48
REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana -------------- MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA MEN Fandaharam-pianarana Taona fahatelo 2010

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

  • Upload
    voque

  • View
    247

  • Download
    12

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana--------------

MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

MEN

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

2010

Page 2: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

2

FIZAHAN-TAKILA

TakilaTorolalana ankapobe 3Fitsinjarana ora 4Fafana fanolorana ny fandaharam-pianarana 5KILASIN-TSEHATRA IBEAZANA AO AMIN’NY TAONA FAHATELOKilasin-tsehatra isehoan’ny fifandraisan’ny olona amin’ny tontolo manodidina azy

* Akorontan’ny ady tany ny fiarahamonina6* Voazimbazimba ny toerana manan-tantara* Lasa fanariana fako sy fanaovana maloto eny rehetra eny* Ripaky ny filan’ny mponina ny ala

6789

10Kilasin-tsehatra isehoan’ny serasera sy ny fifanakalozana ao anaty fiharian-karena

* Ahoron’ny mpijirika eny am-potony ny vokatry ny tany amin’ny fotoana fahavokarany* Ambinambina hazandrano no sisa tonga ao an-tsena* Lasa varo-boba ny harena an-kibon’ny tany * Mandry tsy lavo loha ny mponina amin’ny halatra omby

1112131415

Kilasin-tsehatra ihaonan’ny kolontsaina malagasy sy ny fivoaran’ny teknôlôjia* Ifandrombahana ny fividianana entana avy any ivelany* Voasariky ny “vidéo” feno herisetra ny ankamaroan’ny olona* Feno olona andro aman’alina ny toeram-pilokana isan-karazany* Ifanotofan’ny olona ny kilalao avy any ivelany

1617181920

ANNEXEToetra amam-pihetsikaFahalalana sy fahaiza-manao

* Siansa sôsialy* Malagasy* Français* Siansa sy Teknôlôjia* Matematika* Fanabeazana ara-batana * Kanto

22

23242526272828

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 3: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

3

TOROLALANA ANKAPOBE

Miompana amin’ny seha-piainana andavanandron’ny mpianatra ny nandrafetana ity fandaharam-pianarana ity izay ahitana ny fifandrohizan’ny taranja rehetra. Kendrena amin’izany ny andraisan’ny mpianatra andraikitra mba hahay hikaro-kevitra, hahay hanadihady ka hampisongadina ny hevitra mafonja ho fanatsarany ny fiainany sy ny fiarahamonina ka hanome dika ny fibeazana.

Inona ny fizohian-kevitra itrandrahana seha-piainana misy olana ?

Miainga amina sehatra iainan’ny mpianatra izay trandrahany ifotony ny fibeazany. Ho an’ny taona fahatelo dia ny faritry ny kaominina no sehatra ivelaran’ny ankizy. Hivoitra amin’izany sehatra ibeazany izany ny fahaizany mampisongadina ny tsara sy ny olana ho vahana. Hadihadiany ny fomba niatrehan’ireo olona tany aloha ny seha-piainana mitovitovy fa eo anivon’ny kaominina ihany : Inona ny mety ? Inona ny olana ? Inona ny toetra amam-pihetsika nasehony ? Inona kosa ny fomba entin’ny olona ankehitriny miaina ny fivoaran’ny siansa na ny sivilizasiona ao anatin’ny fanatontoloana ? Hadihadiany ny mahatsara na ny maharatsy ny fivoarana. Fantariny ny hevitra mafonja hanatsarany ny fomba fiainany ka ilàny indrindra ireo fahalalana isan-tsokajiny. Ireo rehetra ireo no mandrafitra ny dingana voalohany “Fitrandrahana seha-piainana misy olana” izay mahakasika ny vondron-taranja rehetra.

Miroso amin’ny amin’ny famahavahana isa-taranja “Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana” ny dingana faharoa. Eto dia azon’ny mpampianatra ampiasaina avokoa ireo fomba fijery rehetra nisy teo aloha toy ny Fomba Fijery ara-Hairaha, Fomba fijery mifototra amin’ny Tanjona sy ny Fomba fijery mianga amin’ny lohahevitra.

Faranana amin’ny fanehoana asa-pikarohana tsotsotra iray ny fitrandrahana seha-piainana nahitana olana mba ho fanatsarana izany.

Inona no andraikitry ny mpampianatra ?

Matetika ianao mpampianatra dia efa manana ny traikefa ilaina amin’ny seha-piainana iaraha-mitrandraka amin’ny mpianatra. Raha sendra ka mila olona havanana amina sehatra iray ianao, mety raha mifampiraharaha mialoha aminy mba hahafahany manampy ny mpianatra eo amin’ny fitrandrahana seha-piainana ahitana olana. Anjaranao mpampianatra ny mandamina ny fanadihadiana, ny mitarika sy mandrindra ny adihevitra na asa an-tarika ary manondro ireo toerana azo anovozan-kevitra raha ilaina izany. Anjaran’ny mpampianatra ihany koa ny mampisongadina ny efa hain’ny mpianatra. Inona no efa tafavoakan’ny mpianatra tamin’ny fahaizana takian’ ny fandaharam-pianarana ? Inona no mbola hotrandrahana satria tsapa fa tsy mbola tafavoakan’ny mpianatra. Tena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa eo anivon’ny fiarahamonina.

Fanamarihana

Tsy maintsy mitrandraka seha-piainana roa (2) misy olana isaky ny kilasin-tsehatra ny mpianatra mandritry ny telovolana iray. Ohatra seha-piainana valo ambin’ny folo (18) no trandrahiny mandritry ny telovolana telo (3). Ohatra ihany izy ireo fa amporisihina ny mpampianatra hisafidy seha-piainana misy olana iainan’ny mpianatra ao amin’ny kaominina ibeazany.

