26

Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,
Page 2: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

NY MIRALENTA EO ANIVON’NY

FIARAHAMONINA HITONDRA

FANOVANA SY FANDROSOANA

Page 3: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

FIHAONAMBE AN-TAMPONY MOMBA NY MITALENTA SY NY FAMPANDROSOANA 2014

FAHAIZA-MITARIKA (Leadership)

Sokajy natokana ho an’ireo olona mpitarika mitondra fanovana amin’ny sehatra rehetra (Fiarahamonim-pirenena, Fikambanana eo anivon’ny Fiangonana, Fanjakana, Kaominina ary ny haino aman-jery) , Ka nampiasa ny Fenitry ny SADC ho fitaovana enti-miasa sy hitondrana fanovana. Tsy maintsy ampiarahina amin’ny porofo manamarina ny asa vita ity taratasy fandraisana anjara ity.

*Tsy maintsy fenoina

Afaka manolotra ny tenany ny mpitarika (Leader)Mariho eo ambany izay izy*

Manolo-tena Natolotra

LOHATENY Fintino anaty fehezanteny mafonja iray ny asa vitan’ny mpitarika teo amin’ny sehatry ny Miralenta *

NY MIRALENTA EO ANIVON’NY FIARAHAMONINA HITONDRA FANOVANA SY FANDROSOANA

1. FAMPAHAFANTARANA ANKAPOBENY*Daty* (Daty hamenoanai ity taratasy ity): 11 Mars 2014

Anarana RAHARINIRINA Fanampiny Marie Ignace Asa atao Mpitarika Mpanentana Miralenta (Mpikarakara tokantrano) Kaominina COMMUNE - SAHAMBAVY / Miralenta –TARATRA) Fianarana vita Ambaratonga

Voalohany Ambaratonga faharoa

Oniversite Fanofanana ara-kasa

Fampianarana olon-dehibe

Taona 18 – 30 31 – 40 41 – 50 51 – 60 61 +Adiresy mailaka raharinirinamarie @ gmail . com Téléphone fixe 020 75 932 11 – 032 70 230 28 FaxFinday 032 51 422 00 – 034 36 905 52 Kaominina SAHAMBAVY Firenena MALAGASYTranokalan’ny FikambananaLahy/vavy Vavy Lahy

Sary Sarin’ny mpitarika asa (Sary mazava tsara)

Page 4: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,
Page 5: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

NY MOMBA MOMBA ILAY LEADER * (Raha olona hafa no nanolotra azy)AnaranaFanampiny Asa ataoKaomininaFianarana vita Ambaratonga

Voalohany Ambaratonga faharoa

Oniversite Fanofanana ara-kasa

Fampianarana olon-dehibe

Taona 18 – 30 31 – 40 41 – 50 51 – 60 61 +Adiresy mailakaTéléphone fixeFaxFindayKaomininaFirenenaTranokalan’ny FikambananaLahy/vavy Vavy Lahy

Sary Sarin’ilay mpitarika asa (Sary mazava tsara)

FANAMPIM-PANAZAVANA Toeram-Piasana / Fikambanana Eny amin’ny FKT rehetra ao anatin’ny CR FKB: TARATRASahatra hiasana - Fiarahamonim-pirenena

- Fikambanana eo anivon’ny Fiangonana - Fanjakana - Kaominina - Haino aman-jery - Oniversité

Mitarika FKB: Firariantsoa Mitarika FKB: Mahiratra Mitarika FKB: Avotra

Olona afaka antsoina ANARANA ASA ATAO N° Finday 1- Raharinirina Marie Ignace Mpitarika V Miralenta 032 51 422 002- 034 36 905 52 Firy taona izay no naha mpitarika ilay olona?

2010 – 2014

Nahazo fiofanana manokana momba ny fahaiza-mitarika ve illay olona?

Eny Tsia

Inona avy izany fiofanana izany? - Fampiofanana Miralenta nataon’ny EISA niaraka tamin’ny USAID/ Santé net2 DRV amin’ny fitarihana ny Vehivavy (Dinika sy Rindra ho an’ny vehivavy)

- Fampiofanana Miralenta nataon’ny EISA niaraka tamin’ny Vehivavy MLF ka mpitarika ny Vehivavy eto amin’ny CR ny tenako.

- Fiofanana niaraka tamin’ny Gender Links izay nosoloan’ny Talem-paritry ny mponina sy ny FITAFIBE tena ka voatendry ny hitarika ny Komitin’ny Miralenta sy Ady amin’ny Herisetra ny tenako.

