View
8
Download
1
Category
Preview:
Citation preview
Copyright © 2018 Koloiko sy Hajaiko ny Teniko
Sary: Mainty Kely
Ity boky ity dia hitanao ao amin’ny tranokala Koloiko sy Hajaiko ny Tenikohttp://www.koloiko.com/boky/
Tsy azo kitihina ireo soratra eo ambony eo ireo raha hanaparitaka ity boky ity ianao.
Raha misy fanamarihana tianao hatao mikasika ny boky dia aza misalasala
manoratra aty aminay.
Natonta voalohany, Martsa 2018
Fanoroam-pejy
Fanoroam-pejy 3
I Ireo Tononkalo Nifaninana 8
1 Vonin-tsiahy! 9
2 Tsiahy 11
3 Hafetsena 12
4 Ilay Endrika 14
5 Vady 16
6 Irony Olon-droa Irony 18
3 27
Teny Fampidirana
Ato amin’ity boky ity no ahitantsika ny andinindinin’ilay �fani-
nanana tononkalo tamin’ny 2018 ho fankalazana ny andron’ny
mpifankatia. Hetsika fanaon’ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko
isan-taona izy ity.
Lohahevitry ny Fifaninanana
Fitiavan’olon-droa mpivady na mpisipa.
Mpitsara
• M’Umpy Ann
• Johana Ra
• Benja Ratsimba
• Mainty Kely
5 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Momba Ny Boky
Ao amin’ny �zarana voalohany no misy ireo tononkalo nifani-
nana, nalahatra arakaraky ny nidirany tao amin’ny �faninanana.
Ao amin’ny �zarana faharoa kosa no itaterana ny vokatra ô�sialy
tamin’ny �faninanana.
6 27
Fisaorana
Fisaorana eram-po eran-tsaina no atolotra ireto olona sy �kam-
banana manaraka ireto izay nifarimbona nanantontosa ity �fan-
inanana ity:
- ireo mpandray anjara rehetra satria hita teo amin’izy ireo
tokoa ny �tiavana ny tenindrazana sy ny �niavana hanan-
dratra avo ny teny sy asa soratra malagasy,
- ireo mpitsara rehetra nahafoy fotoana nitsarana ny
tononkalo,
- ireo rehetra nanome isa ireo tononkalo tao amin’ny Face-
book.
Misaotra indrindra tompoko!
Antananarivo, 01 Martsa 2018 Mainty Kely
7 27
Tononkalo 1
Vonin-tsiahy!
Nosoratan’i Aingampanahy Fs Jenny Rodalson
Mamboly �faliana ao an-jaridainam-poko,
ny tsiahy mameroveron’ny androntsika omaly,
manosatosaka hanitra, manemboka misoko,
ilay vonin’hamanjan’ny �tiavana voakaly!
Manentohento emboka, mamonto ny fanahy,
ahatsapako indrindra ny hamy atosatosany!
Ireo bitsikao tan-tso�ko nandrotsirotsy ahy,
reko injao manako, mitaky indray ny trosany . . .
Satriko hotondrahana tsy hitsahatra famony,
ireto tsirin-tsiahy anatiko, mifaka hamamiana,
hidero-pisandrahaka, ho tody hatramin’ny voany,
hotazako ho nofy, hambombako anao ry tiana!.
9 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
(. . . )
Mandrontso-moramora e, ny onjan’ny vinaniko,
mandolo anaty fo ny tsiaro mitatao,
manjohy anao hatrany, o ry tiako sady Mamiko,
tia antaranoana aho . . . tia hatramin’izao!!!.
10 27
Tononkalo 2
Tsiahy
Nosoratan’i Toky Ny Aina Joseclaudio
Tadidy va?
Ilay indray hariva
nifanojo lalana
raha samy mbola moana ny fo te hiara-dia!
Ilay feo-mbaliha takariva
nahantra feo faharoa ka nahatonga anao hikalo.
Ka teraka ny tambatra t’anaty hirahira.
Dia nihira isika,
dia nikalokalo,
dia niombona �tia.
Tadidy va ireny?
Izao izy doria!