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 4: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

4

FITSINJARANA ORA

Ny fitsinjarana ora isaky ny fitrandrahana seha-piainana misy olana :

Fitrandrahana seha-piainana

misy olana

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainanaFikarohana tsotsotra

FITAMBARANYSiansa

sosialy Malagasy Français Siansa sy teknôlôjia Matematika Fanabeazana

ara-batana Kanto

7 4.5 4.5 4.5 4.5 4.5 4,5 3 7 44

Ny taom-pianarana iray dia misy herinandro 32. Saingy manomboka izao, ny fitrandrahana seha-piainana iray no mibaiko ny fitsinjarana ora. Toy izao izany :

Fitsinjarana Ora

Ohatra seha-piainana iray misy olana 44

Telovolana iray : seha-piainana 6 ka seha-piainanana 2 isaky ny kilasin-tsehatra 264

Taom-pianarana iray : seha-piainana 18 ka seha-piainana 6 isaky ny kilasin-tsehatra 792

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 5: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

5

FAFANA FANOLORANA NY FANDAHARAM-PIANARANA

KILASIN-TSEHATRA OHATRA SEHATRA

Kilasin-tsehatra isehoan’ny fifandraisan’ny olona amin’ny tontolo manodidina azy

* Akorontan’ny ady tany ny fiarahamonina* Voazimbazimba ny toerana manan-tantara* Lasa fanariana fako sy fanaovana maloto eny rehetra eny* Ripaky ny filan’ny mponina ny ala* Araraotin’ny olona ny fandalovan’ny rivo-doza* Aondrana an-tsokosoko ny harena voajanahary* ...

Kilasin-tsehatra isehoan’ny serasera sy ny fifanakalozana ao anaty fiharian-karena

* Ahoron’ny mpijirika eny am-potony ny vokatry ny tany amin’ny fotoana fahavokarany* Ambinambina hazandrano no sisa tonga ao an-tsena* Lasa varo-boba ny harena an-kibon’ny tany * Mandry tsy lavo loha ny mponina amin’ny halatra omby* Mahakivy ny mpamokatra ny ataon’ny mpanao halabotry* Varoboba ny vokatry ny mpanao asatanana malagasy* ...

Kilasin-tsehatra ihaonan’ny kolontsaina malagasy sy ny fivoaran’ny teknôlôjia

* Ifandrombahana ny fividianana entana avy any ivelany* Voasariky ny “vidéo” feno herisetra ny ankamaroan’ny olona* Feno olona andro aman’alina ny toeram-pilokana isan-karazany* Ifanotofan’ny olona ny kilalao avy any ivelany* Viravirain’ny mpizahatany ny zanaka Malagasy* Mihanaka eto amintsika ny fidorohana zava-mahadomelina

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 6: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

6

isan-karazany* ...

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 7: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

7

Ohatra seha-piainana misy olana :

* Akorontan’ny ady tany ny fiarahamonina

* Voazimbazimba ny toerana manan-tantara

* Lasa fanariana fako sy fanaovana maloto eny rehetra eny

* Ripaky ny filan’ny mponina ny ala

* Araraotin’ny olona ny fandalovan’ny rivo-doza

* Aondrana an-tsokosoko ny harena voajanahary

* ...

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny fifandraisan’ny olona amin’ny tontolo manodidina azy

Page 8: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

8

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Akorontan’ny ady tany ny fiarahamonina Voalamin’ny ray aman-dreny be ny

fananantany fahiny

- Kara-tany- Bokin-tany- Sampandraharaha’ny fananantany ao amin’ny kaominina- Baorina, tao-tsaritany

- Fifandiran’ny mpiara-monina - Lamim-pihariana sy fiarahamonina momba ny fananantany

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialy- Fitombon’ny mponina: hakitroka - Karazana taratasy fananantany: bokin-tany, kadasitra, kara-tany, rejistra, taratasy fandovana

- Fahaizana mamantatra ny hakitroky ny mponina- Fahaizana mamantatra ny karazana taratasy momba ny fananantany

- Sahy mitaky sy miaro ny zo

Malagasy Fiheveran’ny Malagasy ny fananana tany: ny hasiny, ny fandovana

Fahaizana maneho hevitra momba ny hasarobidin’ny tanindrazana

Français Lexique sur le domaine foncier: - cadastre, titre, héritage, propriétaire, donation … - titré, borné, domanial, ancestral,… - hériter, appartenir à, vendre, acheter, louer, …

Production de phrases simples sur le domaine foncier

Siansa sy teknôlôjia

- Tondroavaratra- Fanajariana ny tany: fambolena, fanorenana, tatatra, lalana, ...

- Fahaizana manamboatra tondroavaratra tsotsotra- Fahaizana mampiasa tondroavaratra- Fahaizana manavaka ny fampiasana ny tany

Matematika- Mari-drefy: 1/5000, 1/10000- Velarana- Drafitsaritany: iraizodafy na iraizopototra (trapèze), roazodafy (parallelogramme)

- Fahaizana mampiasa mari-drefy- Fahaizana mampiasa ireo fitaovam- pandrefesan-tany

Fanabeazana ara-batana

Lalao fiarovana faritra: hazakazaka, vikinaOhatra : vitsilihy ... Fahaizana miaro ny taniny

Kanto Tononkalo mikasika ny fiarovana ny tanindrazana Fahaizana mampiaina tononkalo

Fikarohana tsotsotra : Mamaritra tany iray miainga avy amina saritany ka mampiasa tondroavaratra sy fitaovam-pandrefesan-tany.

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny fifandraisan’ny olona amin’ny tontolo manodidina azy

Page 9: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

9

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Voazimbazimba ny toerana manan-tantara

Saro-pady ny toerana manan-tantara fahiny

- Fitsidihana voarindra ireo toerana manan- tantara - Lisitry ny toerana manan-tantara any

amin’ny tranonkalam-pifandraisana- Syndicat d’initiative - Hall d’information- Tranom-bakoka

- Very hasina ny toerana manan-tantara- Adinon’ny mpiara-monina ny tantarany

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialy- Tantaran’ny Kaominina : vanim-potoana, mpitondra

- Toerana manan-tantara sy ny haren-tsaina ao aminy

- Fahaizana mamaky teza ahitana vanim-potoana - Fahaizana mamantatra ny toerana manan-tantara

- Rehareha amin’ny fototra nihaviana

- Toe-tsaina manaja ny fomba amam-panao misy eo an-toerana

Malagasy Fivoaran’ny fomba amam-panaoFahaizana mamantatra ny fomba amam-panao mifandray amin’ny toerana manan-tantara

