanaovani Petera io tranga io.

    Aminny anarani Jesosy Aminny Anarani Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangatsangna. Ny zavatra nomeni Petera azy dia ny Anarani Jesosy.

    Hetsehana ny zava-misy Nentanini Petera hietsika ralehilahy. Noraisiny taminny tnany izy. Tsy nihetsika ny tongony sy ny kitrokeliny raha tsy nitsangana izy. Asanny Apostoly 3:7Ary noraisiny taminny tnany ankavanana ralehilahy ka natsangany ; dia natanjaka niaraka taminizay ny tongony sy ny kitrokeliny.

    Nidera anAndriamanitra ralehilahy Niditra tao aminny tempoly ralehilahy, nandeha sy niantsambotsambotra sady nidera anAndriamanitra. Nidera anAndriamanitra izy mba ho hitanny olona rehetra, ka nanome voninahitra anAndriamanitra noho izany fahagagana izany.

    nahalala ilay fahagagana ny rehetra Fantatry ny rehetra fa fahagagana ny fahasitranany. Dia gaga sy talanjona izy rehetra.

    Afahana mampahafantatra ani Jesosy Dia niangona ny olona ka nilazani Petera ny amini Jesosy natsangana taminny maty. Asanny Apostoly 3:15 Fa ny Tomponny aina kosa no novonoinareo, fa Izy ntsanganAndriamanitra taminny maty, ary vavolombelonizany izahay.

    Finoana ny Anarani Jesosy Voalohany indrindra Petera dia tsy maintsy nahalala tsara hoe iza Jesosy, ary fantany marina fa noho ny finoana ny Anarani Jesosy no nahavitany ilay fahagagana. Asanny Apostoly 3:16 Ary ny Anarany no nahapatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izao azo aminny alalany no nahazoany izao fahasitranana eto imasonareo rehetra izao.

    NY FANAFIANI SATANA Fahefana manao ahoana na anarana manao ahoana?

    Nantenaina fa ho faly ireo mpitondra fivavahana tao aminny tempoly noho ny fahasitrananilay lehilahy nalemy, fa raha mbola niteny i Petera sy Jaona, dia nosamborinizy ireo ka nataony an-trano maizina.

  • ~ 31 ~

    Inona no fanontaniana voalohany napetrakireo? Asanny Apostoly 4:7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe, fahefana manao ahoana na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?

    Ady noho ny Anarani Jesosy Asanny Apostoly 4:10 Dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Israely rehetra fa ny anarani Jesosy Kristy avy any Nazareta, iazy nohomboanareo taminny hazofijaliana, fa natsaganAndriamanitra taminny maty kosa, dia Izy no itsangananio lehilahy io finaritra eto imasonareo.

    Ny safidy Asanny Apostoly 4:16-18 Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy ho azontsika lavina.

    Ny fandrahonana Fa mba tsy hielezanizany intsony aminny vahoaka, dia aoka horaonantsika izy mba tsy hiteny aminizany anarana izany intsony na aminiza na aminiza.

    Ny fihetsiny tao aorianizany Raha vantany vao nalefa izy roa lahy, Petera sy jaona dia niverina tany aminny namany ka nitohy niresaka ny anarani Jesosy. Asanny Apostoly 4:29,30 Koa ankehitriny, Tompo , jereo ny fandrahonany ; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao aminny fahasahiana rehetra, ombanny aninjiranao ny tnanao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana aminny anarani Jesosy, Mpanomponao Masina.

    Ny sazy Asanny Apostoly 5:28 Ka nanao hoe : Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra aminizany anarana izany, kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ranizany Lehilahy izany.

    Nikendry hahafaty ny Apostoly ireo mpikambana tao aminny Synedriona noho ny nitohizanizy ireo niteny sy nanao fahagagana taminny anarani Jesosy. Nampiantso azy ireo mangingina izy ka nikapoka azy no sady mbola nandrara azy indray tsy ampiasa ny Anarani Jesosy intsony. Asanny Apostoly 5:40b Ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny aminny anarani Jesosy intsony, ary nandefa azy handeha.

    Ny Vokany Asanny Apostoly 5:41,42 Ary ireo dia niala teo anatrehanny Synedriona, sady faly, satria natao mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitrizany anarana izany. Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ani Jesosy ho Kristy isanandro teo an-kianjanny tempoly sy tao an-trano izy.

