28
Tetikasa famafazana fanafody isan-tokatrano aty Afrika Fandaharanasan’ny Filoha hiadiana amin’ny tazomoka Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody JANOARY 2014

Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

  • Upload
    others

  • View
    10

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

Tetikasa famafazana fanafody isan-tokatrano aty Afrika

Fandaharanasan’ny Filoha hiadiana amin’ny tazomoka

Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

JANOARY 2014

Page 2: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

Tolo-kevitra ho an’ny ampahan-dahatsoratra: Were, Allan, Spray Operator Pocket Guide (Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody). Bethesda, MD: Tetikasa famafazana fanafody isan-tokatrano aty Afrika, Fandaharanasan’ny Filoha hiadiana amin’ny tazomoka, Janoary 2014.

Fifanarahana Lah.: GHN-1-00-09-00013-00

Fanafarana entana Lah.: AID-OAA-TO-11-00039

FANAMBARANA Ny hevitry ny mpanoratra voalaza ato amin’ity boky kely ity dia tsy voatery hifanitsy amin’ny an’ny Birao Amerikana miandraikitra ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena na amin’ny an’ny Fitondrana Amerikana.

Sary eo amin’ny fonony: Tsy fantatra

Abt Associates4550 Montgomery Avenue Suite 800 North Bethesda, Maryland 20814T. 301.347.5000F. 301.913.9061www.abtassociates.com

Ity boky kely ity dia natonta mba hohamarinin’ny Birao Amerikana miandraikitra ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena. Allan Were no nanomana azy.

Page 3: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

Fizahan-takila

1 Fitaovanafiarovan-tenamanokana(PersonalProtectiveEquipment,PPE) . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 1

2 Kitapo . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 2

3 Fahasalamana & vatana tomady . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 3

4 Fitandremana ara-piarovana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 4

5 Vonjy aina . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 5

6 Fitondran-tenan’ny Mpamafy ny fanafody rehefa ao amin’ny tokantrano . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 6

7 Fiarovana ao an-tokantrano . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 7

8 Fanomanana ny trano hamafazana fanafody . . . . . . . . . . . 8

9 Fampifangaroana ny fanafody famonoana bibikely . . . . . . 10

10 Fomba famafazana ny fanafody . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 12

11 Famafazana ny fanafody amin’ny valin-drihana . . . . . . . . 14

12 Famafazana ny fanafody ambanin’ny tafo ao ivelany . . . . 15

13 Rehefamampiasailayfitaovanafamafazanafanafody,tandremo tsara ireto manaraka ireto ary raha misy olana dia ampahafantaro ny Mpifehy ny Ekipanao na ny Lehibenao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 16

14 Rehefa avy mamafy fanafody ao amin’ny trano iray . . . . 17

15 Ny tokony hatao amin’ny ambin’ny fanafody famonoana bibikely & fako voan’ilay fanafody . . . . . . . . . . . . . . . . . . 18

16 Fanadiovana rehefa vita ny asa amin’iny andro iny . . . . . 19

17 Nytokonyhikirakirananyfitaovanafamafazana fanafody . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 20

18 Ireo tanjona kendrena amin’ny famitana asa . . . . . . . . . . 21

Page 4: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny
Page 5: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE)

■■ Alohan’ny hanombohana hamafy fanafody dia anaovy daholo ireo PPE rehetra izay tokony hadio avokoa.

■■ Anisan’izany ny: • Akanjo fiaro • Aroloha misy fiarovana ny tarehy • Aro vovoka • Fonon-tànana • Kiraro fingotra

TOROMARIKA:■■ Anaovy ivelan’ny kiraro fingotra ilay akanjo fiaro.■■ Anaovy ivelan’ny moron-tànan’ny akanjo fiaro ilay fonon-

tànana.■■ Ilazao avy hatrany ny Mpifehy ny Ekipanao raha misy

tsy antonona anao tsara amin’ireo PPE azonao, na misy fahasimbana (oh: rovitra)

Page 6: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

2 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Ny kitapo dia tsy tokony hitondrana afa-tsy ireto manaraka ireto (mety hiova araka ny firenena misy anao ny lisitra manaraka eto): • Fanafody famonoana

bibikely • Harona plastika, na

tavoahangy, foana • Famafa • Taratasy kely sy taratasy

fameno ho an’ny famafazana fanafody

• Penina

TOROMARIKA:■■ Aza itondrana fanànanao manokana ilay kitapo.■■ Ataovy tazanao sy eo ambany fifehezanao amin’ny fotoana

rehetra ilay kitapo.■■ Avereno any amin’ny magazay ilay kitapo isaky ny vita ny

asa amin’iny andro iny.