Français

Lexique relatif à des sites historiques et touristiques : - sites, circuits, guide, monuments, histoire … - sacré, profané, célèbre, touristique … - visiter, admirer, fréquenter, découvrir…

Production de phrases simples dans une conversation relative au tourisme

Siansa sy teknôlôjia Fikojakojana ny toerana manan-tantara : fanadiovana, fiarovana amin’ny koroka/ neno

Fahaizana mamantatra ny fomba fikojakojana ny toerana manan-tantara

Matematika- Halavirana- Teza - Fotoana

- Fahaizana maminavina halavirana- Fahaizana maminavina faharetana - Fahaizana mametraka vanim-potoana eo amina teza iray

Fanabeazana ara-batana

Dia an-tongotra : - mitety havoana sy lohasaha, - mitety vohitra …

Fahaizana mandeha dia an-tongotra

Kanto Hira fanao rehefa manao dia rodobe : Fahaizana mampiara-peo mirindra

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny fifandraisan’ny olona amin’ny tontolo manodidina azy

Page 10: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

10

ngadona, feo voalohany, feo faharoa amin’ny hetsiky ny vatana sy ny ngadona

Fikarohana tsotsotra : Maneho toerana manan-tantara amina valonan-takelaka tsotsotra.

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Lasa fanariana fako sy fanaovana maloto eny rehetra eny

Voahaja ny toerana natokana hanariana fako sy hanaovana maloto taloha

- Toeram-pivoahana manara-penitra- Toeram-panariam-pako manara-penitra- Fanavahana fako - Fanodinana fako

- Mihatra aman’aina ny fihanaky ny fako sy ny loto- Voazimbazimba ny hasina maha olona

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialyFitombon’ny mponina ateraky ny filana ravinahitra ao amin’ny kaominina : hetsiky ny mponina, vokany

Fahaizana mamantatra ny vokatry ny fifindra-monina

- Toe-tsaina manaja ny maha olona - Toe-tsaina manaja ny tontolo iainana

Malagasy Hasina maha olona eo anatrehan’ny fiparitahan’ny loto

- Fahaizana mitandro ny aina- Fahaizana mitandro ny hasin’ny hafa

Français

Lexique relatif aux migrations et à la propreté : - Exode, migrant, zone d’accueil, infrastructure, bac à ordures, latrines, insalubrité, pollution, saleté … - accueillant, repoussant, sale, nauséabond … - polluer, désinfecter, nettoyer, ramasser, se déplacer …

Production de phrases simples dans une conversation relative aux migrations et à la propreté

Siansa sy teknôlôjia- Fandotoana ny rivotra, ny rano, ny nofontany - Aretina vokatry ny loto : fivalanana- Fisorohana ny aretim-pivalanana

Fahaizana misoroka ny aretim-pivalanana

Matematika - Antontanisa maneho ny fitombon’ny mponina ao amin’ny kaominina tao anatin’ny taona vitsivitsy- Antontanisa maneho ny fitombon’ny mponina tratry ny aretim-pivalanana nanatona toeram-pitsaboana tao anatin’ny taona vitsivitsy

Fahaizana manasongadina olana amin’ny alalan’ny antontanisa

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny fifandraisan’ny olona amin’ny tontolo manodidina azy

Page 11: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

11

Fanabeazana ara-batana Hazakazaka madinika Fahaizana mandrindra ny fihetsika sy ny

fisefo

Kanto Ankamantatra amina fihetsika Fahaizana maneho hevitra amina fihetsika

Fikarohana tsotsotra : Manentana ny mponina, amina tantara foronina, hanaja ny fahadiovana.

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 12: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

12

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Ripaky ny filan’ny mponina ny ala Naharaka ny filan’ny mponina ny ala fahiny

- Sylviculture (Voly karazan-kazo indostrialy)- Fambolen-kazo- Fitantanana ny faritra voaaro

- Fitrandrahana tsy ara-drariny ny ala- Mandrora mitsilany ka mahavoa tena

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialyFitrandrahan’ny mponina ny ala : tavy, fandrehitra, fafana

Fahaizana mandanjalanja ny fitrandrahana ny ala

- Toe-tsaina mitsinjo lavitra- Toe-tsaina manaja sy mitia ny ala

Malagasy Hasarobidin’ny ala teo amin’ny Malagasy : miantoka ny fahavelomana

Fahaizana manasongadina ny harena ao anaty ala

Français

Lexique relatif à la faune et à la flore : - Végétation, forêt primaire, aires protégées, espèces protégées, espèces en voie de disparition - Endémique, rare, naturel - Exploiter, détruire, exterminer, sauvegarder, reboiser, protéger

Production de phrases simples dans une conversation relative à la protection de l’environnement

Siansa sy teknôlôjiaFifandrohizana ara-tsakafo eo amin’ny zava-manan’aina Fahaizana manome ohatra fifandrohizana

ara-tsakafo amin’ny zava-manan’aina

Matematika- Velarana- Isa amam-paingo- Hadiry

- Fahaizana mamantatra velaran-tany misy ala - Fahaizana mampiasa isa amam-paingo- Fahaizana maminavina ny taonan’ny hazo amin’ny alalan’ny hadiriny

Fanabeazana ara-batana Mihanika : tady, tohatra, hazo Fahaizana mihanika

Kanto Hira sy dihy mirindra mikasika ny hakanton’ny ala Fahaizana mandrindra ny feo sy ny ngadona

Fikarohana tsotsotra :Maneho an-tsehatra tantara noforonina ahitana ny fifampiankinan’ny olona sy ny tontolo iainana.

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny fifandraisan’ny olona amin’ny tontolo manodidina azy

Page 13: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

13Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 14: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

14

Ohatra seha-piainana misy olana

* Ahoron’ny mpijirika eny am-potony ny vokatry ny tany amin’ny fotoana fahavokarany

* Ambinambina hazandrano no sisa tonga ao an-tsena

* Lasa varo-boba ny harena an-kibon’ny tany

* Mandry tsy lavo loha ny mponina amin’ny halatra omby

* Mahakivy ny mpamokatra ny ataon’ny mpanao halabotry

* Varoboba ny vokatry ny mpanao asatanana malagasy

* ...