  • ~ 32 ~

    SAOLY (PAOLY) SY NY ANARANI JESOSY Ilay Mpanenjika

    Noho ny fiantsoana ny anarani Jesosy no nahatonga ny fanenjehana voalohany ireo kristiana. Araki Ananiasy, fantatri Saoly fa ireo olona mpiantso ny anarani Jesosy no hosamboriny Aanny Apostolys 9:13,14 Ary Ananiasy namaly hoe : Tompoko, efa reko taminny maro ny habenny ratsy nataonizany lehilahy izany taminny olona masina tany Jerosalema. Ary manana fahefana aty koa avy taminny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.

    Voafidy hitondra ny anarany NirahinAndriamanitra hankany amini Saolmy Ananiasy satria nofidiny i Saoly mba hitondra ny anarany any aminny firenena, mpanjaka sy ny taranakIsraely. Noho ny fampiasana ny anarani Jesosy, i Saoly dia tsy maintsy hijaly araky ny fahoriana nampitondrainy ny hafa. Asanny Apostoly 9:15,16 Fa hoy ny Tompo taminy : mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehanny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny ZanakIsraely ; fa hasehoko azy ny habetsahanizay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.

    Vonona ho faty noho ny Anarany Vonona ho faty noho ny anarani Jesosy i Paoly Asanny Apostoly 21:13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaranI Jesosy Tompo.

    Nanoratra mikasika ny Anarany izy Fantatri Paoly ny herinny anarani Jesosy. Fantany noho ny niadiny taminizany anarana izany ka naharesy azy. Fantany satria novonjenny anarani Jesosy izy. Imbetsaka i Paoly no nanoratra ny aminny anarani Jesosy. Romana 10:13 Izay rehetra miantso ny anaranny Tompo no hovonjena.

    1 Korintiana 5:4 Aminny anarani Jesosy Tompontsika, rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko ombanny herini Jesosy Tompotsika.

    Filipyna 2:9, 10 Koa izany no nanandratanAndriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho aminny anarani Jesosy no handohaleanny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ety an-tany, na ny any ambaninny tany.

    Kolosiana 3:17 Ary na inona na inona ataonareo, na aminny teny, na aminny asa, dia ataovy aminny anarani Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora anAndriamanitra Ray aminny alalany.

  • ~ 33 ~

    NY ANARANI JESOSY Nahoana ireo kristiana voalohany no nisafidy ny ho faty fa tsy hand ny tsy hampiasa ny anarani Jesosy? Nahoana ireo mpitondra fivavahana no nanohitra ny anarani Jesosy hatraminny voalohany nampiasana izany? Samy mahalala ny hery entinny fampiasana ny anarani Jesosy na ireo mpino na ireo mpitondra fivavahana.

    Manome famonjena Noho ny anarani Jesosy no nahatonga antsika ho aminny famonjena. Asanny Apostoly 2:21, 38 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anarani Jehovah dia hovonjena. Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa aminny anaranI Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.

    Fandresena Noho ny anarani Jesosy no afahantsika mamita ny Iraka Lehibe sy hitondra ny famonjena any aminizao tontolo izao.

    .

    Fanasitranana Mitondra fanasitranana ny anarani Jesosy. Asanny Apostoly 3:16 Ary ny Anarany no nahapatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izao azo aminny alalany no nahazoany izao fahasitranana eto imasonareo rehetra izao.

    Firaisana aminAndriamanitra Afaka manatona an4Andriamanitra ray isika noho izay nataoni Jesosy ho antsika sy noho ny fampiasana ny Anarany. Jaona 16:23 Ary aminizany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko amianreo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo aminny Ray dia homeny anareo aminny anarako izany.

    Efesiana 5:20 Misaotra anAndriamanitra mandrakariva Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, aminny anarani Jesosy Kristy Tompontsika.

  • ~ 34 ~

    NATOKANA HO ANNY MPINO IHANY Ny fampiasana ny anaranI Jesosy dia natokana ho anny Fiangonana. Tonga manan-kery ny anarani Jesosy rehefa ampiasaina aminny finoana.

    Ireo zanaki Skeva fito mirahalahy Nisy fito mirahalahy nalaim-panahy hampiasa ny anarani Jesosy nefa tsy mahalala izany ka dia nidiran-doza. Asanny Apostoly 19:13-16 Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anarani Jesosy Tompo koa teo amboninny manana fanahy ratsy ka nanao hoe : Mampianiana anareo aminny Jesosy izay torini Paoly aho. Ary nisy fito mirahalahy, zanaki Skeva, Jiosy, lohanny mpisorona, izay nanao izany. Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotsambotra taminireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nadositra niala taminizany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.