• Loham-pantsona fiandry • Fitaovana fanamboarana

raha simba ilay famafazana fanafody

• Lambakely sivana • Plastika fandrakotra • Jiro fanao am-paosy

2. Kitapo

Ataovy tazanao maso foana ny kitaponao.

Page 7: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

3 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Mialà sasatra tsara foana isaky ny alina mialoha ny andro hiasana.

■■ Mihinàna sakafo maraina ampy tsara alohan’ny hanombohanao miasa.

■■ Misotroa rano na ranom-boakazo betsaka tsara alohan’ny hamonjenao ny toeram-piasana.

TANDREMO:■■ Ilazao avy hatrany ny Mpifehy ny Ekipanao raha mitranga

aminao ny iray amin’ireto mandritra ny andro: • Tsy afaka

misefo tsara • Aretin’andoha • Harerahana

• Hidihidy na hirifiry amin’ny maso

• Hidihidy na hirifiry amin’ny hoditra

• Endrika hafa isehoan’ny tsy fahasalamana na tsy fahatomombanana ara-batana

3. Fahasalamana & vatana tomady

Page 8: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

4 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Fadio ny misakafo, misotro na mifoka sigara raha mbola miasa.

■■ Raha toa misy faritra amin’ny tenanao voan’ilay fanafody famonoana bibikely, sasao amin’ny savony sy rano avy hatrany ary ampahafantaro ny Mpifehy ny Ekipanao na ny Lehibenao.

■■ Foany ny tsindry ao anatin’ny fitaovana famafazana fanafody rehefa mifindra avy amin’ny tokantrano iray ho any amin’ny manaraka, sy rehefa mivezivezy eny anatin’ny tanàna ianao.

4. Fitandremana ara-piarovana

Page 9: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

5 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

Ampahafantaro avy hatrany ny Mpifehy ny Ekipanao na ny Lehibenao raha mitranga ny iray amin’ireto:

■■ Fifohana anaty havokavoka ■■ Mivoaha avy hatrany an’ilay trano. ■■ Mipetraha amin’ny toerana malomaloka. ■■ Ny Mpifehy ny Ekipanao na ny Lehibenao no hampitondra

anao any amin’ny tobim-pahasalamana.

■■ Voan’ny fanafody ny hoditra ■■ Esory avy hatrany izay fitafiana voakasika rehetra. ■■ Avy hatrany dia sasao amin’ny savony dia tobasy rano be

dia be. ■■ Raha tsy mijanona ilay fangirifiriana na fangidihidiana

mahazo ny hoditra, dia ampahafantaro ny Mpifehy ny Ekipanao na ny Lehibenao, izay hampitondra anao any amin’ny tobim-pahasalamana.

■■ Voan’ny fanafody ny maso ■■ Avy hatrany dia tobasy rano, hatrany ambanin’ny hodi-

maso, mandritra ny 15 minitra farafahakeliny. ■■ Hoentina hozahana any amin’ny tobim-pahasalamana

ianao.

5. Vonjy aina

Page 10: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

6 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Manehoa fahalalam-pomba sy fanajana rehefa miresaka amin’ny olona ao an-tanàna.

■■ Ampahafantaro ny olona ao amin’ilay tokatrano fa ny Governemanta Amerikana no mamatsy ara-bola ilay tetikasa famafazana fanafody.

■■ Ampahafantaro azy ireo fa natao hiarovana ny tenany sy ny ankohonanay tsy ho azon’ny tazomoka izany famafazana fanafody izany.

■■ Hazavao avokoa ireo dingana hatao hanomanana ny tranon’izy ireo alohan’ny hamafazana ny fanafody.

■■ Mierà amin’izay olon-dehibe ao amin’ilay trano alohan’ny handrosoana ao an-tranon’olona.

6. Fitondran-tenan’ny Mpamafy ny fanafody rehefa any amin’ny tokantrano

Page 11: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

7 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Alohan’ny famafazana fanafody, dia ataovy azo antoka fa mihataka farafahakeliny 10 metatra alavitry ny trano ny ankizy sy biby fiompy mandritra ny fampifangaroana ny fanafody famonoana bibikely sy ny famafazana azy.