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny serasera sy ny fifanakalozana ao anaty fiharian-karena

Page 15: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

15

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Ahoron’ny mpijirika eny am-potony ny vokatry ny tany amin’ny fotoana fahavokarany

Noraisin’ny mpanodina mivantana ny vokatry ny tany fahiny

- Toeram-panodinana arifomba- Fitaovam-panodinana vokatry ny tany Maivan-danja ny seha-pamokarana

faharoa

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialy

Fifandrindran’ny seha-pamokarana telo : - mavesa-danja ny seha-pamokarana voalohany - zara raha misy ny seha-pamokarana faharoa - mibahan-toerana ao amin’ny seha-pamokarana fahatelo ny tsy fanarahan-dalàna

Fahaizana mampitaha ny seha-pamokarana telo

- Toe-tsaina miezaka hanatsara ny vokatra- Toe-tsaina liana amin’ny fampivoarana ny seha-pamokarana faharoa

Malagasy

Ny fahazaran’ny Malagasy amin’ny fitsinjaran’ny vokatra miakatra : - mamokatra hohanina - vokatra no atakalo na amidy hahazoana izay zavatra hafa ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro

Fahaizana mandanjalanja ny fahazarana sy ny fivoarana

Français

Lexique relatif à la transformation de produits alimentaires, à la qualité et au goût : - préparation, conservation, jus, confiture … - bon, pourri, frais, acide, amer, confit, sec … - transformer, moudre, cuire, conserver, goûter …

Production de phrases simples : - pour présenter une recette - pour exprimer la qualité et le goût

Siansa sy teknôlôjia

Fomba fanodinana ny vokatry ny tany : fanadiovana, fanamainana, kaofitiora, fitotoana ho vovony

Fahaizana manodina tsotsotra ny vokatry ny tany

Matematika - Fiatiana : litatra sy ny jotsotombony- Ampaha

- Fahaizana maminavina fiatiana - Fahaizana mampiasa fitaovam-pamarana fiatiana- Fahaizana mampiasa ny ampaha sy ny isa amam-paingo

Fanabeazana ara-batana Lalao ifaninanana : tsipy … Fahaizana mitady tetika

hahombiazanaKanto Fomba fanomezana endrika sakafo Fahaizana manolotra sakafo hanana

endrika mahasarika

Fikarohana tsotsotra 

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny serasera sy ny fifanakalozana ao anaty fiharian-karena

Page 16: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

16

Manodina vokatry ny tany misy eo an-toerana ho azo tehirizina

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 17: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

17

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Ambinambina hazandrano no sisa tonga ao an-tsena

Betsaka ny ambina hazandrano namidy teny an-tsena

- Fomba vaovao fiompiana hazandrano- Fitaovam-panjonoana manara-penitra- Fikambanan’ny mpanjono- Fomba fanodinana hazandrano

- Bahanan’ny mpanelanelana ny lalam-barotra- Maivan-danja ny fanodinana hazandrano

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialyFirindran’ny sehatry ny varotra : - be loatra ny mpanelanelana - goragora ny fampiharana ny lalàna

Fahaizana mamantatra ny lalam-barotra

- Manohitra ny fanambakana ataon’ny mpanelanelana- Toe-tsaina liam-pivoarana

Malagasy Lanjan’ny fifanarahana teo amin’ny sehatry ny varotra : fifampitokisana, fifampitsimbinana

Fahaizana maneho hevitra hanoherana ny fanambakana

FrançaisLexique sur les ventes, achats, bilan : - achat, gain, recette, bénéfice, perte, prix … - coûteux, cher … - vendre, acheter, marchander, peser, choisir …

Production de phrases simples dans une conversation relative à un achat, à une vente

Siansa sy teknôlôjiaFomba fitehirizana sy fanodinana hazandrano : fanasaliana, fanamainana, fitehirizana am-bifotsy, fitehirizana amin’ny vata fampangatsiahana

Fahaizana misafidy fomba fitehirizana sy fanodinana hazandrano mifanaraka amin’ny zava-misy

Matematika -Tombombarotra na fatiantoka eo amin’ny varotra- Lanja : grama sy ny songatombony

- Fahaizana mikatsaka tombombarotra - Fahaizana maminavina lanja- Fahaizana mandanja

Fanabeazana ara-batana

Lalao misy fiarovan-tena Ohatra : “Ballon prisonnier” Fahaizana miaro tena

Kanto Angano maneho fanoherana ny fanambakana Fahaizana mampiaina angano hisintonana anatra

Fikarohana tsotsotra:Manatontosa asa tsotsotra fitehirizana hazandrano

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny serasera sy ny fifanakalozana ao anaty fiharian-karena

Page 18: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

18

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Lasa varo-boba ny harena an-kibon’ny tany

Navadika ho firavaka sy fitaovana ny harena an-kibon’ny tany fahiny

- Toerana voafaritra nahazoana alalana

hotrandrahana- Sampan-draharaha misahana ny fifanakalozana harena an-kibon’ny tany

- Voaondrana an-tsokosoko ny harena an- kibon’ny tany - Very an-javona ny tamberim-bidy

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialyFitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany: fifampifehezana, tompon’andraikitra, fahazoan-dalana

Fahaizana mamantatra ny lamina ara-piarahamonina mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao amin’ny kaominina

- Toe-tsaina tsy manaiky ny tsy rariny- Saro-piaro amin’ny harena an- kibon’ny tany eo an-toerana

Malagasy Ny harena an-kibon’ny tany eo amin’ny Malagasy : harena, voninahitra

Fahaizana maneho hevitra tsotsotra hiarovana ny harena an-kibon’ny tany

FrançaisLexique relatif à l’exploitation des produits miniers : - mine, richesse, bijou, lapidaire, pierre … - dur, friable, brillant, précieux … - exploiter, tailler, creuser, tamiser …

Production de phrases simples dans une conversation relative à l’exploitation d’un produit minier

Siansa sy teknôlôjia Karazana harena an-kibon’ny tany misy ao an-toerana, sokajiny , ny ampiasana azy

- Fahaizana manasokajy ireo harena an- kibon’ny tany - Fahaizana mamantatra ny fomba fanodinana

Matematika- Lanja : grama sy ny jotsotombony - Isa amam-paingo- Vainga : telozodrirana mahitsizoro, goba

- Fahaizana misafidy ny ventin-danja ampiasaina- Fahaizana mampiasa ny isa amam-paingo- Fahaizana mampifandrindra ny vidy amin’ny lanja - Fahaizana mamantatra ireo bika ara-jeometria

Fanabeazana ara-batana

Lalao misy fiarovam-panananaOhatra : fandrirobola

Fahaizana mamorona lalao mitarika ho amin’ny fahaiza-miaro ny fananana

Kanto Sary foronina maneho ny vokatra avy amin’ny fanodinana harena an-kibon’ny tany

Fahaizana maneho an-tsary ny vokatra avy amin’ny fanodinana harena an-

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny serasera sy ny fifanakalozana ao anaty fiharian-karena

Page 19: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

19

kibon’ny tany

Fikarohana tsotsotra : Fanohanan-kevitra tsotsotra mikasika ny antony hiarovana ny harena an-kibon’ny tany.