    Nitanjaka, Naratra, Resy Ny anarani Jesosy dia tsy azo ampiasaina ho fahazoan-javatra na amina sampy. Ny herinny anaranI Jesosy dia tsy takatry ny saina rehefa ampiasainny tena kristiana marina aminny finoana. Tsy manan-kery izany anarana izany raha ny tsy mpino no mampiasa azy.

    Anarana ambony Indrindra Ireo izay nanandrana nampiasa ny anarani Jesosy nefa tsy manana alalana ampiasa izany dia afa-baraka. Noho io tranga io, dia lasa namena voninahitra lehibe ny anarani Jesosy ary maro ny olona voatarika hahalala ani Jesosy. Asanny Apostoly 19:17, 18 Ary fantatry ny Jiosy sy ny jenilisa rehetra izay ninina tany efesosy izany ; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anarani Jesosy Tompo. Ary maro izay nino dia tonga ka nanaiky sy nilaza ny asany.

    Ny fanivativana ny anarany Fantatri satana ny herinny anarani Jesosy rehefa tononinny mpino amim-pinoana. Ka ny antonireo fanafiana ireo dia ny hanivativana, hanatsatsona, hitenan-dratsy ary hamotehana ny herinio anarana io.

    Ny anarani Jesosy matetika dia ampiasaina hianianana. Ny mpiteny ratsy no manonona azy matetika. Tsy mbola nisy mihintsy olona nianina taminny anaranireo mpanorina fivavahana hafa, inona no antony izany?

  • ~ 35 ~

    Ireny anarana ireny, na koa ireo anaranandriamani-kafa misy, dia tsy manana hery. Tsy misy antony tokony hanalanI satana baraka azy ireny. Omeny voninahitra aza ireny satria azy.

    NANTSOINA TAMINNY ANARANY Isika dia mifaly aminny fitahiana mahagaga sy tsy takatry ny saina aminny maha kristiana. Nefa koa, ireo izay nantsoina taminny anaranI Jesosy, ireo izay antsoina hoe kristiana dia manana andraikitra goavana.

    hanomezana Voninahitra anAndriamanitra ResahinI Paoly ao aminny taratasiny ho ani Timoty: Tesaloniana 1:12 Mba hankalazaina ao aminareo ny anarani Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavanAndriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

    Tsy hitenenan-dratsy Azy Ao aminny taratasiny ho anny Jiosy, Paoly dia nanatra azy ireo noho ny tsy nanajany ny anaranAndriamanitra. Ho anizay rehetra mitondra ny anarana hoe Kristiana koa izany fampitandremana izany. Romana 2:17-24 Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky aminny lalna sy manao anAndriamanitra ho reharehanao ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra, satria efa nampianarina ny lalna ianao ary mitoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao aminny maizina, mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana: ka moa ianao izay mampianatra ny tenanao koa va? Ianao izay mitory hoe: aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao? Ianao izay manao hoe: aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Ianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany ve ianao? Ianao izay manao ny lalna ho reharehanao, mba manila voninahitra anAndriamanitra ihany va ianao aminny andikanao ny lalna? fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaranAndriamanitra any aminny jentilisa.

    Miala aminny ratsy Hoy i Paoly nanoratra tamini Timoty: 2 Timoty 2:19 Kanefa ny fanorenana mafy nataonAndriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: Ny Tompo mahalala ny azy , ary koa: Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaranny Tompo hiala aminny ratsy.

    MINO ANI JESOSY SY NY ANARANY Koa satria isika mino ani Jesosy ho famonjena antsika, dia tokony hino ny hery sy ny fahefanny anarany mba hampandresy antsika eo aminny fiainana andavanandro.

  • ~ 36 ~

    Tsara ny manamarika fa imbetsaka ny Testamenta Vaovao no mamporisika antsika hiantso ny anarani Jesosy sy hino ny anarany. Nahoana no tsy ny iray aminireo ihany no anentanana antsika? Nahoana isika no hamporisihina hatrany mba hampiasa azy roa? Ny fahafatesany teo aminny hazofijaliana no nahazoni Jesosy ny famonjena antsika. Taminny fiainany aminny maha olona tanteraka Azy, taminny fahafatesany ary ny fitsanganany taminny maty no nakany Jesosy indray ny fahefana tany amini satana mba hitantanany ny tany. Aminny fampiasana ny Anarany, ny mpino ankehitriny dia manana fahefana mba hanapaka ny tany. Nomeni Jesosy antsika ny anarany. Mila miteny sy mihetsika aminny Anarany isika. Aminny fanaovantsika izany sy ny fananantsika finoana ny anarany, dia afaka manao izay rehetra nataonI Jesosy isika. Mbola afaka hanao zava-dehibe mihoatra noho izany aza. Fony Jesosy niteny hoe haoriny ny Fiangonany, Izy dia tsy namela antsika halemy manoloana ny fahavalontsika, mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Ahoana no handresena ny devoly sy satana raha tsy misy ny hery sy ny fahefana? Nomeni Jesosy antsika ny herinny Fanahy Masina sy ny fahefanny Anarany.