2. POROFON’NY ASA VITA: Raha mihoatra amin’ireo toetra voalaza etsy ambany, manao ahoana ny fijerinao ny tenanao? Ampiaraho amin’ity taratasy fandraisana anjara ity ireo porofo rehetra manamarina ny maha-mpitarika anao mifanaraka amin’ireo toetra voalaza esty ambany (ohatra: taratasy avy aminà olona nahita ny asa vitana, taratasy fijoroana vavolombelona avy amin’ny mpiara-miasa na mpiara-monina, Lahatsoaratra an-gazety sns,…)

Page 6: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Lahatsoaratra an-gazety: Gazety Tia Tanindrazana pej 02 NY 08/03/14/Lah 01368 “Nanome lanja ny Zo ara-politikan’ny vehivavy”

TOETRA TSARA ALAIN-TAHAKA Isa 0 na 1

POROFO

1 Manana tanjona mazava tsara 1 Hanatanteraka sy hampihantra ny tanjona 28 ao amin’ny Fenitry ny SADC hatramin’ny taona 2015

2 Mahay mihaino 1 Mihaino ny hevitry ny hafa3 Mahay manintona / misarika ny

sain’ny olona 1 Mampifandray am-po sy mahay mandresy lahatra

mampandray andraikitra ny lahy sy vavy eo amin’ny asa iombonana

4 Manaja ny hafa 1 Mifampihaino sy mifanaja ny Lahy sy Vavy eo ampiadian-kevitra

5 Mahay manetry tena 1 Tsy tia rehareha fa miovy saranga tsy manavakavaka (Miralenta)

6 Mahay mandanjalanja ny rariny sy ny hitsiny

1 Mandray anjara eo anivon’ny fiaraha-monina sy amin’ny fandaminana ny disadisa misy

7 Manaja sy mampihantra ny zon’olombelona

1 Tsy nahilikilika ireo olona osa sy sahirana ay ireo olona kilemaina fa omena Zo feno izy ireo.

8 Manampy ny vehivavy hahaleo tena ara-ekonomika

1 Manentena ireo vehivavy mba hiditra fikambanana eo amin’ny seha-pihariana, Ohatra : Fiompiana akoho gasy sns, mba hialàna amin’ny fahantrana sy hitadiavana Mpanohana na mpiara-miombon’antoka izy ireo.

9 Manome ohatra tsara halain-tahaka 1 Mitarika sy manentana ireo vehivavy ao anatin’ny kaominina sy Fokontany mba hialàna amin’ny fahantrana ka hitondra fiovana isan-tokantrano

10 Mahay mitazona tsiambara-telo 1 Tsy manano sotrobe lava taho sy misolelaka fa mantotra hevitra

11 Mahay mifandray aman’olona 1 Tia mifanankalo hevitra amin’ny tanora sy ny olon-dehibe na lahy na vavy fa tsy miavonavona.

12 Manana hevitra miavaka 1 Manana fanapahan-kevitra sy fahamalinana ary entitra fa tsy avilavilan’ny hafa.

13 Mandray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena

1 Manan risi-po sy fanetre-tena hirotsaka ary handray anjara amin’ny raharaham-pirenena

14 Mitandro ny fahamarinana 1 Tsy tia kolikoly sy laingalainga fa mijoro amin’ny fahamarianana

15 Mitandro ny fangaraharana 1 Mitady ny hevitry ny maro vao manapa-kevitra16 Olona azo itokisana 1 Manatanteraka ny asa tokony hatao fa tsy mifampiandry

amin’ny hafa mpanimba zavatra17 1 Mitarika ireo vehivavy amim-pahazotoana sy fivononana

amin’ny sehatra rehetra, ary manetsiketsika sy manara-maso ireo vehivavy ireo mba hitondra fanovana sy fandrosoana ho an’ny farim-piainany tsirairay

18 1 Amin’ny alalàn’ny serasera sy haino aman-jery ary gazety mba hahita vaovao hampitaina amin’ireo Fikambanana mba hitondra fanovana.

19 1 Manana laminasa sy drafitr’asa (plan d’action) amin’ny famolavolana sy fampiharana ny Miralenta ao anatin’ny Kaominina

20 1 Miantso an’ireo Komitin’ny Miralenta sy Fikambanana, hidinika ny laharampahamehana. Miaraka manapa-kevitra amin’ny fitadiavam-bola izay hatao, hanohanana ny asa maika.

Page 7: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

3. FANOLORANA NY ASA VITA

Zava-dehibe nisongadina*

Fehezanteny vitsivitsy mitantara ny zava-dehibe nisongadina nahatonga anao ho mpitarika mitondra fanovana eo amin’ny sehatry ny Miralenta (1/2 pejy) :- Nohon’ny fahitako ny vehivavy osa sy marofo ary sahirana ao anatin’ny Kaominina dia tapa-kevitra aho

fa hanentana ny fampiharana ny tanjona 28 ao amin’ny fenitry ny SADEC hanatsarana ny tanjona amin’ny taona 2015 sy hankalaza ny 16 andro iraisam-pirenena amin’ny Ady amin’ny Herisetra ato anatin’ny Kaominina. Oh : Hampihantra ny Miralenta mba handraisan’ny Lahy sy vavy andraikitra eo amin’ny sehatra rehetra.