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Mandry tsy lavo loha ny mponina amin’ny halatra omby

Nanamafy ny fandriampahalemana ny dina fahiny

- Bokin’omby- Kavin’omby

Firaisana tsikombakomba amin’ny halatra omby eo anivon’ny kaominina

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialy

- Anjara toeran’ny omby eo amin’ny fiveloman’ny mponina : fitaovana enti-mamokatra, mariky ny fananan-karena, haja sy voninahitra- Fepetra mikasika ny fivezivezen’ny omby ao amin’ny kaominina

- Fahaizana mamantatra ny fampiasan’ny olona ny omby eo amin’ny fivelomana - Fahaizana mamantatra ny fepetra momba ny fivezivezen’ny omby

- Toe-tsaina miady amin’ny kolikoly- Toe-tsaina liam-pivoarana

Malagasy - Fotoana manokana amonoan’ny Malagasy omby- Famonoana omby : mariky ny fihavanana

- Fahaizana mamantatra ny ilana ny omby amin’ny fotoana miavaka : fahoriana, lanonana- Fahaizana mamantatra ny anjara hena fanolotra araka ny haja amam-boninahitra

Français

Lexique relatif au zébu dans les us et coutumes malagasy : - sacrifice, élevage contemplatif, croyance, vol, bétail, troupeau, pâturage, gardiennage de bœufs- sacré, bovin, volé, abattu - sacrifier, voler, abattre, élever, garder

Production de phrases simples dans une conversation relative au zébu dans les us et coutumes malagasy

Siansa sy teknôlôjia - Soratr’omby  - Karazana omby

- Fahaizana manavaka ny omby araka ny sorany sy ny karazany

Matematika Ventim-bola : arivo ariary – alina ariary – hetsy ariary - tapitrisa ariary

- Fahaizana mampiasa ventim- bola- Fahaizana mikajy ny vola miasa amina fifanakalozana

Fanabeazana ara-batana Tolona Fahaizana mamoaka ny fitsipi-dalao Kanto Hosodoko mampiasa loko avy amin’ny akora Fahaizana mampifangaro loko ahazoana

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra isehoan’ny serasera sy ny fifanakalozana ao anaty fiharian-karena

Page 20: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

20

voajanahary soratr’omby

Fikarohana tsotsotra : Seho sehatra maneho ady amin’ny halatra omby.

Ohatra seha-piainana misy olana

* Ifandrombahana ny fividianana entana avy any ivelany

* Voasariky ny “vidéo” feno herisetra ny ankamaroan’ny olona

* Feno olona andro aman’alina ny toeram-pilokana isan-karazany

* Ifanotofan’ny olona ny kilalao avy any ivelany

* Viravirain’ny mpizahatany ny zanaka Malagasy

* Mihanaka eto amintsika ny fidorohana zava-mahadomelina isan-karazany

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra ihaonan’ny kolontsaina malagasy sy ny fivoaran’ny teknôlôjia

Page 21: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

21

* ...

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 22: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

22

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Ifandrombahana ny fividianana entana avy any ivelany

Entana vita teto an-toerana no nojifaina fahiny

- Fenitra sy kalitao- Fitaovana enti-mamokatra

Potiky ny fitobaky ny entana avy any ivelany ny seha-panodinana eto an-toerana

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialyFironana an-jambany amin’ny fanjifana entana mora vidy avy any ivelany : fripy, haingitraingitra, entana hosoka ...

Fahaizana mamantatra ny vokatry ny fanjifana an-jambany

- Hambom-po maha Malagasy- Mankafy ny entana vita eto an-toerana- Sarotiny amin’ny asa voakaly

Malagasy Entana vita malagasy mitaha amin’ny entana avy any ivelany

Fahaizana manome lanja ny asa voakaly vita Malagasy

Français

Lexique relatif aux produits malagasy et produits importés : - Friperie, pièce détachée, produit local, étiquette, piratage - périmé, original, importé, nombreux, travail soigné - choisir, admirer, commander, consommer

Production de phrases simples dans une conversation valorisant les produits malagasy

Siansa sy teknôlôjia Fenitra : kalitao, ara-pahasalamana, tsy mampidi-doza

Fahaizana misafidy ny entana manaja fenitra : ara-kalitao, ara-pahasalamana, tsy mampidi-doza

Matematika- Tetiandro- Fampitahana

- Fahaizana mamadika ho tarehimarika ny datin’andro- Fahaizana maminavina fe-potoana- Fampiasana ny mariky ny fampitahana

Fanabeazana ara-batana

Lalao fifaninanana Ohatra : hazakazaka anaty gony

Fahaizana mifaninana hanatrarana tanjona

Kanto Soratra sy sary mampita hafatra Fahaizana mamorona peta-drindrina misy sary sy hafatra manaitra sy manome lanja ny entana vita malagasy

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra ihaonan’ny kolontsaina malagasy sy ny fivoaran’ny teknôlôjia

Page 23: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

23

Fikarohana tsotsotra : Mandresy lahatra ny olona hanjifa ny entana vita eto an-toerana.