    FANONTANIANA HO VALIANA 1....Inona no lanjanny anarani Jesosy eo aminao ?

    2.... Mitanis tombon-tsoa mifandraika aminny anarani Jesosy. Manomez andraikitra mifanaraka aminizany.

    3....Inona no nanjo ireo zanaki Skeva ? Nahoana ?

  • ~ 37 ~

    Lesona 5

    Ny DrafitrAndriamanitra ho anny Fiangonana

    HANORINA NY FIANGONANY JESOSY Jesosy, fa tsy olombelona, no hanorina ny Fiangonana. Matio 16:18 Ary Izaho milaza aminao koa: Ianao no Petera ; ary amboninity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadinny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy.

    Nandritra ny taona maro, nanandrana nanangana ny Fiangonana araka ny modeliny sy ny fombany ny olona. Koa raha Jesosy no hanorina ny Fiangonana, dia ilaina isika manilika ny hevitsika manokana momba izany ka hamela anI Jesosy haneho antsika aminny alalanny Teniny ny drafiny.

    Ho anny Kristiana tsirairay, io drafitra io dia misy: Nandray ny herinny Fanahy Masina ny mpino. Ety an-tany izy dia mampiasa izany hery izany, nefa ilaina koa izy manana ny fahefanny anaranI Jesosy.

    Mijoro vavolombelona Voantso hijoro vavolombelona ho ani Jesosy Kristy ny mpino tsirairay: Asanny Apostoly1:8 Fa hahazo hery ianareo aminny hilatsahanny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy erani Jodia sy Samaria ary hatraminny faranny tany.

    Manao izay zavatra nataoni Jesosy Ny kristiana tsirairay dia nantsoina hanao ny zavatra izay nataoni Jesosy. Jaona 14:12 Lazaiko amianreo marina dia marina tokoa : izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany aminny Ray.

    Hitory Ny kristiana tsirairay dia nantsoin mba hitory (hanambara na hizara) ny Filazantsara Marka 16:15 Ary hoy Izy taminy: mandehana any aminizao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny Filazantsara aminny olombelona rehetra.

    Manantena fahagagana Ny kristiana tsirairay dia mila manantena fahagagana hiaraka aminy: Marka 16:17, 18 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hanoaka demonia aminny anarako izy ; hiteny aminny fiteny izay tsy mbola hainy izy ; handray menarana izy ary na dia misotro zava-

  • ~ 38 ~

    mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany, hametra-tnana aminny marary izy, dia ho sitrana ireny.

    Ho vonona ho aminny Asa fanompoana Ny kristiana tsirairay dia tokony ho vonona ho aminny asa fanompoana. Efesiana 4:12 Ho fanatanterahana ny olona masina, ho aminny asanny fanompoana aminny Fiangonana, ho aminny fampandrosoana ny tenani Kristy.

    NY MINISTERA DIMY ASA FA TSY ANARANA ISALORANA Rehefa nankany aminny Ray Jesosy, dia nanome fanomezana ho anny olombelona. Efesiana 4:8-13 Koa izany no ilazany hoe: raha niakatra ho anny aminny avo Izy dia nitondra olona maro ho babo ka nanome fanomezana ho anny olona ary ny aminny hoe, niakatra, inona moa izany afa-tsy ny efa nidina ho any ambaninny tany koa ? Izay nidina dia izy koa no ilay niakatra any amboninny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra. Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho aminny asanny fanompoana aminny Fiangonana, ho aminny fampandrosoana ny Tenani Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho aminny firaisanny finoana sy ny fahalalana tsara ny ZanakAndriamanitra, ka ho lehilahy lehibe mahatratra ny ohatry ny halehibenny fahafenoani Kristy;

    Apostoly, mpaminany, evanjelista, mpiandry na na mpampianatra dia tsy tokony ho anarana isalorana toy ny grady na toerana ao am-piangonana. Ny andraikitra tsirairay ao aminny asa fanompoana dia samy manana ny maha zava-dehibe azy eo aminny fampandrosoana ny tenani Kristy. Fony Paoly nanoratra ireo epistily ireo, izy dia nilaza ny tenany hoe, Paoly, Apostoly, izay manambara fanomezana na anjara asa fanompoana eo aminny tenani Kristy. Izy dia tsy mba niteny hoe Apostoly Paoly, ka toy ny hoe anarana isalorana ny maha Apostoly.