11 27
Tononkalo 3
Hafetsena
Nosoratan’i Barry Sirjon
Endrey izany hafetsen’ilay olon-tiako,
raha indro aho sorena dia zahaviny ny iriko.
Laharam-pahamehany ny mikaroka ny ilaiko,
ka avy dia voavahany ny manahirana ny saiko.
Dia iny izy manambara amin’ny tsikitsikiny,
ireo zava-mamiko no mody ampahatsiahiviny,
na ny zava-bitako no ezahiny andokafana,
tsy maharitra ny sorisoriko fa ahitany fanafana.
Kinga mandresy lahatra amin’ny hantahantany.
Manko ny fahalemeko, tsikariny sy fantany.
Milaza izy fa drodroka kanefa te ho babena,
Dia iny aho midodododo fa tsy maharay tena.
12 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Dia izay ny hafetsen’ilay nambabo ny foko,
ilay mamela ny heloko raha misy hadisoako,
Ilay manao ny ainy tsy ho zavatra mikarakara.
Na miady aza izahay dia antsoiny aho hoe malala!
13 27
Tononkalo 4
Ilay Endrika
Nosoratan’i Cotton Wood (Soanja Estelle)
Fa ianao ve ilay endrika nampisosa lakana aman-jatony
ka nahatonga ireo mpanjono namela ny haratony.
Fa ilay mamy nozarainao tsy ho voatanisa
ary ny kintana noisaiko anie ka alinkisa.
Fa ireo molotrao mampitsonika ny fanahiko;
no nampiverin-dalana indray ireo tsiahiko.
Miverena moa ianao ry olon’ny fahasambarako.
Ampisotroy ahy ny divain’ny fahafahako.
Fa ny toerana iketrahako na tsy ho lanitra aza,
ilay fonao no hitako fa hany sahaza.
Satria ho asavoritako ny moron-drano ikarohako anao.
Hotiliako ireo harambato fa mijaly anie aho tsotra izao.
Ta�o moa ilay lokon-danitra mampihiratra ny androko
fa ny fahitana anao anie ka efa dia tsy andriko.
Ilay oroka foana anie no mahatonga ahy toy izao.
14 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Ka raha hitako anelanelan’ireo onja,
azoko an-tsaina ny momba ahy tsy handao.
O ry ilay malefaka toy ny akon’ny hariva,
efa tazako sahady ilay maraina fa hadiva.
Ny telonohorefy mamiratra eny an-danitra
dia hotononiko ny anaranao feno hanitra.
Ny masoandro mody mifaritra ny tendrombohitra
no indro nanjelatra namela soritra.
Fa ireo manintona ny maso holazaina
dia hangina ireo satria ny foko no hitaraina.
Mitaky anao ao anatin’ny mangina
fa ny �tiavako kosa hitabataba tsy mba ho sina.
15 27
Tononkalo 5
Vady
Nosoratan’i Elinivo Andrianjafy
Fandreko mazàna,
Hoe: “lainga ny hasambarana.”
Fa noho ny nisy anao malala,
dia nivoha ny varavarana
nekeko ianao ho vady.
Ary nolazaina antsika,
fa eo vao tena hiandoha
ny �ainana izay ady.
Saingy, ataoko an-tsaina koa,
sady tsinjoko sahady,
hoe: “Raha fo mahay miara-droa,
dia mora inoana ho ta�ta.”
Ianao no omeko zo:
16 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
ho ande�mandry,
hizarako izay ananako,
hihary izay ho zanako,
hantsoin’ireo ho ray.
ho aro, andry sy kiady,
ho Dada tia anay.
Be ireo ady miandry
saingy ho isam-pady
amintsika ny hifandao.
Hisy hafaliana, hisy koa tomany
fa iarahana misedra.
Ho antsika, iray ny lalana.
Malala, averiko eto ihany
am-pitia miredareda
hoe: “Rehefa misy ianao,
dia misy ny hasambarana.”
Tsy misy intsony toky omeko,
angamba, tapitra voatonoko
ny teny rehetrarehetra.
Ny aiko sisa angoniko
“hiaiky izay nekeko.
Ka aina anie no fetra.”
17 27
Tononkalo 6
Irony Olon-droa Irony
Nosoratan’i Riman’ny Fou
Moa ve mba fantatrao
fa irony olon-droa irony
dia tsy hikasa ny hifandao
satria efa nifandray ny fony?