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 24: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

24

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Voasariky ny “vidéo” feno herisetra ny ankamaroan’ny olona

Voasivana ny horonan-tsarimihetsika nalefa isan-kerinandro fahiny

Sarimihetsika azo amin’ny fitaovana teknôlôjika vaovao

Simban’ny “video” feno herisetra ny toe-tsaina mitandro ny aina sy ny fananana

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialy- Zo : hiaina am-pilaminana, harovana amin’ny herisetra- Andraikitra hampisy filaminana : manalavitra herisetra, mandamina, miaro ny hafa

- Fahaizana manaja ny zon’ny tena sy ny an’ny hafa- Fahaizana mandray andraikitra hampisy filaminana

Mitana ny hasina maha-olona

Malagasy Endrika isehoan’ny filaminana : fitandroana ny aina, fihavanana, fanajana ny olona sy ny fananany

Fahaizana mamantatra ny maha zava-dehibe ny filaminana

FrançaisLexique relatif à la paix, à l’amitié : - adversaire, ami, guerre, respect, solidarité - amical, calme, gentil, violent - attaquer, vivre en paix, punir

Production de phrases simples dans une conversation relative au respect d’autrui

Siansa sy teknôlôjia - Maso : zara asany, fikoloana - Sofina : zara asany, fikoloana Fahaizana mikolo ny maso sy ny sofina

Matematika- Fotoana : ora, minitra, segondra,- Faharetana

- Fahaizana mamaky famantaranandro- Fahaizana mamantatra fotoana- Fahaizana maminavina faharetana - Fahaizana mandamina fotoana

Fanabeazana ara-batana

Lalao ifanandrinana Ohatra : baolina kitra Fahaizana manaja ny fitsipi-dalao

Kanto Dihy mirindra Fahaizana mandrindra ny fihetsika sy ny gadona miaraka amin’ny hafa

Fikarohana tsotsotra : Manentana ny hafa hiady amin’ny herisetra.

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra ihaonan’ny kolontsaina malagasy sy ny fivoaran’ny teknôlôjia

Page 25: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

25

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Feno olona andro aman’alina ny toeram-pilokana isan-karazany Vitsy ny olona nanatona ny toeram-

pilokana taloha

- Asa atakalo sakafo- Toeram-pamatsiam-bola ho an’ny tetikasa madinika- Toeram-piofanana maimaimpoana

- Fitadiavam-bola miantehitra amin’ny kisendrasendra- Asa fivelomana tsy marim-pototra

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialy - Fitombon’ny tsy an’asa - Fototra asa, vadin’asa, asa an-tselika

- Fahaizana manome ohatra asa fototra- Fahaizana manome ohatra vadin’asa - Fahaizana manome ohatra asa an-tselika

- Toe-tsaina tia miezaka

- Toe-tsaina tia karokaroka

MalagasyAsa : - antoky ny fahavelomana - maha olona ny olona

- Fahaizana mamantatra ny maha zava-dehibe ny antoky ny fahavelomana - Fahaizana mamantatra ny maha olona ny olona

Français

Lexique relatif au monde du travail - Population active, travail saisonnier, chômeur, salaire, emploi, métier - journalier, temporaire, professionnel - travailler, chercher du travail, employer

Production des phrases simples dans une conversation sur le monde du travail

Siansa sy teknôlôjia Sakafo voalanjalanja : firindran’ny sakafo araka ny lokony sy ny karazany

Fahaizana mamantatra sakafo voalanjalanja

Matematika Tetibola : vola miditra sy fandaniana Fahaizana mampitaha ny vola miditra sy mivoaka

Fanabeazana ara-batana Hazakazaka mifampitohy Fahaizana mifampita ny “témoin”

Kanto Fomba famolavolana sary vongana Fahaizana manamboatra sary vongana

Fikarohana tsotsotra : Manolotra amin’ny fomba tsotsotra asa fivelomana.

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra ihaonan’ny kolontsaina malagasy sy ny fivoaran’ny teknôlôjia

Page 26: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

26

Fitrandrahana seha-piainana misy olana

Ohatra seha-piainana misy olana Ohatra sehatra mitovitovy hita tany aloha Hevi-baovao Hevitra mafonja

Ifanotofan’ny olona ny kilalao avy any ivelany

Nifandrimbonana ny fanamboarana kilalao fahiny

- Fenitra sy kalitao - Fiarahamonina anjakan’ny fanjifana

Fandalinan-kevitra avy amin’ny seha-piainana misy olana

Taranja Fahalalana Fahaiza-manao Toetra amam-pihetsika

Siansa sosialy Fanjifana ny entana avy any ivelany : kilalao , fitafiana , sakafo, kapila mangirana ...

Fahaizana mamantatra ny fahabangan’ny seha-panodinana

- Hambom-po maha Malagasy

- Toe-tsaina tia mamorona

Malagasy Kilalao vita malagasy : karazany, fomba filalaovana azy Fahaizana misafidy kilalao

FrançaisLexique relatif aux jouets- jouet, maquette, pliage, montage- résistant, amusant, joli- s’amuser, jouer, fabriquer

Production de phrases simples exprimant la qualité d’un jouet

Siansa sy teknôlôjia Akora enti-manamboatra kilalao : hazo, tanimanga, taratasy Fahaizana mamantatra ny akora

ampiasaina

Matematika- Bola - Kapila, faribolana - Telolafy miraranjo

- Fahaizana mamantatra ny kapila sy ny bola, - Fahaizana manoritra faribolana - Fahaizana manoritra telolafy miraranjo amina fitsipika

Fanabeazana ara-batana Lalao baolina - Fahaizana manafika sy miaro tena

- Fahaizana mihazakazaka

Kanto Hira Fahaizana mampiara-peo

Fikarohana tsotsotra : Mamorona kilalao amin’ny alalan’ny akora misy eo an-toerana.