- Hampandray andraikitra ny lahy sy vavy eo amin’ny asa iombonana - Hanentana ireo vehivavy ho sahy handray andraikitra, ho sahy hamoaka ny heviny, ho sahy sehatra eo

amin’ny ankohonany sy eo amin’ny fiaraha-monina ary hanana risi-po. - Vehivavy tsy ho hianjadian’ny ady amin’ny Herisetra eo amin’ny fiainany rehetra ary hitondra fiovana

sy ho sahy manapa-kevitra. - Mijery akaiky ny tranga misy raha mahazo tatitra ary manaramaso izany hatramin’ny farany.

Tantara tena nanamarika anao tamin’ny fanatanterahanao ny asa*

Tantara iray izay tena nanamarika anao tamin’ny fanatanterahanao ny asanao (Mety mampiomehy, mampalahelo na manohina) Ka maneho ny fahavononanao amin’ny asa ataonao. Inona avy no hahafahana milaza fa mitondra fanovana ny asan’ilay mpitarika? (1/2 pejy)- Nisy tranga iray teo amin’ny Fokontany misy anay:

Tsy mety mandray anjara ao an-tokantrano Rangahy, tsy manome vola hamidy sakafon’ny vady aman-janany fa hamamoana foana no oentiny miditra ao an-tokantranony isaky ny mody hariva, maha sorena sy mampalahelo ny mijery ny fari-piainan’izy ireo satria Ramatoa dia tsy mijanona ny miteraka lava , kanefa mifangaro amin’ny famonoana ny mahazo azy.

Page 8: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Ka noho ny zava-misy izany dia nandray fanampaha-kevitra aho ny handray anjara ny amin’ny fanentanana ny Miralenta sy ny Ady amin’ny Herisetra ato anatin’ny Kaominina misy anay. Ka noho izany dia natsangana sy nampijoroana ny Komitin’ny Miralenta teo amin’ny Kaominina (porofo) Ka rehefa nijoro ny Komity ny Miralenta dia niezaka nidina teny ifotony nanao ny fanentanana, hta anefa izany fa miroborobo tokoa ny vehivavy eny ifotony. Oh: Mahazo trano fitahirizana vokatra ny vehivavy ao amin’ny FKT iray hatramin’ny nanaovana fanentanana.

- Niara-niasa tamin’ny Kaominina ny Miralenta, niezaka nanao fitadiavam-bola mba hanohanana ny tobim-pahasalamana , hanaovana efitra iray mirefy 6m ny sakany ary 16m ny lavany satria mifangaro ao ny mpiteraka sy ny marary. Ka vita io Hopitaly io amin’izao fotoana izao fa ny kojakoja madinika no sisa. Koa noho izany dia mitondra fanovana ny asa izay nataoko satria efa sahy sehatra ireo vehivavy fa tsy voatapim-bava intsony. Marihina amin’izany: -Miaha-maro ny vehivavy miditra amin’ny Fikambanana -Manana fikambanana sosialy ny Miralenta (tsy misy teti-bola mipetraka fa omena ny manana manjo ny tsipaipaika 200/olona amin’ny olona miisa 140 olona)ho fanamafisana izany dia miara-mandray anjara sy andraikitra ny lehilahy sy vehivavy eo amin’ny asa izay ataoko ato amin’ny Kaominina ary mitondra fanovana sy fampandrosoana ho an’ny tsirairay isan-tokantrano.

Fampahafantarana ilay mpitarika (Leader)*

Ny mombamomba ilay mpitarika: oviana, taiza no nanomboka ny asa, tamin’ny fomba ahoana no nahafantatra momba ny Miralenta sy ny maha-zava-dehibe izany. Manomeza ohatra (1/2 pejy) - Mpitarika Miralenta nanomboka tamin’ny taona 2010 ka hatramin’ny taona 2014. - Nanomboka tao an-tokantrano, Mpiaramonina, Fokontany manontolo ao anatin’ny Kaominina, Tobim-

pahasalamana , Fampianarana, TIAVO Ranosoa (rano fisotro madio), Fikambanam-behivavy, Kopia (Fiankohonana), Hery Fampandrosoana ny toe-karena (CDC), Mpanentana ara-pahasalamana (AC)Ka tamin’ny fiofanana izay nataon’ny Gender-Links, DRV, VMLF no nahafantarako ny Miralenta.