    NotendrenAndriamanitra 1 Korintiana 12:27, 28 Ary ianareo no tenani Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. Ary Amndriamanitra efa nanendry ny sasany teo aminny Fiangonana, voalohany Apostoly, faha roa mpaminany, faha telo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samihafa tsy fantatra.

    Any aminny Fiangonana tsirairay, ny fanomezam-panompoana dimy dia tokony hiasa sy ampiasaina mba afahanny mpino ho vonona aminny fanompoana sy ny

  • ~ 39 ~

    fahamatorana mahatratra ny ohatry ny halehibenny fahafenoani Kristy. Ny fahagagana dia tsy azo aminny alalanny habetsahanny vavaka na ny fiomanana am-bavaka. Na izany aza nefa, izany dia tsy natao ho fialan-tsiny hanamaivananny mpino ny fiainam-bavaka.

    Mpanompo Mialohanny hiantsoanAndriamanitra ho aminireo asa fanompoana dimy, dia tokony ho mpanomponny tenani Kristy aloha isika. Nanao ireo asa fanompoana dimy ireo Jesosy, izay tokony hataonny mpanompo, araka izay asehonity ohatra manaraka ity: Jaona 13:3-5 Sady fantatri Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tnany, ary Andriamanitra no niaviny sady Andriamanitra koa no hiverenany, dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany; ary rehefa vita izany, dia nampidina rano taminny tavy izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy taminny lamba famaohana izay nisikinany.

    Jaona 13:12-17 Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe : fantatrareo va izay nataoko taminareo ? ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo ; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra ary no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. Raha fantatrareo izany dia sambatra ianareo, raha manao izany.

    NY APOSTOLY Famaritana

    Ny teny Grika apostolos dia adika hoe Apostoly , dia midika hoe nirahina, mpitondra hafatra. Ny Apostoly dia olona nirahina miaraka aminny fahefana mba hanangana Fiangonana sy hampahatanjaka ireo loholona aminny foto-pampianarana sy ny fampiharana ny TeninAndriamanitra. Manao ny asany aminny fahasahiana sy fahefana izy aminny fampiasany ny fahalalana omenny Fanahy Masina.

    Ny asany Izy dia manao ny fanomezam-pahasoavana rehetra ao aminny asa fanompoana sy ny fanomezanny Fanahy Masina. Ny Apostoly dia manao ny fanompoany araka ny fifandraisany manokana aminAndriamanitra, ary izy dia

  • ~ 40 ~

    manana fifandraisana toy ny mpianaka aminireo izay iarahany miasa. Tsy hitsahatra hiseho ny famantarana, ny fahagagana, ny fanasitranana mahatalanjona. Ireo fanomezam-pahasoavana ho aminny asa fanompoana ireo dia fantatra sy hita ho toy ny fifandraisana eo aminny Fanahy Masina sy ny Fiangonana sasany ary ny asa fanompoana; eo amboninizany foto-pifandraisana ara-panahy izany no hitantananny Apostoly, hampidirany eo aminny fiainanny mpino, eo aminny asa fanompoana, sy ny Fiangonana, ireo fitsipika ilaina, ny andraikitra, ny fiorenana ary ny fiarovana aminny fandrebirebena. Ny andraikitry ny Apostoly dia mifandray akaiky aminny anny mpaminany aminny fifidianana, fanendrena ireo loholona, sy ny fanekena ireo izay ho diakona. Aminny fifandraisany aminny mpaminany, izy dia manamafy ny antsonAndriamanitra eo aminny fiainanny mpino sasany sy manendry azy ireo eo aminny andraikitra tokony hisy azy aminny asa fanompoana.Mampahatanjaka ny mpino sy manome azy ny fahalalahana hampiasa ny fanomezanny Fanahy Masina izy aminny alalanny fametrahan-tnana. Manatanteraka sy maneho ny asa fanompoany aminny fahefana ny Apostoly, nefa izy koa dia manetry tena, aminny maha tomponandraikitra azy eo anatrehanny Apostoly hafa sy ireo loholonny Fiangonana izay hiasany.

    Ohatra Ohatra tsara ny aminny Apostoly i Paoly sy Barnabasy Asanny Apostoly 13:2, 3 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho anny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tnana taminy izy, dia nandefa azy.

    Romana 15:20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo aminizay efa niantsoana ani Kristy anefa, fandrao hanovona eo amboninizay efa naorinny sasany aho.