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Kilasin-tsehatra ihaonan’ny kolontsaina malagasy sy ny fivoaran’ny teknôlôjia

Page 27: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

27Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

ANNEXE

Page 28: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

28

TOETRA AMAM-PIHETSIKA

- Sahy mitaky sy miaro ny zo- Rehareha amin’ny fototra nihaviana- Toe-tsaina manaja ny fomba amam-panao misy eo an-toerana- Toe-tsaina manaja ny maha olona - Toe-tsaina manaja ny tontolo iainana- Toe-tsaina mitsinjo lavitra- Toe-tsaina manaja sy mitia ny ala- Toe-tsaina miezaka hanatsara ny vokatra- Toe-tsaina liana amin’ny fampivoarana ny seha-pamokarana faharoa - Manohitra ny fanambakana ataon’ny mpanelanelana- Toe-tsaina liam-pivoarana- Toe-tsaina manohitra ny tsy rariny- Saro-piaro amin’ny harena an-kibon’ny tany eo an-toerana- Toe-tsaina miady amin’ny kolikoly- Toe-tsaina liam-pivoarana- Hambom-po maha Malagasy- Mankafy ny entana vita eto an-toerana- Sarotiny amin’ny asa voakaly - Mitana ny hasina maha-olona- Toe-tsaina tia miezaka- Toe-tsaina tia karokaroka- Toe-tsaina tia mamorona

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 29: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

29

SIANSA SOSIALYFAHALALANA FAHAIZA-MANAO

- Fitombon’ny mponina: hakitroka - Karazana taratasy fananantany: bokin-tany, kadasitra, kara-tany, rejistra, taratasy fandovana - Fitombon’ny mponina, ny hetsiky ny mponina, vokany- Tantaran’ny Kaominina : vanim-potoana, mpitondra - Toerana manan-tantara sy ny haren-tsaina ao aminy : - Fitrandrahana ny ala : tavy, fandrehitra, fafana - Fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany: fifampifehezana, tompon’andraikitra, fahazoan-dalana- Fifandrindran’ ny seha-pamokarana telo : akora fototra vokarina eo amin’ny kaominina sy ny fomba famokarana azy- Firindran’ny sehatry ny varotra- Anjara toeran’ny omby eo amin’ny fiveloman’ny mponina : fitaovana enti-mamokatra, mariky ny fananan-karena, haja sy voninahitra- Fepetra mikasika ny fivezivezen’ny omby ao amin’ny kaominina : Bokin’omby, kavin’omby, aiza no hakana, iza no mameno azy, fomba fampiasana azy.- Zo : hiaina am-pilaminana, harovana amin’ny herisetra- Andraikitra hampisy filaminana : ireo toetra tsara hitondran-tena

- Fahaizana mamantatra ny hakitroky ny mponina- Fahaizana mamantatra ny karazana atontan-taratasy ilaina- Fahaizana mamaky teza - Fahaizana mamantatra toerana manan-tantara- Fahaizana mamaritra ny harena azo trandrahana eo an-toerana - Fahaizana mampitaha ny seha-pamokarana telo- Fahaizana mamantatra ny lalam-barotra- Fahaizana manaja ny zon’olombelona- Fahaizana mandray andraikitra - Fahaizana manome ohatra asa fototra

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 30: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

30

MALAGASYFAHALALANA FAHAIZA-MANAO

FITSIPIKY NY TENYFehezanteny kely indrindra : - mivany roa - mivany teloLantom-peoMarika amantarana ny fehezanteny iray : lohasoratra sy tebokaNy anjara asa fototra : EM – LFehezanteny : tso-drafitra Fehezanteny : mivadi-drafitra ny Kianteny : “dia”, “no”Ny anjara asa fameno:- mamaritra fotoana (omaly, anio, rahampitso...)- manondro toerana (teto,tao,..)Matoanteny misy tovona : m-, mi-, ma-, man-, a-Matoanteny misy tovana : -ina,-anaMpamaritoetraMpamaritrisa, ampahan-javatra Filaza tsotraFilaza mandidyFilazam-potoana : lasa, ankehitriny, ho avy

TSIPELINAHasimpeo sy hasin-tsoratraVaninteny sy tsindrim-peoFototeny sy tsirintenyFanakambanan-teny:- teny verindroa- sampanteny aman-tovona: mi- na ma-Mpisolo tena tampisaka

- Fahaizana manoratra fehezanteny kely indrindra- Fahaizana mandahatra fehezanteny mivany roa - Fahaizana mampiasa ny lohasoratra sy ny teboka. - Fahaizana mamorona fehezanteny tso-drafitra- Fahaizana mamorona fehezanteny mivadi-drafitra- Fahaizana mamorona fehezanteny ahitana matoanteny misy tovona- Fahaizana mamorona fehezanteny ahitana matoanteny misy tovana - Fahaizana mampiasa mpamari-toetra anaty fehezanteny- Fahaizana mamoronana lahatsoratra fohy - Fahaizana mampiasana filazam-potoana - Fahaizana mampiasa mpisolo tena tampisaka- Fahaizana manakamban-teny

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 31: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

31

FRANCAISSAVOIRS FONCTIONS LANGAGIERES

GRAMMAIRE- Phrase simple (sujet + verbe + complément)- Phrases négative et interrogative - Types de phrases : déclarative, exclamative, impérative- Indicateurs de temps - Indicateurs spatiaux (sur, sous, devant, derrière, à côté de, en haut, en bas, à droite, à gauche)- Adjectifs qualificatifs: contraire et féminin- Conjonction de coordination « et, ou, mais, donc, car »- Comparatifs de supériorité et d’infériorité : plus… que, moins… que- Verbes d’opinion, de souhait- Marqueurs exprimant l’idée de chronologie : Premièrement, deuxièmement, troisièmement ; D’abord, ensuite, et puis, enfin- Genre et nombre des noms et des adjectifs inclus dans les mots étudiés

CONJUGAISON- Mode indicatif au temps présent des verbes « être » et « avoir »- Indicatif présent, passé composé, futur simple des verbes simples utilisés - Impératif présent des verbes requis par la situation

PRONONCIATION - Sons contenus dans les termes étudiés- Intonation des phrases

- Accueillir quelqu’un : saluer, souhaiter la bienvenue - Se présenter à quelqu’un- Présenter quelqu’un / quelque chose- Demander à quelqu’un un objet / un service- Répondre à une question, à quelqu’un- Informer quelqu’un sur quelque chose- Exprimer son choix- Discuter avec quelqu’un- Echanger son point de vue / des impressions

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 32: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