■■ Ampahafantaro ireo iantefan’ny tetikasa fa: • Tokony hiandry farafahakeliny ora 2 izy ireo alohan’ny

hidirana ao amin’izay trano avy namafazana fanafody, mba ho maina tsara ny rindrina.

• Aorian’ny ora 2, dia tokony hovohany avokoa ny varavaram-be sy ny varavaran-kely hidiran’ny rivotra.

• Tokony hofafàna ny trano alohan’ny hidiran’ny olona sy ny biby fiompy.

• Tokony hariana any an-dava-piringa na alevina 50 sm ambanin’ny tany izay bibikely na fako voaangona. Tsy tokony havela hohanin’ny biby fiompy na ny biby ao an-trano izay bibikely maty tao amin’ny trano namafazana fanafody.

• Tsy tokony hosasàna, holokoana na hasiana plâtre izay rindrina avy namafazana fanafody.

7. Fiarovana ao an-tokantrano

Tokony hariana any an-dava-piringa na alevina 50 sm ambanin’ny tany ny bibikely maty na fako voaangona.

Page 12: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

8 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Ilazao mialoha ny iantefan’ny tetikasa fa ho avy ianareo, mba hahafahany miomana.

■■ Ataovy azo antoka fa navoaka ny trano avokoa izay zavatra na fanaka azo avoaka alohan’ny hanombohanao mamafy ny fanafody. Santionany amin’izany: • Sakafo sy fitoeran-tsakafo • Rano sy fitaovana

fitahirizana rano • Fitaovan-dakozia • Zavatra mihantona

eo amin’ny rindrina■■ Ataovy eo afovoan-trano ny fanaka lehibe tsy tafavoaka, dia

rakofy amin’ny plastika. Aza amafazana fanafody izay efitra misy olona tsy afaka mivoaka, toy ny tsy salama.

■■ Akatony avokoa ny varavaram-be sy ny varavaran-kely rehetra mandritry ny famafazanao fanafody ao amin’ilay trano.

• Fitafiana • Kilalao • Fanaka

8. Fanomanana ny trano hamafazana fanafody

Tokony havoaka ny trano avokoa izay zavatra na fanaka azo avoaka alohan’ny hanombohanao ny asa famafazana.

Page 13: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

9 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

ZAVATRA FANANTONA AMIN’NY RINDRINA, SARY LEHIBE, SARY & ZAVATRA HAFA EO AMIN’NY RINDRINA■■ Fantaro na azo esorina teo amin’ny rindrina ny zavatra iray

na tsia.■■ Fafazo fanafody izay zavatra hita fa hijanona maharitra eo

amin’ny rindrina. • Raha toa ilay zavatra ka azo ingaina hihataka ny rindrina,

dia tokony hofafazanao fanafody koa ao an-damosiny, sy ny rindrina tandrify ny lamosiny.

■■ Raha misy fanaka tsy azo ahetsika tandrify ny rindrina, dia atodiho eo anelanelan’ny rindrina sy ilay fanaka ny fantsona fivoahan’ny fanafody, dia fafazo. (Tsarovy fa mety tsy ho azo atao ny mihazona ilay elanelana manara-penitra).

■■ Akisaho alavitra izay fanaka any ivelan’ilay trano, izay nampirimina ambanin’ny tafo ao ivelany.

Page 14: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

10 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Apetraho amin’ny faritra marin-toerana tsara any ivelan’ny trano ny fitaovana famafazana fanafody, alavitr’ireo fanaka navoaka.

■■ Saròny amin’ny lambakely sivana ny vavan’ilay fitaovana famafazana fanafody.

■■ Fenoy rano madio hatreo amin’ny antsasany ny fitaovana famafazana fanafody.

9. Fampifangaroana ny fanafody famonoana bibikely

Fampifangaroana ny fanafody famonoana bibikely

Plastika misy fanafody levon’ny rano

Singa mandrafitra ilay ranom-panafody

Sokafy ilay plastika/kitapo kely eo ivelany mitahiry ny

fanafody famonoana bibikely dia alatsaho ao amin’ilay

fitaovana famafazana fanafody ilay plastika mora mitsonika

ao anatiny.