Mba tiako ho fantatrao
fa irony olon-droa irony
dia miaina am-paradisavao
izay novolavolain’ny fony.
Namolavola fahasambaran’
izay tsy hirodan’intsony
ilay fokely nitambaran’
irony olon-droa irony.
18 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Nitambatra ho iray
irony olon-droa irony
noho ilay voady izay
nanambatra ny fony.
Mba alaivo sary an-tsaina
fa irony olon-droa irony
dia nifametra aman’aina
nefa tsy nifankahalala akory.
Nahatsapa ny �siany,
ka niangavy ny ao ambony
mba hitantana ny diany
irony olon-doa irony.
Na teo ireo adiad’izay nandratra,
niavaka hatrany irony olon-droa irony
nandoro sy nanindrona ireo toeran-tsy zaka,
fa ranomasom-pandeferana no nanadio ny fony.
Navesatra ny olana ka niaraha-nizaka
nifandimby ny alahelo dia niaraha-niory,
nazeran’ny �ainana nefa mbola nitraka
nefa tsy mba nifandao irony olon-droa irony.
Niady mafy sy nandalo �tsapana
irony olon-droa irony
ka naoriny tamin’ny voady ilay �kasana
mba tsy ho babon’ny fakam-panahy ny fony.
19 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Hifampitantana isika raha toa ka sitrakao
ity tanako raiso, �hino tsy hisaraka!
fa raha mba tonao izao faniriako izao
dia irony olon-droa irony no ataontsika �taratra!
20 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Tabilao 6.1: Vokatra o�sialy tamin’ny �faninanana tononkalo �tiavana 2018
Lah. Mpanoratra Tononkalo Isa
1 Barry Sirjon Hafetsena 68.14
2 Cotton Wood (Soanja Estelle) Ilay Endrika 58.57
3 Toky Ny Aina Joseclaudio Tsiahy 58.31
4 Aingampanahy Fs Jenny Rodalson Vonin-tsiahy 57.63
5 Elinivo Andrianjafy Vady 53.00
6 Riman’ny Fou Irony Olon-droa Irony 47.40
Eo amin’ny Tabilao 6.1 no ahitantsika ny vokatra o�sialy
tamin’ilay �faninanana tononkalo.
Momba Ireo Naoty
Ireo misoratra eo ambony ireo ny naoty azon’ny mpifaninana.
Ireo isa ireo dia �tambarana’ny isa nomen’ny mpitsara sy ny
salan’isan’ireo isa nomen’ny mpamaky.
Fomba Nanomezana ny Naoty
Nomena isa 1–10 ny tsipelina, nomena isa 1–20 ny hakanton’ny
tononkalo. Natao salan’isa kosa ireo isa nomen’ireo mpamaky
tsirairay. Natambatra daholo ireo isa ireo dia izay no manome
ireo isa eo amin’ny Tabilao 6.1.
Momba ny Loka
Ireo telo voalohany no mahazo loka tamin’ity �faninanana ity,
eo amin’ny sary 6.1, sy 6.2, ary 6.3 no ahitana ny endrik’izy ireo.
Hisy hetsika hatao ho fanomezana ireo loka ireo ary anasana
22 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
antsika rehetra tsy an-kanavana.
23 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Sary 6.1: Barry Sirjon, nahazo ny loka voalohany
24 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Sary 6.2: Cotton Wood (Soanja Estelle), nahazo ny loka faharoa
25 27
Koloiko sy Hajaiko ny Teniko Fifaninanana Tononkalo Fitiavana 2018
Sary 6.3: Toky Ny Aina Joseclaudio, nahazo ny loka fahatelo
26 27
Teny Famaranana
Izay indray ary aloha no vita tamin’ity andiana �faninanana ity
ka dia ataovy toy ny mihinana voankazo an’ala ka ny mamy
atelomy fa ny mangidy aloavy!
Arahabaina manokana i Barry Sirjon, Cotton Wood, ary Toky
Ny Aina Joseclaudio, nahazo ny laharana telo voalohany.
Amin’ny manaraka indray ô!
27 27
Recommended