- Ka ny maha zava-dehibe izany dia: - Nitondra fanovana sy fampandrosoana ary firahamonina vaovao. Oh: Teo amin’ny tokantrano: samy

mandray anjara amin’ny fampidiram-bola ny mpivady, mandray anjara asa ao an-tokantrano ny tsirairay fa tsy misy ankanavaka na Lahy na Vavy. (porofo)

- Teo amin’ny Fikambanam-behivavy ato amin’ny Kaominina → tafakatra 19 ny isan’ny nahazo Recepissé. - Teo amin’ny Kara-tany → tafakatra 50% ny vehivavy nahazo kara-tany. - Tobim-pahasalamana → tafakatra 20% ny Lehilahy mitondra ny Zanany marary mandeha eny amin’ny

Hopitaly.

Page 9: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

- Rano Fisotro madio → tafakatra 90% ny vehivavy mpitantana amin’ny Borne 22- Fahazahoana Kopia → tafakatra 60% ny olona nahazo kopia- Hery Fampandrosoana ny toe-karena (CDC) → 22 vavy / 12 Lahy- Fanabeazana → 08 vehivavy/ 02 Lehilahy- Mpanentana ara-pahasalamana (AC) → 90% vehivavy - Fampindramam-bola madinika (TIAVO) → 75% vehivavy

Tanjona

Inona avy ireo tanjona napetraka? (1/4 pejy)- Ireo tanjona napetraka dia:

Ny hanarahana ny fenitry ny SADEC amin’ny tanjona 28 amin’ny 2015 sy hankalaza ny 16 andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny herisetra ato anivon’ny Kaominina mba hampisy ny fanovana sy fandrosoana ary fiarahamonina vaovao. “vehivavy miala amin’ny fahantrana ary miaina amin’ny Miralenta” → Tokan-trano sambatra sy vanona

ASA / Hetsika vita

Tantarao eto ny asa ataonareo (Ampidiro ao ihany koa ireo lafy ratsin’ny Asa ½ pejy) Lafy tsara ny asa:

- Nampahafantatra ny CR sy manolotra ny drafitra vita.

- Nampahafantatra ny Miralenta amin’ny alalan’ny serasera.

- Nanentana ireo vehivavy marofo hanao Fanabeazana

aizana

- Nanentana ny olona amin’ny fisoratana faobe

- Nanentana ny Miralenta amin’ny sehatra rehetra sy

mampahafantatra (sary)

- Nampifandray am-po ny mpiaramonina

- Nandresy lahatra ny olona nentanina

- Nandray anjara tamin’ny famolavolana paika ara-

toekarena.

- Nampita vaovao tamin’ny mpiaramonina sy Fikambanana.

Nampandray andraikitra ny lahy sy vavy teo amin’ny asa

iombonana

- Nandray anjara tamin’ny alalan’ireo hetsika maro isan-

karazany toy ny fankalazana ny 08 Marsa andro iraisam-

pirenena ho an’ny vehivavy, Foara, Filaharana

- Nanentana sy nanao seho sehatra momban’ny Miralenta

- Nitarika tamin’ny sehatra rehetra. O h : Fiaraha-mivavaka

- Nanao fanentanana ny vehivavy tany ampiangonana

- Nanentana ny vehivavy ho sahy handray andraikitra eo

amin’ny raharaham-pirenena

Lafy ratsin’ny asa:

- Mbola misy ireo olona manana hevitra

raiki-tapisaka mbola manaraka ireo

fomba nenti-paharazana.

- Tsy fahampian’ny enti-manana eo

ampanaovana ny fanentanana eny

ambanivohitra na eny ifotony.

- Betsaka ireo vehivavy izay mbola tsy

resy lahatra amin’ny fanabeazana

aizana fa mbola mankamamy ny

ohabolana nenti-paharazana hoe:

“miteraha fito lahy sy fito vavy”, sy hoe:

“miteraha maro sy mamenoa ny tany”

- Maro ny olona tsy vita soratra

- Mbola misy ny fitiavan-tenan’ireo

lehilahy sasan-tsasany.

- Mbola tsy mety resy lahatra amin’ny

atao hoe Miralenta ny lehilahy sasany.

- Samy manana ny finoany ny vehivavy

- Tsy fananan’ny vehivavy vola eo

amin’ny fanaovana Propagande ka

manjary mihena ny salanisa tokony

Page 10: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

- Nanentana ny vehivavy ho sahy sehatra

- Nanentana ireo olona sahirana tsy manan-trano( Habitat

Pour l’Humanité)

- Nanentana ny Miralenta tany amin’ny Tobim-

pahasalamana

- Nanentana sy nandray anjara tamin’ny Fandaminana ny

ady amin’ny Herisetra teo amin’ny mpiara-monina sy ny

zon’ny ankizy.