    Asanny Apostoly 14:23 Ary rehefa nanendry loholona teo aminny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nidafy hanina ka nanolotra azy ho anny Tompo Izay efa ninoany.

    NY MPAMINANY Famaritana

    Ny Teny Grika hoe propheteuo, adika hoe mpaminany dia midika hoe ilay manambara mialoha ireo tranga, sy manao fiteny manaitaitra Ny mpaminany dia olona izay miteny ho anAndriamanitra. Nandray ny asa fanompoana miavaka mba hisolo tena anAndriamanitra eo anatrehanny olona. Rehefa mifanaraka tanteraka aminizay ambaranny Soratra Masina izany

  • ~ 41 ~

    fanambarana izany, dia manome sori-dlana, manamarina ny fironana sy ny vina, ary afahana mahatakatra ny TeninAndriamanitra. Ny mpaminany dia manambara ny izay tena fiainanny olona sasany, mananatra, manitsy, mampitandrina, ary manambara ny zavatra izay ho avy.

    Ny asany Ny mpaminany dia manao ny asa fanompoany miaraka amina hosotry ny faminaniana lehibe sy voamarina kokoa noho izay mampiasa ny fanomezam-pahasoavanny faminaniana. Ny teninny mpaminany dia mety hisy fanambarana izay lehibe ho fampandrosoana, famporiosihana, fampaherezana noho ny faminaninny mpino iray. Matetika, ny mpaminany dia manao ny asany miaraka aminny Apostoly, aminny fametrahana fototra ara-panahy, aminny fananganana sy fampahatanjahana ny Fiangonana. Efesiana 2:20 Natsangana teo amboninny fanorenanny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.

    Ohatra Agabo dia ohatra tsara ho anny mpaminany. Asanny Apostoly 21:10, 11 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. Ary rehefa tonga tao aminay izy dia noraisiny ny fehikibonI Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tnanny tenany, dia hoy izy: izao no lazainny Fanahy Masina: toy izao no hamatoranny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tomponity fehikibo ity, ka hatolony ho eo an-tnanny jentilisa izy.

    NY EVANJELISTA Famaritana

    Ny teny Grika euangelistes, nadika hoe evanjelista, dia midika hoempitondra teny soa mahafaly.

    Ny asany Aminizao fotoana izao, ny evanjelista no loha-laharanny tafikAndriamanitra. Manana hetaheta mafy ny hiresaka momba ani Jesosy aminizay rehetra mifanena aminy izy. Manosika azy hambabo ireo fanahy verinizao tontolo izao ny fony. Na aiza na aiza alehany, dia mijoro vavolombelona sy mitory ani Jesosy izy ary misy famantarana manaraka azy. Izy dia mavitrika aminny fanofanana ny mpino ho aminny fitoriana filazantsara miaraka amina fahagagana, sy amina fanentanana asa fitoriana mitohy. Mamelona ny vina ho anny fitoriana eo an-toerana, manerana ny firenena, sy izao tontolo izao, ao am-ponireo mpino rehetra isam-piangonana.

  • ~ 42 ~

    Ny fitoriana ny Filazantsara dia anisanny asa sy andraikitry ny mpino tsirairay, fa ny evanjelista dia manao izany aza fanompoana izany miaraka aminny hosotra ambony kokoa. Tena havanana aminizany sehatra izany izy. Ny tena andraikiny voalohany dia ao aminny fanomanana ny mpino ho aminny asa Fitoriana Filazantsara.

    Ohatra Filipo dia ohatra tsara ho anny evanjelista Asanny Apostoly 8:5-8 Ary Filipo nidina tany an-tanna any Samaria ka nitory ani Kristy taminny olona tao. Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazainI Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. Fa ny fanahy maloto niantso taminny feo mahery, dia nivoaka taminny maro izay nanana azy; ary maro ny mararinny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. Dia nisy fifaliana lehibe tao aminizany tanna izany.

    Asanny Apostoly 8:12 Ary rehefa nino ani Filipo nitory teny soa mahafaly ny aminny fanjakanAndriamanitra sy ny anarani Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.

    NY MPITANDRINA (MPIANDRY ONDRY) Famaritana

    Ny teny Grika hoe poimen, izay nadika hoe mpitandrina, dia midika hoe mpiandry ondry ilay miandry ny sakafo sy ny andianondry, mitarika sy manome hanina azy ary manara-maso azy. Poimen dia ampiasaina in-balo ambinny folo ao aminny Testamenta Vaovao. Ao aminny Efesiana toko faha efatra ihany io teny io no nadika hoe mpitandrina. any aminireo fito ambinny folo hafa, izy dia nadika hoe mpiandry ondry.