Sokafy ny tavoahangy misy ny fanafody famonoana bibikely

ary araraho moramora ao amin’ny fitaovana famafazana

fanafody ny ao anatiny.

Apetraho ao anatin’ny kitaponao ilay plastika/kitapo

kely teo ivelany.

Kobano in-telo ny ao anatin’ilay tavoahangy avy nisy fanafody

famonoana bibikely sady araraho ao amin’ny fitaovana

famafazana fanafody ny ambinkambiny tao.

Saròny indray ilay tavoahangy avy nisy fanafody ary avereno

ao anatin’ny kitaponao.

Page 15: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

11 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Saròny amin’ny lambakely sivana ny vavan’ilay fitaovana famafazana fanafody.

■■ Fenoy amin’ny ambin’ilay rano ny sisa amin’ilay fitaovana famafazana fanafody.

■■ Hidio ny saron’ilay fitaovana famafazana fanafody.

■■ Tsindrio misesy in-dimy mafy tsara ny fitaovana famafazana fanafody.

■■ Raiso amin’ny tanan-droa ilay fitaovana famafazana fanafody. Raiso amin’ny vatany ilay tavy, dia ahontsany mafy miankavia sy havanana, im-polo.

■■ Avereno apetraho eo ambany indray ilay fitaovana famafazana fanafody.

■■ Apetraho mafy tsara eo amin’ny faritra voatokana ho amin’izany ny tongotrao ary ataovy eo anilanao ilay fitaovana famafazana fanafody.

■■ Rehefa mipaompy iny ianao, henoy sao dia misy rivotra misoka (mivoaka) avy ao amin’ilay fitaovana famafazana fanafody. Ampahafantaro ny Mpifehy ny Ekipanao raha ahianao misy rivotra misoka mivoaka ilay fitaovana famafazana fanafody.

Fomba manara-penitra fipaompianailayfitaovana.

Fampiakarana ny tsindry ao anatin’ny fitaovana famafazana fanafody

Hudson Goizper

Tsindrio misesy mandra-pahatonga ny marika ho 55 psi, na tsindrio misesy

in-55, ka tsindrio tanteraka sy mitovy hamafy

Tsindrio misesy mandra-pisy rivotra kely mivoaka

eo amin’ny lavaka fiarovana ka tazana ilay

marika mena

Page 16: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

12 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Araho ny fenitra amin’ny fomba fitondrana ilay fitaovana famafazana fanafody, ka ampiasao ny tady fiantsorohana azy. Raha toa ianao mampiasa ilay fitaovana famafazana fanafody atao hoe Hudson, ataovy azo antoka fa azonao vakiana tsara ny mari-drefin’ny fanafody ao anatiny.

■■ Hazòny amin’ny tànana ilany ilay fitifirana ny fanafody. Tokony ho 45 sm miala amin’ny rindrina ny lohan’ilay fitaovana famafazana fanafody rehefa mihazona ilay fantsona mahitsy manandrify ny rindrina ianao (“kendry afovoany”). Izay no hahazoana antoka fa voahajanao ilay fenitra 75 sm rehefa mamafy ny fanafody manodidina.

■■ Eny ambony indrindra amin’ny rindrina (“kendry an-tampony”) no fafazana fanafody voalohany, dia mamafy tsikelikely midina mandalo amin’ny “kendry afovoany” ny tànanao, mandra-pahatonga eo amin’ny “kendry ambany”.

10. Fomba famafazana ny fanafody

Fiofanana’nympamafyfanafodyamin’nyfampiasananyfitaovam-pamafazana Goizper.

Page 17: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

13 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Hazòny ilay hafainganam-piasa ilaina rehefa mamafy ny fanafody. Araka ny fiofanana azonao, dia tokony ho velran-drindrina 2 metatra no voafafy ao anatin’ny 5 segondra.

■■ Rehefa voafafy fanafody ny faritra iray voalohany, dia mikisaka indray mandingana miankavanana, dia alefaso avy any ambany no miakatra indray ny famafazana fanafody.

■■ Ataovy azo antoka fa mifanindry 5 sm ny faritra fafazanao fanafody isaky ny mikisaka ianao.

■■ Mikisaha hatrany mankany ankavanan’ny faritra hofafazana fanafody.

■■ Ahontsany mafy ilay fitaovana famafazana fanafody isaky ny avy mikisaka im-polo ianao.