- Nanentana VIH – SIDA tamin’ny tanora lahy sy vavy

- Nanentana ny mpianatra amin’ny anjara asan’ny lahy sy

vavy (Miralenta)

handany azy.

- Fahatarana ny fandoavana ny

versement

- Mbola misy ireo fanolanana ny zaza tsy

ampy taona.

Page 11: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Teti-bola

Teti-bola (Ar)Teti-bola mahaleo-tena momba ny Miralenta

4000 x 200 andro = 800 000 Ar 400 000 Ar/ taona

Raha tombanana ny teti-bidy ivezivezena Fanampiana omen’ny CR

Teti-bola manokana momba ny tetik’asa ao anatinà fandaharanasa efa misy

Famoriana vola aminy vehivavySosialy: 200Ar/ olona 130 x 200 = 26 000 Ar

Omena ny manana manjo ny vola voahangona fa tsy misy mipetraka

Lelavola na fanampiana hafa amin’ireo mpiara-miombon’antoka (Hazavao fohifohy)

Lelavola ankolaka amin’ny fampiasana fotodrafitr’asa Rano fisotro madio nataon’ny Mpamatsy vola Grand-Lyon. Oh: fotoana lany taloha: 4 000 ArFotoana lany amn’izao: 1 000 Ar

Raha tombanana ny fotoana lany tany amin’ny fatsakana alavitra dia hita fa miahakely ny fotoana lany hatsakan’ny vehivavy rano ka afaka manao ny asany izy ireo fa tsy lany fotoana.

TOTALY 1 227 000 Ar Raha tombana

Ireo Fanamby

Inona avy ireo olana nosedraina tamin’ny fanatanterahana ny asa? Ireo olana nosedraina: - Tsy fahampian’ny hoenti-manana midina eny ifotony- Mbola misy ireo olona manana hevitra raiki-tapisaka amin’ny fomba nenti-paharazana ka mila

fanentanana maharitra sy fanarenana.

VOKATRA AZO*

Page 12: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Fiovana teo amin’ilay mpitarika*

Nanova ny fiainanao ve ny fanatanterahana ny asa? Raha eny, inona avy ny nahatonga izany fiovana izany? Inona / iza avy nanampy anao tamin’izany? (1/2 pejy) Eny, Nanova ny fiainako ny fanatanterahana ny asa, ka ny nahatonga izany fiovana izany dia: - Ny fahaiza manao sy ny fiofanana niarahako tamin’ny Gender-Links ary ireo paikady nananako teo

amin’ny fanentanana ny Miralenta. Ka ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina, ny komitin’ny Miralenta ary ireo sehatra samy hafa sy tamin’ny alalan’ny haino aman-jery, ho fanamarinan’izany dia manao fandaharana amin’ny radio Mampita “aia antsika Apela” isaky ny Alatsinainy. Ary hita fa miara-miasa ny vehivavy sy lehilahy ato anatin’ny Kaominina ka miroborobo ny Miralenta.

Porofo*

Fijoroana vavolombelona iray avy aminà oloan nahita ny fiovan’ny fiainanao. Aza adino ny anarany , fanampiny , ny asany.

Razafindravao Jeacqueline Mpanjaitra Antsena -FKT AntamianaKaominina SAHAMBAVY

Antony : Fijoroana ho vavolombelona

Izaho izay mitondra ny anarana eo ambony dia mijoro ho vavolombelona ary manamporofo, ny fiainan-dRamatoa Raharinirina Marie Ignace izay nisy fiovana hatramin’ny nanentanany ny Miralenta sy ny ady amn’ny Herisetra. Ka noho izany dia hita mirindra ny fiainany ao an-tokantranony sady mivelatra ny toe-tsainy ka tian’ny olona hatonina hamaha ny olan’izy ireo.

Sonian’ny vavolombelona

Page 13: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Fiovana teo amin’ny fianakaviana akaiky*

Tantarao fohifohy ny fiantraikan’ny fiovana nisy teo aminao tamin’ny fifandraisanao amin’ireo olona akaiky anao (ohatra: vady, zanaka na fianakaviana). Manao ahoana ny fandraisan’izy ireo izany fiovana teo aminao izany. - Tena nisy fiantraikany sy fiovana ny fifandraisana teo amin’olna akaiky ahy, hatramin’ny fanentanana

ny Miralenta sy ady amin’ny Herisetra natao tao an-tokantranoko. Oh: afaka mandray raharaha ao an-tokantranonay ny vadiko, rehefa misy maharaikitra ahy, afaka mahandro izy izy, afaka mampirina trano ary miantsena.