    Ny asany Mitarika

    Ny mpiandry ondry dia mitarika ny ondriny. Jaona 10:4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy ; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.

    Mamboly fifandraisana manokana. Ny mpiandry ondry dia manangana fifandraisana manokana aminny ondriny. Isaia 40:11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry izy, ny sandriny no hanangonany ny zanakondry, ka trotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany..

    Jaona 10:11 Izaho no mpiandry tsara, ny mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny. J

    Mamelona Ny mpiandry ondry dia manome hanina ny ondriny

  • ~ 43 ~

    Jaona 21:15-17 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamini Simona Petera: Simona, zanaki jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavanireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Hoy indray Izy taminny fanindroany: Simona, zanakI Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. Hoy Izy fanintelony: Simona, zanakI Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe : Moa tia Ahy va ianao ? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra, fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: fahano ary ny ondriko.

    NY MPAMPIANATRA Famaritana

    Ny teny Grika didaskalodia midika hoe mpampianatra. Ny mpampianatra dia olona izay manoro, ary aminny alalanny fampianarany no afahanny hafa mianatra. Ny fampianarany dia ahitana ny fanehoana sy ny fanazavana ny Soratra Masina sy ny fianarana ny foto-papianarana. Toy izany no hananganany mpianatra. Matio 28:19,20 Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho aminny anaranny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo ; ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatonganny fahataperanizao tontolo izao.

    Ny asany Ny mpampianatra dia mampianatra ireo mpino vaovao. .

    Mampianatra ireo mpino vaovao Asanny Apostoly 11:21-26 Ary ny tnanny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isanizay nino sy niverina ho aminny Tompo. Ary renny sofinny Fiangonana tany Jerosalemna ny aminireo, dia naniraka anI Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia. Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavanAndriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray aminny Tompo aminny fo minia fatratra. Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho anI Tompo dia lasa

    Barnabasy nankany Tarsosy hitady anI Saoly. Ary rehefa nahita azy izy dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary naira niasa tao aminI Fiangonana hatraminny herin-taona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no nvoalohany nanaovana ny anaranny mpianatra hoe Kristiana.

    Mampianatra ny finoana Ny mpampianatra dia mampianatra ny mpino mba hivelona aminny finoana

  • ~ 44 ~

    1 Timoty 2:7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa aminny finoana sy ny fahamarinana.

    Mampianatra eo ambaninny hosotrinny Fanahy Masina Ny mpampianatra dia mamita ny asany eo ambaninny hosotrinny Fanahy Masina 1 Jaona 2:20 Fa ianareo kosa, manana hosotra avy aminilay masina ka mahalala ny zavatra rehetra..

    1 Jaona 2:27 Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarinolona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.

    1 Korintiana 2:13 Izany koa no lazainay, tsy aminny teny ampianarinny fahendrenolona, fa aminny teny ampianarinny fanahy, raha milaza zava-panahy aminizay olona araka ny fanahy izahay.

    Mampianatra miaraka aminny fahefana Manao ny asany miaraka aminny fahefana ny mpampianatra. Matio 7:28,29 Ary nony efa vitani Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalna teo aminy.

    Manofana mpampianatra vaovao Ny mpampianatra dia mampianatra ireo olona mahatoky, izay hampianatra sy hanofana mpampianatra vaovao hafa ihany koa. 2 Timoty 2:2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehanny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.

    IREO LOHOLONA SY NY DIAKONA Ny asa fanompoanny Loholona (antsoina ihany koa hoe Mpanara maso) sy ny diakona no hany asa roa noteneninAndriamanitra hampiasaina eo aminny Fiangonana. Filipyna 1:1 Paoly sy Timoty, mpanomponi Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amini Kristy Jesosy mbaminny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy.

    Ny Loholona (Mpanara maso) Ny asanny loholona, na ny mpanara maso, dia ny fitondrana sy ny fitantanana ny Fiangonana iray. Ny loholona dia fidinAndriamanitra ary tendrenireo Apostoly. 1 Timoty 3:1 Mahatoky izao teny izao : raha misy olona maniry ny asanny mpitandrina.

  • ~ 45 ~

    Asanny Apostoly 14:23 Ary rehefa nanendry loholona teo aminny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho anny Tompo izay efa ninoany.