Hazòny ilay tsindry tena ilaina

Fitaovana famafazana fanafody, karazany Hudson

Fitaovana famafazana fanafody, karazany Goizper

Araho maso foana ny marika manambara ny tsindry ao

anatin’ny fitaovana, ka tandremo tsy ho latsaky ny 35 psi na

ambanin’izay

Hijanona ho azy ny fivoakan’ny fanafody famonoana bibikely

raha vao latsaky ny fenitra ambany indrindra ilainy ny

tsindry ao anatin’ny fitaovana

Atsaharo ny famafazana fanafody raha latsaky ny 35 psi ny tsindry

ao anatin’ny fitaovana

Atsaharo ny famafazana fanafody rehefa mijanona ho azy ny fivoakan’ny fanafody

famonoana bibikely

Apetraho amin’ny tany ilay fitaovana famafazana fanafody dia avereno hahatratra 55 psi ny

tsindry ao anatiny

Apetraho amin’ny tany ilay fitaovana famafazana fanafody dia avereno hiakatra ny tsindry ao anatiny, ka tsindrio misesy

mandra-pisy rivotra kely mivoaka eo amin’ny lavaka fiarovana (ary

tazana ilay marika mena)

Page 18: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

14 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

11. Famafazana ny fanafody amin’ny valin-drihana

■■ Rehefa voafafy fanafody daholo ny rindrina dia fafazo indray ny valin-drihana ao amin’ilay trano.

■■ Ataovy miala 45 sm avy amin’ny faritra hofafazana fanafody ny lohan’ny fantsona, dia ataovy mitovy amin’ny hafaingananao teo amin’ny rindrina ny fiasanao.

■■ Hazòny mahitsy araka izay takatrao ilay lohan’ny fantsona famafazana fanafody.

■■ Sady mamafy ianao no mihemotra mba tsy hiraraka amin’ny tenanao ilay fanafody nafafy.

Page 19: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

15 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

12. Famafazana ny fanafody ao ambanin’ny tafo ao ivelany

■■ Ny ambanin’ny tafo ao ivelany no fafazana fanafody farany, rehefa vita ny ao anatin’ny trano.

■■ Esory avokoa izay fanaka na sakana mety hamingana anao ao an-davarangana rehefa mamafy fanafody.

■■ Atodiho mahitsy any ambony ilay lohan’ny fantsona famafazana fanafody, toy ny famafazana ny fanafody tamin’ny valin-drihana. Atodiho mankany ambanin’ny tafo ao ivelany ny lohan’ny fantsona famafazana fanafody.

■■ Aza fafazana fanafody ny rindrina any ivelany.■■ Rehefa mamafy ny fanafody ianao dia kendreo ho ao

ambanin’ny tafo ao ivelany foana ny lohan’ny fantsona famafazana fanafody.

■■ Ataovy manaraka ny halavan’ny rindrina ny fomba famafazana ny fanafody. (Afafy manaraka ny halavan’ny rindrina fa tsy atao manitsy na manalavitra ny rindrina ny fihetsika).

■■ Ampitovio amin’ny namafazana fanafody tamin’ny faritra hafa ny hafaingan’ny fiasanao.

Fombafijoro,fihetsikanafanaorehefamamafyfanafodyaoambanin’nytafo ao ivelany.

Page 20: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

16 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

13. Rehefa mampiasa ilay fitaovana famafazana fanafody, tandremo tsara ireto manaraka ireto ary raha misy olana dia ampahafantaro ny Mpifehy ny Ekipanao na ny Lehibenao

■■ Misy manary na mitohana ■■ Lohan’ny fantsona famafazana fanafody efa lozitra■■ Atsaharo ny famafazana fanafody raha misy miditra ao

an-trano, na raha misy olona na biby fiompy manakaiky latsaky ny 10 metatra mandritra ny famafazanao fanafody ao ambanin’ny tafo ao ivelany.

Page 21: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

17 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Ataovy azo antoka fa mihidy avokoa ny varavaram-be sy ny varavaran-kely rehetra.

■■ Foany ny tsindry ao amin’ny fitaovana famafazana fanafody.■■ Ampahatsiahivo ny olona ao amin’ilay tokatrano ireo

toromarika ara-piarovana.■■ Fenoy araka ny fiofanana azonao ireo taratasy kely fameno

ho fanangonana antontan-kevitra.