- Ny zanako indray kosa dia afaka mifanampy amin’ny asa izay atao an-tokantrano fa tsy misy fanavahana ny asan’ny lahy sy vavy. Oh: samy manasa lamba, samy afaka mahandro sym aka rano, sns… satria nandray sy nampihantra ny fanentanana ny Miralenta izy ireo

Page 14: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Porofo*

Ohatra sy fijoroana vavolombelona avy amin’ireo olona akaiky anao ka manamarina izay voalaza. Aza adino ny anarany, fanampiny, ny asany

Raharivao Jeannette Mpikarakara tokantrano Antsena -FKT AntamianaKaominina SAHAMBAVY

Antony : Fijoroana ho vavolombelona

Izaho izay mitondra ny anarana eo ambony dia manamarina fa mampihantra ny Miralenta ao an-tokantranony Ramatoa Raharinirina Marie Ignace mpitarika ny Miralenta ato amin’ny Kaominina. Koa noho izany dia hita fa tena mifanarantsaina ireo ankohonanany amin’ny lafin’ny asa izay atao ao an-tokantranony, tsy misy tombo sy ala, fa miaraka mandray raharaha hatramin’ny vadiny. Marihina fa tena misy fiovana ny faripiainan’izy mianakavy. Ny vavolombelona

Fiovana teo amin’ny rafitra*

Mitondra fiovana teo amin’ny toera-piasanao / ny Fikambananao ve ny asa nataonao, inona avy izany fiovana izany, indrindra momban’ny fampandraisana anjara ny vehivavy? - Tena nitondra fiovana teo amin’ny toeram-piasako sy ny Fikambanako ny asa nataoko

Ny fiovana nisy: - Miaha-mitombo ny isan’ny vehivavy ao anatin’ny fikambanana noho’ny fanentanana nataoko. - Notarihiko amin’ny seham-pampianarana Fiompiana akoho gasy ny Fikambanana ary nahita mpiara

miombon’antoka FRDA izay notarihin’ny CSA- Mandray anjara eo amn’ny fisoratana tany (BIF) ny fikambanana nohon’ny fanentanana, mandrary koa

ny fikambanana- Nohon’ny firoboroboan’io sehampiariana io dia efa sahy miatrika tsenabe (Foir) ny Fikambanana, indro

fa ampiarahiko ny Porofon’izany (certificate) Ka nohon’izany dia afaka mandray anjara koa ny Fikambanana amin’ny 08 Mars andro iraisam-pirenena hoan’ny vehivavy sy mitady vola hampiroboroboana ny Fikambanam-behivavy. Oh: gateau concert

- Maro ny vita soram-panambadiana amin’ireo mpikambana nohon’ny fanentanana- Fanaovana trano ho an’ny olona marefo sy sahirana (Habitat Pour L’humanité)

Page 15: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Porofo*

Ohatra sy fijoroana vavolombelona avy amin’ireo mpiara-miasa anao ka manamarina izay voalaza. Aza adino ny anarany, fanampiny, ny asany

Razanaboahangy Pierre Precieuse Mpampianatra AntamianaKaominina SAHAMBAVY

Antony : Fijoroana ho vavolombelona

Izaho izay mijoro ho vavolombelona an-d Ramatoa Raharinirina Marie Ignace mpitarika Miralenta dia iray fikambanana aminy, Ka manamarina ny firoboroboan’ny sehampiariana fiopiana akoho gasy izay ataonay ary efa afaka miatrika tsenabe (Foire) izahay, Ka noho izany dia manao Sonia eto ambany ny tenako ho fanamarinana izany. Sonia

Fiovana teo amin’ny fiaraha-monina*

Nampisy fiovana teo amin’ny fiaraha-monina misy anao ve ny asa vitanao sy ny fahaizanao mitarika ny hafa? Inona avy izany fiovana izany? Nohon’ny fahaiza-mitarika ny hafa sy fandresen-dahatra ary fanentanana, dia nisy fiovana teo amin’ny fiaraha-monina misy ahy satria: - Miara-mandray andraikitra ny lahy sy vavy eo anivon’ny fiaraha-monina (oh: miara-manao charbon sy

mivarotra ny lahy savvy- Ohatra manao asa iombonana (mandio ny fotodrafitr’asa rano fisotro madio lahy sy vavy- Manao fanatanjahan-tena ny tanora lahy sy vavy mba tsy ho variana amin’ny rendrarendra samy hafa

(oh: fisotroana zava-mahadomelina)

Page 16: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Porofo*

Fijoroana vavolombelona avy amin’ireo olona mahazo tombotsoa. Aza adino ny anarany, fanampiny, ny asany