32

SIANSA SY TEKNOLOJIAFAHALALANA FAHAIZA-MANAO

TondroavaratraAndriambyFanajariana ny tanyKoroka/ neno: fomba fiainanyFandotoana ny rivotra, ny rano, ny nofontany Fandotoana rano sy rivotra avy amin’ny olonaFandotoana rano sy rivotra avy amin’ny bibyAretina vokatry ny loto : fivalananaSakafo voalanjalanja : firindran’ny sakafo araka ny lokony sy ny karazany Fifandrohizana ara-tsakafo eo amin’ny zava-manan’aina Maso : zara asany, fikoloana Sofina : zara asany, fikoloana Fomba fitehirizana sy fanodinana hazandrano : fanasaliana, fanamainana, fitehirizana amin’ny vata fampangatsiahanaFomba fitehirizana sy fanodinana vokatry ny tany Karazana harena an-kibon’ny tany misy ao an-toeranaKarazana omby : omby gasy, omby rana, ombivavy be rononoSoratr’omby : fotsy , mainty, manja, mazava lohaAkora enti-manamboatra kilalao : hazo, tanimanga, taratasy, plastika, vy

- Fahaizana mampiasa ny andriamby - Fahaizana mampiasa tondroavaratra - Fahaizana mikojakoja ny toerana - Fahaizana miaro ny fanaka amin’ny koroka- Fahaizana mitandro fahadiovana- Fahaizana misoroka ny aretim-pivalanana- Fahaizana mamantatra ny sakafo tsy manara-penitra- Fahaizana mamantatra ny sakafo amin’ny alalan’ny lokony- Fahaizana mitandrina ny tena tsy hihinana sakafo tsy ara-pahasalamana- Fahaizana mikolo ny vatana- Fahaizana mamantatra ny fepetran’ny fitehirizana sy fanodinana vokatra- Fahaizana mamantatra ireo harena an-kibon’ny tany - Fahaizana mamantatra sy mampiasa ny akora sy ny loza mety haterany

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 33: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

33

MATEMATIKAFAHALALANA FAHAIZA-MANAO

RAFITRISAMari-drefy (1/5000, 1/10000) : Hakitroka Antontanisa voarakitra anaty tabilaoIsa amam-paingo, isa tafolo amam-paingoAmpaha Vidy ividianana, sarany, masonkarena, vidy ivarotana, tombony, fatiantokaVenty ara-bola : zato ariary, arivo ariary, alina ariary, hetsy ariary, tapitrisa ariary, 5 arivo ariary, 7alina ariary, 10 tapitrisa ariary Mariky ny fampitahana : kely noho <, lehibe noho >, mira =Tetibola : vola miditra sy fandanianaVola miditra, vola lany, trosa, tahiry

REFYHalavirana : jotsotombo sy songatombon’ny metatraHadiry : metatra toratelo Velarana : jotsotombo sy songatombon’ny metatra toradroa, tetikefamira Fiatiana : karazam-pamarana fiatiana, jotsotombony sy songatombon’ny litatra Lanja : karazam-pitaovam-pandanjana, songatombon’ ny grama, antsasanyTetiandro : andro, herinandro, volana, tapabolana, roatokom-bolana, taona Fotoana, faharetana adiny, andro (hateloana, efarana, hadimiana, henemana), taona

RAFITSARYTelolafy miraranjo Iraizodafy, roazodafyTeza Vainga : telozodrirana mahitsizoro sy goba: Bola, kapila, faribolana : savaivo, tana, ivo

- Fahaizana mamaky sy mampiasa maridrefy- Fahaizana mamaky isa tsimivaky- Fahaizana mampitaha vidin’entana - Fahaizana mamantatra ny hevitry ny antontanisa - Fahaizana mamantatra ny vidy mifanaraka amin’ny lanja- Fahaizana mamantatra ny tombombarotra na ny fatiantoka - Fahaizana mamadika isa tafolo ho isa amam-paingo- Fahaizana maminavina faharetana - Fahaizana mandrafitra fandaharam-potoana - Fahaizana mamaky sy manoratra ora - Fahaizana mamantatra sy mampitaha endrika ara-jeometria- Fahaizana manoritra telolafy miraranjo amin’ny fitsipika - Fahaizana mamaky sy mametraka vanim-potoana - Fahaizana mampitaha ny tava, fototra, haavo, rirany - Fahaizana mikajy velarana- Fahaizana manoritra faribolana amin’ny fampiasana tadikely

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo

Page 34: Fandaharam-pianarana Taona fahatelo · Web viewTena anjaran’ny mpampianatra koa ny manampy ny mpianatra hahay hanitsy ny tenany, hahay hamaha olana ary hahay hisintona traikefa

34

FANABEAZANA ARA-BATANAFAHALALANA FAHAIZANA MANAO

HAZAKAZAKA - Rarangy fohy- Hazakazaka mifampitohy- Hafainganana

- Fahaizana mandeha mandroso- Fahaizana mandeha mihemotra- Fahaizana misintona- Fahaizana mihazakazaka- Fahaizana maka bahana

VIKINA- Vikin-dava- Vikina miakatra

- Fahaizana mivikina amin’ny alalan’ny tongotra mitambatra- Fahaizana mivikina miakatra mandingana zavatra avoavo- Fahaizana mivikina latsaka : miakatra amin’ny toerana avoavo

FANETSIKETSEHANA ARA-TSPAOROTsipy baolina impolo misesy

Fahaizana mitoraka sy mikendry zavatra izay

Tolona Fahaizana mianjera

KANTOFAHALALANA FAHAIZANA MANAO

SARY- soritra- bika : habe, halava- endri-tsoratra- loko fototra, loko fanampiny

Fahaizana :-Fahaizana manoritra sary tsotra ahafahana mandanjalanja ny habe sy ny halavan-javatra-Fahaizana mandoko sary

HIRA SY MOZIKA- fiovan’nyfeo : feo 1, feo 2 sy feo 3- firiindran’ny feo

- Fahaizana manavaka ny feo sôl, dô, re, mi- Fahaizana mihira mifanenjika

DIHY- manetsika tanana, loha, soroka manaraka ngadona na hira vakodrazana- manetsika tongotra sy ny andilana manaraka ngadona na hira vakodrazana- dihy malagasy fanao eo an-toerana

Fahaizana mampihatra sora- dihy

SEHO SEHATRA- fiantefan’ny fijery- fanomanana ny teny- endrika mitantara

Fahaizana  maneho endrika mifanaraka amin’ny fihetseham-po

Fandaharam-pianarana Taona fahatelo