14. Rehefa avy mamafy fanafody ao amin’ny trano iray

Page 22: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

18 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Avereno any amin’ny Mpifehy Ekipa na Tompon’andraikitry ny magazay ny harona na tavoahangy plastika misy fanafody famonoana bibikely tsy niasa rehetra isaky ny vita ny asa amin’iny andro iny. Ataovy azo antoka fa izay fanafody famonoana bibikely rehetra naverinao any amin’ny magazay dia voarakitra an-tsoratra.

■■ Ilazao ny Mpifehy Ekipa raha toa ka misy ambiny ny fanafody famonoana bibikely efa voafangaro ao anatin’ny fitaovana famafazana fanafody nampiasainao rehefa vita ny asa ho an’ny andro iray.

■■ Araraho ao amin’ny barika laharana 1 izay fanafody famonoana bibikely efa voafangaro rehetra ka naverina tany amin’ny toeram-piasana.

FAKO VOAN’ILAY FANAFODY■■ Heverina ho voan’ilay fanafody ireto manaraka ireto: ■■ Harona na tavoahangy plastika avy nisy fanafody

famonoana bibikely.■■ Aro vovoka efa niasa ■■ Omeo ny Mpifehy Ekipa sy ny Mpiandraikitra ny magazay

ny aro vovoka efa niasa rehetra rehefa vita ny asa amin’iny andro iny. Horaketin’ny Mpiandraikitra ny magazay an-tsoratra avokoa izay aro vovoka efa niasa naverina any aminy.

15. Ny tokony hatao amin’ny ambin’ny fanafody famonoana bibikely & fako voan’ilay fanafody

Page 23: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

19 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Anaovy avokoa ny PPE rehetra rehefa manatontosa ny lamina fanakobanana miandalana (in-telo miantoana).

■■ Esory ny akanjo fiaro nanaovanao dia omeo hosasana.■■ Omeo ny Mpifehy Ekipa na Mpiandraikitra ny magazay

ny sisa amin’ny PPE sy fitaovana hafa teny aminao.■■ Mandroa iray manontolo, mampiasà savony, ao amin’izay

toerana voatondro handroana eo amin’ny toeram-piasana.

16. Fanadiovana rehefa vita ny asa amin’iny andro iny

Anaovynyfitafianafiarorehefamanatontosanylaminafanakobananain-telo miantoana.

Page 24: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

20 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Kajio tsara daholo ny fitaovana nomena anao.■■ Izay antony namoronana an’ilay fitaovana ihany no

ampiasana azy.■■ Mety hiteraka sazy ny tsy fitandremana sy familiana dia ny

fananana sy fitaovan’ny tetikasa.■■ Mety hiteraka sazy ny fampiasana tsy ara-drariny

na familiana dia ny fananana sy fitaovan’ny tetikasa iandraketanao.

17. Ny tokony hikirakirana ny fitaovana famafazana fanafody

Fitaovana famafazana fanafody mihantona araka ny tokony ho izy mba hitsika, eo amin’ny faritra voaomana ho amin’izany.

Page 25: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

21 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

■■ Tokony ho fantatrao ny salan’isan’ny trano tokony ho voafafinao fanafody isan’andro. Raha tsy mazava aminao tsara ny tarehimarika, dia manontania ny Mpifehy ny Ekipanao.

■■ Ny tanjona hotratrariko amin’ny famafazana fanafody isan’andro dia ____

■■ Tokony ho fantatrao ny salanisan’ny trano tokony ho vitan’ny harona (na tavoahangy) tsirairay feno fanafody famonoana bibikely.

■■ Ny harona (na tavoahangy) tsirairay feno fanafody famonoana bibikely dia tokony hahavita trano miisa ____ amin’ny ankapobeny.

18. Ireo tanjona kendrena amin’ny famitana asa

Page 26: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

22 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

Tsarovy fa manampy amin’ny fiarovana ny tanànanao amin’ny tazomoka ny anjara asa nomena anao!

Page 27: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

23 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody

Page 28: Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody...1 Boky torolàlana ho an’ny Mpamafy ny fanafody 1. Fitaovana fiarovan-tena manokana (Personal Protective Equipment, PPE) Alohan’ny

Tetikasa famafazana fanafody isan-tokatrano aty Afrika