Razafindrafara Marie Jacqueline Mpivarotra Antsena -FKT AntamianaKaominina SAHAMBAVY Borne Fontaine N°11

Antony : Fijoroana ho vavolombelona

Izaho izay mijoro ho vavolombelona eto dia manamarina fa misy ny fanentanana ataon-d Ramatoa Raharinirina Marie Ignace mpitarika Miralenta amin’ny fandiovana ny fotodrafitr’asanay rano fisotro madio, isaky ny Asabotsy maraina, marihina fa Borne N°11 ny Paompinay ka tena mahafinaritra ny fanentanana ataony satria miara-mandio ny lahy sy vay fa tsy mifampiandry, ka manamarina miaraka amin’ny Sonia eto ambany ny tenako fa misy ny fandrosoana eto amin’ny boriboritaninay. Sonia

Fiovana ara-sosialy*

Nampisy fiovana teo amin’ny lalàna, Pôlitika sy fomba fanao ve ny asa nataonao? Inona avy izany fiovana izany? Inona ny zava-baovao nentinao? Eny nampisy fiovana teo amin’ny lalàna, Pôlitika sy fomba fanao ny asa nataoko satria: - Lalàna: efa manomboka mahay lalàna ny vehivavy tarihiko satria misy ny fanentanana azy ireo sady

mamonjy fiofanana momban’ny vehivavy hilatsaka hofidiana izy ireo- Pôlitika: efa sahy sehatra ny vehivavy handray anjara amin’ny raharaham-pirenena hilatsaka hofidina

Oh: misy vehivavy 02 hilatsaka ho Ben’ny Tanana misy vehivavy 02 hilatsaka ho Mpanolo-tsaina misy vehivavy 02 hilatsaka ho sefo Fokontany ato amin’ny Kaominina anay

- Ka ny zava-baovao nentiko dia: efa mitondra fanovana ny fiofanana nataon’ny Gender-Links satria efa sahy mandray anjara ny vehivavy ho amin’ny sehatry ny fampandrosoana

Page 17: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Porofo*

Izaho Razafiarisoa Marie Josephine, mpampianatra dia mijoro ho vavolombelona, fa resy lahatra tamin’ny fiofanana Miralenta izay nataoko tamin’ny Gender-Links, ka vonona handray anjara, fa hirotsaka hofidiana ho Ben’ny Tanana ato amin’ny Kaominina misy anay. Ka noho io fanapaha- kevitro io dia vonona aho fa hitondra fanovana ho an’I Madagasikara Malalantsika ity. Ho fanamarinan’izany dia manao Sonia eto ambany ny tenako.

Sonia

Fanamafisana fahaiza-manao*

Inona avy ireo fampiofanana na fanamafisana fahaiza-manao nataonao? Ireo fanamafisana fahaiza-manao nataoko dia: - Manana paik’ady sy fandresena lahatra an’ireo olona lahy sy vavy na tanora na antitra - Manentana ny Miralenta eo amin’ny fiaraha-miasa - Manentana ireo vehivavy ho sahy sehatra amin’ny firenena rehefa misy fivoriam-be ny fokonolona. - Manentana ireo vehivavy ho sahy sehatra sy mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena- Manentana ireo vehivavy hiditra amin’ny seham-piariana - Manentana ny mpivady hifampizara asa ao an-tokantrano

Page 18: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

Porofo*

Fijoroana vavolombelona avy amin’ireo olona mahazo fiovana. Aza adino ny anarany

Kalatsara Norotiana Elisette Antsena-FKTAntamianaKaominina SAHAMBAVY

Nohon’ny fanentanana nataon’ny Filohan’ny Miralenta dia resy lahatra izay mivady ny amin’ny fandraisan’ny lahilahy sy vehivavy anjara asa, ka nanomboka tamin’ny fanentanana sy fampianarana Miralenta izay natao taminay dia afaka mandray anjara amin’ny asa tokony hataony ny vadiko ary manampy ahy amin’ny Lafiny rehetra. Ka noho izany dia mijoro ho vavolombelona izahay mivady fa tsar any Miralenta. . Sonia

Lesona notsoahina tamin’ny fanatanterahana ny asa sy fifampizarana traikefa*

Inona avy ireo olona nitranga? Ahoana ny namahana izany olana izany? Inona no lesona azo tsoahina tamin’izany? Ireo olana nitranga: 1- Fanilikilihan’ireo olona sasany an’ireo osa sy sahirana ary ny kilemaina2- Tsy fahitanan’ireo asa3- Tsy fananan’ireo vehivavy hirotsaka hofidiana vola hanatanterahiny ny fampielezan-kevitra. Vahaolana: 1- Ampitoviana ny zo amin’ny olona rehetra ireo sahirana ny osa ary ny kilemaina fa tsy ahilikilika2- Misy ny asa tanamaro (HIMO) andraisana an-tanana azy ireo 3- Miditra amin’ny antoko politika izay ahafahany hidirany ireo vehivavy hirotsaka hofidiana ireo, ka afaka

mitady tohana amin’ireo Antoko politika hidirany ireo izy ireoKa noho izany ny lesona azo tsoahina amin’izany dia: Tokony ho sahy sehatra ny vehivavy fa tsy hatahotra na menatra fa tokony hifampizara traikefa.