    Ny diakona Ny asanny diakona dia ny fanompoana ny Fiangonana iray. Ny diakona dia fidinireo mpino ary izany fifidianana izany dia mila ny fankatoavanny Apostoly. Asanny Apostoly 6:2-4,6 Ary ny roa ambinny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe : tsy mety raha mandao ny teninAndriamanitra hitandrina latabatra izahay. Koa aminizany, ry rahalahy, mizah fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny fanahy sy fahendrena, mba ho tendrenay hitandrina izany raharaha izany. Fa izahay kosa haharitra aminny fivavahana sy ny fampianarana. Ireo dia narosony teo anatrehanny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly dia nametra-tnana taminy.

    1 Timoty 3:10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asanny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

    FAHAFANTARANA NY ASA FANOMPOANA, NY ANJARA ASANNY LOHOLONA Famaritana

    Ny teny Grika presbuteros dia midika hoe loholona na Filoha. Ao aminny Testamenta Taloha, izy dia manendry ireo mpikambana ao aminny synedriona na ireo filohanny synagoga. Ao aminny Testamenta vaovao, io teny io dia nampiasaina matetika ao aminireo taratasy ho anny mpino Hebreo izay mahalala tsara ny hevitrio teny io araka ny fampiasana azy any aminny Testamenta taloha.

    Asanny Apostoly 14:23 Ary rehefa nanendry loholona teo aminny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho anny Tompo izay efa ninoany.

    Ny teny Grika hoe episkopos dia midika hoe mpanara maso, mpitantana, na mpiandry. Indimy no hita izany teny izany ao aminny Testamenta Vaovao. Azo adika hoe eveka ihany koa izy io fa ny tena heviny marina dia hoe mpiandry. Any aminny taratasy nosoratana ho anireo mpino Grika izy io satria io teny io dia nampiasainy ho anny mpitarika ara-panahy. Asanny Apostoly 20:28a Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovanny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina,

    Ny asany Tsy misy fahasamihafana ara-tsoratra masina ireo anarana roa ireo. Manambara anjara asa iray ihany ireo eo anivonny Fiangonana iray. Tsy misy ambony sy ambany izany ny

  • ~ 46 ~

    Fiangonana. Ny Fiangonana tsirairay dia samy mahaleo tena sy miahy ny tenany. Ny fitantanana ny Fiangonana dia tsy misy fikambana, na fiombonana na fitambaranolona, fa fifandraisana ara-panahy eo aminny samy olona voantso ho Apostoly sy ho loholonny Fiangonana. Ny Fiangonana iray dia afaka miasa ho mpampiely fa tsy azo heverina ho renim-piangonana , mifehy, mitantana Fiangonana iray hafa na mamehy ny fahaleovan-tenany. Raha nanorina sy nanangana ireo Fiangonana ny Apostoly sy ireo mpaminany, ary nanendry loholona isam-piangonana, izy ireo dia nanangana fifandraisana ara-panahy lehibe. Ireny fifandraisana ireny no hany zavatra mampitohy ny Fiangonana eo aminny toerana iray amina Fiangonana any aminny toeran-kafa, ary tsy natao ho anireo Fiangonana na fikambanana, fa ho anireo olona izay manao ny iray aminireo ministera dimy ihany. Taminny voalohany dia nisy Fiangonana vaovao nahorina taminny hetsika nataonny Apostoly na mpaminany, izay nametraka ny fototra. Dia nanendry loholona tao ireo Apostoly. Ireo loholona ireo no mandrafitra fitondran-draharaha izay mitantana ny raharany Fiangonana. 1 Timoty 5:17 Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina aminny teny sy ny fampianarana..

    Loholona manao ny asa fanompoana dimy Ireo asa fanompoana dimy matetika dia sahaninny loholona. Manana ohatra ny aminizany isika ao aminny epistilini Petera sy Jaona: 1 Petera 5:1 Koa ny aminny loholona izay eo aminareo, izaho, izay namani loholona sy vavolombelonny fijaliani Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa.

    3 Jaona 1:1 Izaho loholona mamangy ani Gaio, ilay malala, izay tiako aminny fahamarinana.

    Izay nomeni Jesosy ny Fiangonany ho Apostoly, mpaminany, evanjelista, mpitandrina ary mpampianatra dia voantso mba hiara miasa hanomana ny vahoakanAndriamanitra. ao aminny Soratra Masina, tsy noraisina ho anjara asa velively ireo asa fanompoana ireo. Fa ireo izay manao ireo asa fanompoana ireo ihany no manao ny asanny loholona ao am-piangonana.

    Ny Anjara asa fanompoanny loholona. Any aminny isam-piangonana, ireo loholona dia nantsoina mba hitandrina ny ondry izay nampiandrasana azy sy natao fahanany.

  • ~ 47 ~

    1 Petera 5:1-3 Koa ny aminny loholona i