Lesona 8 hatao ny 21 Novambra, 2020 2020. 11. 18. · handefa ny Fanahy Masina hanohy ny asa...

Preview:

Citation preview

Lesona 8 hatao ny 21 Novambra, 2020

Fanabeazana manavotra

Jesosy Mpampianatra

Ny Baiboly mpampianatra

Ny olombelona mpampianatra

Ny Fanahy Masina Mpampianatra

Ny Baiboly dia milaza ny amin'ny tantaran'nyolombelona araka ny fijerin'Andriamanitra.

Hitantsika ao amin'ny Baiboly ny fombananabeazan'Andriamanitra ny olony sy nynampianariny azy ireo momba ny fahasoavany sy nydrafi-panavotany.

“Tamin'ny andronamoronan'Andriamanitra ny olona diatahaka ny tarehin'Andriamanitra no

nanaovany azy.” (Genesisy 5:1)

Ny olombelona ihany no zavaboary etoan-tany noforonina araka nyendrik'Andriamanitra (Genesisy 1:27).

Natao hampita izany endrika izany tamin'ny zanany i Adama sy Eva. Saingy, noho ny ota, rehefa niteraka izy ireo dia "araka ny tarehiny" fa tsy araka ny tarehin'Andriamanitra nyzanany (Genesisy 5:3). Nihasimba tsikelikely ny endrik'Andriamanitra isaky ny taranaka

nifandimby. Ny tanjon'ny fanabeazan'Andriamanitra dia nyfamerenana amin'ny laoniny ny endrik'Andriamanitra ao amintsikaamin'ny alalan'ny drafi-panavotana.

Ity drafitra ity dia mandrakotra nytantaran'ny olombelona manontolo, nanomboka teo amin'ny nidiran'nyota teto amin'izao tontolo izao kahatramin'ny Famoronana vaovao, ao anatin'izany ny nahatongavan'iJesosy nofo. Hanohy handinika nydrafi-panavotana mandritra nymandrakizay isika.

“Hamerina indray eo amin'ny

olombelona ny endriky ny

Mpanao azy, hamerena azy indray

eo amin'ny fahatanterahana izay

namoronana azy, hampiroborobo

ny fitomboan'ny vatana, ny saina

ary ny fanahy, mba

hahatanteraka ny

fikasan'Andriamanitra tamin'ny

namoronany azy – izany no

asan'ny fanavotana. Io no

tanjon'ny fanabeazana, ny

tanjona lehibe eo amin'ny

fiainana.” E.G.W. (Education, tk. 1, p. 15)

JESOSY MPAMPIANATRA “Raby ô, fantatray fa

mpampianatra avyamin'Andriamanitra Hianao;”

(Jaona 3:2)

Mirakitra faminaniana mahagaga momba nyMesia ny Isaia 11: 1-9. Aseho ho Mpampianatra Jesosy ao amin'ity andalanaity: Hanana ny Fanahin'ny fahendrena Izy

Hanana ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina Izy

Hanana ny Fanahin'ny fahalalana Izy

Hitsara amin'ny fahamarinana Izy

Hanapa-kevitra araky ny rariny Izy

Izao no vokatra farany amin'ny asany amin'nymaha Mpampianatra Azy: "ny tany ho henika nyfahalalana an'i Jehovah."

Iray tamin'ireo olona voalohany nanaiky an'iJesosy ho Mpampianatra (Raby) i Nikodemosy.

Nohazavain' i Jesosy taminy fa ny fanomezam-pahasoavan'ny fampianarany dia fanomezanaavy amin'Andriamanitra (Jao. 3: 11-12). Manomana ny mpampianatra hanatanteraka nyasany Andriamanitra.

“Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihainoireo izy.” (Lioka 16:29)

Nasehon'i Paoly ho toy ny boky faran'izay tsara indrindra tamin'i Timoty nyBaiboly: “mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsianaizay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16). Ny tsirairayamin'ireo fizarana ao aminy dia misy zavatra azontsika ianarana avokoa.

NY

TES

TAM

ENTA

TA

LOH

A

PentatokaFomba fiainana mifanaraka amin'nydrafitr'Andriamanitra ho antsika

Mpaminanyvoalohany

Fomba fampiharan'ny Israely ireo fitsipika ireo

Mpaminany tatyaoriana

Ny fahadisoan'ny Isiraely sy ny fomba hisorohana izany

Asa soratra Ohatra tsara sy ratsy amin'ny fanabeazana

NY

TES

TAM

ENTA

V

AO

VA

O

Boky ara-tantaraMirakitra betsaka momban'ny fanabeazana arymanazava ny fomba hampianarana azy

Ny taratasin'i Paoly sy ny hafa

Fampiharana eo amin'ny fiainana ny fampianarana

FanambaranaTopimaso ny amin'ny fampandrosoana ny fanabeazanasy ny tanjona faratampony

E.G.W. (This Day With God, 28 Aprily)

Betsaka ny olona ao amin'nyBaiboly izay niaina tamin'nyfomba nandray andraikitra aryniasa mba hanampiana ny hafa. Sasany tamin'ireo olona hendryireo i Josefa, Oholiaba, David, Etana, Ahitofela, Hosay, Agora, Lemoela, Gamaliela, ary Paoly.

Tsy isalasalana fa i Solomona no niavakaindrindra tamin'izy ireo. Nanoratra mombany zava-maniry sy ny biby izy, ary namoronaohabolana sy hira. Ny asa sorany diamanazava ny fomba fampiharana nyfahalalana (izany hoe, ho hendry).

Mamporisika antsika hitady fahendrena aryhampiasa izany hampianarana ny hafa izy. Amin'izany dia ho tonga mpiasaampiasain'Andriamanitra hampianatra nyolony isika (Ohabolana 9:9-10).

Talohan'ny niakaran'i Jesosy dia nampanantena Izy fa handefa ny Fanahy Masina hanohy ny asafampianarany.

Mitarika antsika ho amin'ny fahamarinana rehetra Izysy mampianatra antsika izay tokony holazaina, rahoviana ary amin'ny fomba ahoana.

Ny fanabeazany dia tsy miankina "amin'nyfahendren'ny olona fa amin'ny herin'Andriamanitra." Tsy manaraka ny "fahendren'izao tontolo izao" fa mampianatra ny "fahendren'Andriamanitra" (1 Korintiana 2: 5-7 NIV).

Afaka mampianatra antsika “na dia ny zava-dalina izayao amin'Andriamanitra” aza ny Fanahy Masina. (and. 10)

Hatraiza ny halalin'ny fanabeazana toy izany? Hatraizany fahalalana ho azon'ireo izay tarihin'ny Fanahy?

“Tokony ho mpianatra ho an'izao tontolo

izao ho avy ny tanora. Ny fikirizana

amin'ny fahazoana fahalalana, fehezin'ny

fahatahorana sy ny fitiavana

an'Andriamanitra, dia hanome azy ireo

hery mitombo ho amin'ny tsara eto

amin'ity fiainana ity, ary ireo izay

manararaotra ny tombon-tsoa azony mba

hanatrarana ny zava-bita ambony

indrindra eto, dia handray ireo fahalalana

sarobidy azony ireo miaraka aminy ho

amin'ny fiainana ho avy. Nitady ary

nahazo izay tsy mety lo izy ireo.”E.G.W. (Fundamentals of Christian Education, tk. 2, p. 49)

Recommended