Dingana manaraka

Inona ny tanjona manaraka? Teny famaranana - Ny tanjona dia vehivavy mandray andraikitra sy sahy sehatra

“Ombaim-biavy anie ny Fandrosoana”Ka ho 50% ny vehivavy ho ao amin’ny fitondrana

Page 19: Gender Links - For Equality and Justicegenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/article… · Web viewKa ny nanampy ahy tamin’izany dia ny fiaraha-miasa tamin’ny Kaominina,

4. NY FENITRY NY SADC MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA LAMINASA AORIAN’NY TAONA 2015

Tanisao eo ambany ireo tanjona ao anatin’ny Fenitry ny SADC izay tena hiasanao indrindra. Inona amin’ireo tanjona ireo no tokony hitondra fanatsarana? - Ny tanjona ao anatin’ny Fenitry ny SADC iasako dia: Andininy 4-8: Lalàna fototra ara-panambadiana Andininy 9: Olona manana fahasembanana Andininy10: Zo ny maty vady na lahy na vavy Andininy 11: Zanaka vavy sy lahy Andininy 12-13: Fitondrana fisoloana tena sy fandraisana anjara Andininy 15-19: Loharanom-pamokarana sy asa , fanatevenana ny fitaovana ara-toekarena Tanjona: Hanatratra ny fenitry SADC amin’ireo tanjona 28 amin’ny taona 2015 Fanatsarana: Hampitoviana ny zo ny lehilahy sy vehivavy amin’ny sehatra rehetra ao anatin’ny lalam-panorenana fa tsy ny momban’ny Fanambadiana uhany. - Tsy ny vehivavy marefo sy sembana ihany no hankatoavin’ny lalàna araky ny fenitry ny SADC fa ny

vehivavy rehetra. - Tsy tokony hanambady intsony ny vehivavy maty vady satria efa mipetraka aminy ny fiombonam-

pananana, ka omena azy manontolo ny karaman’ny vadiny manontolo amin’ny fivelomany. - Foanana ny mpivaro-tena ka omena fanampiana izay sahaza azy izy ireo satria ny fahantrany sy

fahosany no ivarotany tena. - Tsy tokony ho vita amin’ny 2015 ny tanjona 28 ao amin’ny Fenitry ny SADC satria izao vao miezaka

mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena ny vehivavy. (Fohy ny fotoana)

Tanjona: vehivavy mandray andraikitra sy sahy sehatra Fanatsarana: Mila fanohanana manokana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny filatsahana hitondrana ny raharaham-pirenena. Oh: Tsy manambola hanaovana fampielezan-kevitra ny vehivavy.

Misy tanjona hafa/ sehatra hafa tianao ampidirina ao amin’ny Fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy ny Fampandrosoana?* Inona no tianao ampiana ao anatin’ny Fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy ny Fampandrosoana?

Inona amin’ireo voalaza etsy ambany no tena hampiasainao ny Fenitry ny SADC momba ny Miralenta sy ny Fampandrosoana amin’ny asa ataonao (manomeza isa 1 ka hatramin’ny 10) *

1- Tanjona sy tondro entina hamaritra ny ezaka vita hanatrarana ny Miralenta: 8/102- Fitaovana entina hamolavola drafitr’asa sy teti-bola momba ny Miralenta. 6/103- Fitaovana entina hampirisihana ny Mpitondra hanatsara ny lalam-panorenana. 8/104- Fitaovana entina mandresy lahatra ny mpitondra hanatsara ny Politika momba ny Miralenta. 7/105- Fitaovana entina mandresy lahatra ny mpitondra hanatsara ny lalàna. 9/106- Fitaovana enti-mampianatra sy manentana ny vahoaka momba ny maha zava-dehibe ny Miralenta. 8/107- Fitaovana entina handrefesana ny fahatanterahan’ny mpitondra ny fifanarahana nosoniavina/toky

nomeny. 8/108- Fitaovana entina manentana eny ifotony. 6/109- Fanetsiketsehana ny hetsika ataon’ny vehivavy. 9/1010- Fitaovana entina hanentana ny mpanao gazety mba hitatitra ny vaovao misy amin’ny fomba tsy mitanila

hahitana taratra ny Miralenta. 8/10